Skip to content
Church.wiki

1 Chronicles Chapter 3 Baiboly Malagasy (1865)

Historical books · 1 Chronicles · Baiboly Malagasy (1865) · 24 verses

Verse layout
📝 Overview of this chapter Flow, key verses and people

역대상 3장은 다윗의 아들들을 적고, 솔로몬에서 요시야까지의 유다 왕계와 바벨론 포로 이후 여고냐·스룹바벨의 자손까지 다윗 집안의 족보를 잇는 장이다.

Jump to verse

31 Chronicles · Baiboly Malagasy (1865)
1Ary izao no zanakalahin’ i Davida, izay naterany tao Hebrona: Amnona, zanak’ i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoa; ary Daniela, zanak’ i Abigaila Karmelita, no lahiaivo;
2Absaloma, zanak’ i Maka, zanakavavin’ i Talmay, mpanjakan’ i Gesora, no fahatelo; Adonia, zanak’ i Hagita, no fahefatra;
3Sefatia, zanak’ i Abitala, no fahadimy; Jitreama, zanak’ i Egla vadiny, no fahenina.
4Ireo enina ireo no naterany tao Hebrona; fa tao no nanjakany fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema kosa no nanjakany telo amby telo-polo taona.
5Ary izao no naterany tany Jerosalema: Simea sy Sobaba sy Natana ary Solomona (ireo efa-dahy ireo no naterak’ i Batsoa, zanakavavin’ i Amiela)
6sy Jibara sy Elisama sy Elifeleta
7sy Noga sy Nafega sy Jafia
8sy Elisama sy Eliada ary Elifeleta; dia sivy kosa ireo.
9Ireo rehetra ireo no zanakalahin’ i Davida, afa-tsy ny zanaky ny vaditsindranony sy Tamara, anabavin’ ireo.
10Ary ny zanakalahin’ i Solomona dia Rehoboama, Abia no zanakalahin-dRehoboama, Asa no zanakalahin’ i Abia, Josafata no zanakalahin’ i Asa,
11Jehorama no zanakalahin’ i Josafata, Ahazia no zanakalahin’ i Jehorama. Joasy no zanakalahin’ i Ahazia,
12Amazia no zanakalahin’ i Joasy, Azaria no zanakalahin’ Amazia, Jotama no zanakalahin i Azaria,
13Ahaza no zanakalahin’ i Jotama Hezekia no zanakalahin’ i Ahaza, Manase no zanakalahin’ i Hezetia,
14Amona no zanakalahin’ i Manase, Josia no zanakalahin’ i Amona.
15Ary izao no zanakalahin’ i Josia: Johanana, lahimatoa, Joiakima, lahiaivo, Zedekia, fahatelo, Saloma, faralahy.
16Ary ny zanakalahin’ i Joiakima dia Jekonia, ary Zedekia no zanak’ i Jekonia.
17Ary ny zanakalahin’ Jekonia dia Asira, Sealtiela no zanak’ i Asira,
18ary Malkirama koa sy Pedaia sy Senazara sy Jekamia sy Hosama ary Nedabia.
19Ary ny zanakalahin’ i Pedaia dia Zerobabela sy simey. Ary ny zanakalahin’ i Zerobabela dia Mesolama sy Hanania ary Selomita, anabaviny,
20ary Hasoba sy Ohela sy Berekia sy Hasadia ary Josaba-heseda; dimy izy.
21Ary ny zanakalahin’ i Hanania dia Pelatia sy Jisaia sy ny zanakalahin’ i Rafaia sy ny zanakalahin’ i Arnana sy ny zanakalahin’ i Obadia ary ny zanakalahin’ i Sekania.
22Ary ny zanakalahin’ i Sekania dia Semaia. Ary ny zanakalahin’ i Semaia dia Hatosy sy Jigala sy Baria sy Nearia ary Safata; enina izy.
23Ary ny zanakalahin’ i Nearia dia Elioenay sy Hezekia ary Azrikama; telo izy.
24Ary ny zanakalahin’ i Elioenay dia Hodaia sy Eliasiba sy Pelaia sy Akoba sy Johanana sy Delaia ary Anany; fito izy.

Baiboly Malagasy (1865)
Tap a verse to copy, share, highlight or add a note. Dotted words link to encyclopedia articles.

24 verses in this chapter
3 / 29 chapters

The text is Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — From getbible.net (CrossWire SWORD module) · license: 공개 도메인 (Public Domain) Highlights, notes and read marks stay with the chapter whichever version you read. Dotted words are people, places and terms that have an encyclopedia article (marked once per page). Highlights, notes and read marks are saved only in this browser and gathered under My marks.

Articles mentioning this chapter

More