2 Chronicles 11
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak’ i Joda sy Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin’ ny Isiraely hampody ny fanjakana ho an-dRehoboama.Select 2 Chronicles 11:1
2Kanjo kosa ny tenin’ i Jehovah tonga tamin’ i Semaia, lehilahin’ Andriamanitra, ka nanao hoe:Select 2 Chronicles 11:2
3Mitenena amin-dRehoboama, zanak’ i Solomona, mpanjakan’ ny Joda, sy amin’ ny Isiraely rehetra amin’ ny Joda sy ny Benjamina hoe:Select 2 Chronicles 11:3
4Izao no lazain’ i Jehovah: Aza mandeha hiady amin’ ny rahalahinareo, fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Ary nihaino ny tenin’ i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody, fa tsy nandeha hamely an’ i Jeroboama.Select 2 Chronicles 11:4
5Ary Rehoboama nitoetra tany Jerosalema ka nanamboatra tanàna mimanda tany Joda.Select 2 Chronicles 11:5
6Ny namboariny dia izao: Betlehema sy Etama sy TekoaSelect 2 Chronicles 11:6
7sy Beti-zora sy Soko sy AdolamaSelect 2 Chronicles 11:7
8sy Gata sy Maresa sy ZifaSelect 2 Chronicles 11:8
9sy Adoraima sy Lakisy sy AzekaSelect 2 Chronicles 11:9
10sy Zora sy Aialona ary Hebrona, izay tanàna mimanda ao amin’ ny Joda sy ny Benjamina.Select 2 Chronicles 11:10
11Ary nanamafy ny tanàna mimanda izy sady nametraka mpanapaka tao aminy ary nanisy hanina sy diloilo ary divay betsaka.Select 2 Chronicles 11:11
12Ary tamin’ ny isam-bohitra dia nasiany ampinga lehibe sy lefona avokoa, sady nohamafiny dia nohamafiny ny vohitra; ary ny Joda sy ny Benjamina no nomba azy.Select 2 Chronicles 11:12
13Ary ny mpisorona sy ny Levita izay teo amin’ ny Isiraely rehetra dia nanatona azy avy tany amin’ ny fari-taniny avy.Select 2 Chronicles 11:13
14Fa ny Levita nandao ny tanànany sy ny tany manodidina azy ka nankany Joda sy Jerosalema (fa Jeroboama sy ny zanany efa nanaisotra azy tsy ho mpisorona ho an’ i Jehovah,Select 2 Chronicles 11:14
15fa nanendry mpisorona ho amin’ ny fitoerana avo sy ho an’ ny Seïrima ary ho an’ ny ombilahy kely izay nataony).Select 2 Chronicles 11:15
16Ary na iza na iza tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra no nanolotra ny fony hitady an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, dia nanaraka ireo nankany Jerosalema hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany.Select 2 Chronicles 11:16
17Ka dia nampahery ny fanjakan’ ny Joda izy sady nampahavitrika an-dRehoboama, zanak’ i Solomona, telo taona; fa nandeha tamin’ ny lalan’ i Davida sy Solomona telo taona izy.Select 2 Chronicles 11:17
18Ary Rehoboama naka an’ i Mahalota, zanakavavin’ i Jerimota, zanak’ i Davida, sy Abihaila, zanakavavin’ i Eliaba, zanak’ i Jese, ho vadiny,Select 2 Chronicles 11:18
19izay nahazoany zaza, dia Jeosy sy Semaria ary Zahama.Select 2 Chronicles 11:19
20Ary nanarakaraka azy, dia nalainy koa Imaka, zanakavavin’ i Absaloma, izay niteraka an’ i Abia sy Atahy sy Ziza ary Selomita taminy.Select 2 Chronicles 11:20
21Ary Rehoboama tia an’ Imaka, zanakavavin’ i Absaloma, mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra (fa naka vady valo ambin’ ny folo sy vaditsindrano enim-polo izy ka niteraka lahy valo amby roa-polo sy vavy enim-polo).Select 2 Chronicles 11:21
22Ary Abia, zanakalahin’ Imaka, no nataon-dRehoboama lohany ho mpanapaka ny rahalahiny; fa izy no efa nokasainy hampanjakaina.Select 2 Chronicles 11:22
23Ary hendry izy ka nampiely ny zanany eran’ ny tanin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra, dia tany amin’ ny tanàna mimanda rehetra, ka nomeny hanina betsaka sady nitadiavany vady maro.Select 2 Chronicles 11:23
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain