2 Chronicles 14
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary Asa nanao izay tsara sy mahitsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitra;Select 2 Chronicles 14:1
2fa nandrava ny alitaran’ ny firenena hafa sy ny fitoerana avo izy sady nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy ary nikapa ny Aseraha.Select 2 Chronicles 14:2
3Ary nandidy ny Joda hitady an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy ary hankatò ny lalàna sy ny didy.Select 2 Chronicles 14:3
4Ary nandrava ny fitoerana avo sy ny tsangan-kazo ho an’ ny masoandro teny amin’ ny tanànan’ ny Joda rehetra izy; dia nandry fahizay ny fanjakana teo anatrehany.Select 2 Chronicles 14:4
5Ary nanao tanàna mimanda tany Joda izy; ka dia nandry fahizay ny tany, fa tsy nisy ady tamin’ izany andro izany; fa Jehovah no nanome azy fiadanana.Select 2 Chronicles 14:5
6Dia hoy izy tamin’ ny Joda: Andeha hamboarintsika ireto tanana ireto ka hasiantsika manda manodidina sy tilikambo ary vavahady mihidy, raha mbola azontsika zakaina ny tany; fa efa nitady an’ i Jehovah Andriamanitsika isika; eny, nitady Azy isika, ka nanome antsika fiadanana amin’ ny manodidina Izy. Ary dia namboariny avokoa izany ka tontosa tsara.Select 2 Chronicles 14:6
7Ary Asa nanana miaramila, dia telo hetsy mpitana ampinga lehibe sy lefona avy tamin’ ny Joda, ary valo alina amby roa hetsy mpitana ampinga sy tsipìka avy amin’ ny Benjamina; ireo rehetra ireo dia lehilahy mahery avokoa.Select 2 Chronicles 14:7
8Ary Zera Etiopiana nivoaka hiady tamin’ ireo ka nitondra miaramila iray tapitrisa sy kalesy telon-jato, ka dia tonga tao Maresa.Select 2 Chronicles 14:8
9Ary Asa nivoaka hiady taminy, dia samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Zefata akaikin’ i Maresa izy.Select 2 Chronicles 14:9
10Ary Asa nitaraina tamin’ i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, tsy misy afa-tsy Hianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian’ ny maro izy, ka vonjeo izahay, Jehovah Andriamanitray ô, fa Hianao no iankinanay, ary ny anaranao no andehananay hiady amin’ ireto olona ireto. Jehovah ô. Hianao no Andriamanitray; aza avela hisy olona haharesy Anao.Select 2 Chronicles 14:10
11Ary Jehovah namely ny Etiopiana teo anoloan’ i Asa sy ny Joda, ka dia nandositra ireny.Select 2 Chronicles 14:11
12Ary Asa sy ny vahoaka teo aminy nanenjika azy hatrany Gerara, ka dia nahafatesana be ny Etiopiana ka tsy naharina intsony; fa voaringana teo anoloan’ i Jehovah sy ny miaramilany izy, ka nahazoan’ ny Joda babo betsaka.Select 2 Chronicles 14:12
13Ary namely ny tanàna rehetra manodidina an’ i Gerara izy; fa ny fahatahorana an’ i Jehovah nahazo ireo, ka nobaboiny ny tanana rehetra, fa be ny babo tao.Select 2 Chronicles 14:13
14Ary namely ny vala izy ka nahazo babo betsaka, dia ondry aman’ osy sy rameva, ary dia niverina ho any Jerosalema izy.Select 2 Chronicles 14:14
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain