Skip to content
Church.wiki
2 Chronicles

2 Chronicles 3

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary Solomona nanomboka nanao ny tranon’ i Jehovah tany Jerosalema, tao an-tendrombohitra Moria, ilay nisehoan’ i Jehovah tamin’ i Davida rainy, dia ilay namboarina teo amin’ ny fitoerana nofidin’ i Davida teo amin’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.Select 2 Chronicles 3:1

2Ary nanomboka nanao ny trano izy tamin’ ny andro faharoa tamin’ ny volana faharoa tamin’ ny taona fahefatra nanjakany.Select 2 Chronicles 3:2

3Ary toy izao no nanorenan’ i Solomona ny tranon’ Andriamanitra: Ny lavany, raha araka ny hakiho taloha, dia enim-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho.Select 2 Chronicles 3:3

4Ary ny amin’ ny lavarangana fidirana izay teo anoloany, ny lavany dia roa-polo hakiho, dia araka ny sakan’ ny trano ihany, ary ny hahavony dia roa-polo amby zato hakiho; ary nopetahany takela-bolamena tsara ny ao anatiny.Select 2 Chronicles 3:4

5Ary ny ati-trano lehibe nopetahany hazo kypreso, dia vao nopetahany takela-bolamena tsara ireo ary noravahany hazo rofia sy tongalika.Select 2 Chronicles 3:5

6Ary noravahany vato soa koa ny trano; ary ny volamena dia volamena avy any Parvaima.Select 2 Chronicles 3:6

7Ary nopetahany takela-bolamena ny trano, dia ny rairainy sy ny tokonany sy ny rindriny ary ny lela-varavarany; ary nosoratany nasiany sarin’ ny kerobima ny rindrina.Select 2 Chronicles 3:7

8Ary nanao ny efi-trano masìna indrindra izy: ny lavany dia roa-polo hakiho mifanerana amin’ ny sakan’ ny trano, ary roa-polo hakiho koa ny sakany; ary nopetahany takela-bolamena tsara talenta enin-jato izySelect 2 Chronicles 3:8

9Ary ny lanjan’ ny hombo volamena dia sekely dimam-polo. Ary ny efi-trano ambony nopetahany volamena koa.Select 2 Chronicles 3:9

10Ary tao amin’ ny efi-trano masìna indrindra dia nasiany sarin’ ny kerobima roa, ary nosokiriny no nanaovany azy, dia nopetahany takela-bolamena.Select 2 Chronicles 3:10

11Ny halavan’ ny elatry ny kerobima dia roa-polo hakiho: ny elatry ny anankiray dia dimy hakiho, mipaka amin’ ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin’ ny elatry ny kerobima anankiray;Select 2 Chronicles 3:11

12ary ny elatry ny kerobima anankiray koa dia dimy hakiho, mipaka amin’ ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin’ ny elatry ny kerobima anankiray.Select 2 Chronicles 3:12

13Nivelatra ny elatr’ ireo kerobima ireo, ka roa-polo hakiho ny halavany; nijoro tamin’ ny tongony, tarehiny nanatrika ny trano.Select 2 Chronicles 3:13

14Ary izy nanao ny efitra lamba tamin’ ny manga sy volomparasy sy jaky sy rongony fotsy madinika; ary nataony sarin’ ny kerobima ny sorany.Select 2 Chronicles 3:14

15Ary nanao andry roa teo anoloan’ ny trano izy; dimy amby telo-polo hakiho ny hahavony, ary ny kapitaly teo an-tampony dia dimy hakiho ary.Select 2 Chronicles 3:15

16Ary nanao tongalika tao amin’ ny efitra anatiny izy, ka nataony teo an-tampon’ ny andry ireo; ary nanao sarin’ apongaben-danitra zato izy, ka nataony teo amin’ ny tongalika ireo.Select 2 Chronicles 3:16

17Ary ny andry natsangany teo anoloan’ ny tempoly, ny iray tamin’ ny ankavanana, ary ny iray tamin’ ny ankavia; ary ny anaran’ ny teo amin’ ny ankavanana nanao ny hoe Jakina, ary ny anaran’ ny teo amin’ ny ankavia kosa natao hoe Boaza.Select 2 Chronicles 3:17

Next: 2 Chronicles 4Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

2 Chronicles

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.