Skip to content
Church.wiki
2 Chronicles

2 Chronicles 31

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary nony vita izany rehetra izany, dia niainga nankany an-tanànan’ ny Joda ny Isiraely rehetra izay tao ka nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aseraha ary nandrava ny fitoerana avo sy ny alitara eran’ i Joda sy Benjamina rehetra ary tany Efraima sy Manase koa ambara-paharavany azy rehetra. Dia samy nody ho any amin’ ny taniny sy ny tanànany avy ny Zanak’ isiraely rehetra.Select 2 Chronicles 31:1

2Ary Hezekia nanendry ny antokon’ ny mpisorona sy ny Levita araka ny antokony avy, samy araka ny fanompoany avy, dia ny mpisorona sy ny Levita ho amin’ ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavavana sy hanao fanompoam-pivavahana sy hisaotra ary hidera eny amin’ ny vavahadin’ ny tobin’ i Jehovah.Select 2 Chronicles 31:2

3Ary ny hatao fanatitra dorana rehetra dia nomen’ ny mpanjaka avy tamin’ ny fananany, dia ny fanatitra dorana maraina sy hariva sy ny fanatitra dorana atao amin’ ny Sabata sy amin’ ny voaloham-bolana sy amin’ ny fotoam-pivavahana, araka ny voasoratra ao amin’ ny lalan’ i Jehovah.Select 2 Chronicles 31:3

4Ary ny olona izay nonina tany Jerosalema nasainy nandoa ny anjaran’ ny mpisorona sy ny Levita hipetrahany tsara amin’ ny lalàn’ i Jehovah.Select 2 Chronicles 31:4

5Ary nony niely izany teny izany, dia nitondra voaloham-bokatra betsaka ny Zanak’ isiraely, dia vary sy ranom-boaloboka sy diloilo sy tantely ary vokatry ny tany isan-karazany; ary ny fahafolon-karena tamin’ ny zavatra rehetra, dia betsaka koa no nentiny.Select 2 Chronicles 31:5

6Ary ny Isiraely sy ny Joda, izay nonina tany an-tanànan’ ny Joda, nitondra ny fahafolon-karena koa, dia omby sy ondry aman’ osy, ary ny fahafolon’ ny zavatra masìna izay nohamasinina ho an’ i Jehovah Andriamaniny, ary navosainy nitokotoko maro ireny.Select 2 Chronicles 31:6

7Tamin’ ny volana fahatelo no vao nanomboka nanokotoko azy izy, ary tamin’ ny volana fahafito no nahavitany azy.Select 2 Chronicles 31:7

8Ary nony avy Hezekia sy ny mpanapaka ka nahita ireo niavosa ireo, dia nisaotra an’ i Jehovah sy ny Isiraely olony izy.Select 2 Chronicles 31:8

9Ary Hezekia nanontany ny mpisorona sy ny Levita ny amin’ ireo niavosa ireo.Select 2 Chronicles 31:9

10Ary Azaria mpisoronabe, taranak’ i Zadoka, namaly azy hoe: Hatramin’ ny niandohan’ ny nitondran’ ny olona ny fanatitra ho ao an-tranon’ i Jehovah dia nihinana izahay ka voky, sady be koa ny sisa; fa Jehovah nitahy ny olony, ary ny sisa dia ireo betsaka ireo.Select 2 Chronicles 31:10

11Ary nasain’ i Hezekia namboatra efi-trano fitehirizana tao amin’ ny tranon’ i Jehovah izy; dia namboariny izany.Select 2 Chronicles 31:11

12Ary tamin’ ny fahamarinany no nampidirany ny fanatitra sy ny fahafolon-karena sy ny zavatra nohamasininy; ary Konania Levita no mpitahiry ireny, ary simey rahalahiny no manarakaraka.Select 2 Chronicles 31:12

13Ary Jehiela sy Azazia sy Nahata sy Asahela sy Jerimota sy Jozabada sy Eliala sy Jismakia sy Mahata ary Benaia, fehin’ i Konania sy Simey rahalahiny, no tonian’ ireny, araka ny didin’ i Hezekia mpanjaka sy Azaria, mpanapaka ny tranon’ Andriamanitra.Select 2 Chronicles 31:13

14Ary Kore Levita, zanak’ i Jimna, mpiandry varavarana tao atsinanana, no tonian’ ny fanati-tsitrapo ho an’ Andriamanitra, hizara ny fanatitra asandratra ho an’ i Jehovah sy ny zava-masìna indrindra.Select 2 Chronicles 31:14

15Ary ny fehin’ i Kore dia Edena sy Miniamina sy Jesoa sy Semaia sy Amaria ary Sekania tao amin’ ny tanànan’ ny mpisorona; ary adidin’ ireo ny hizara ho an’ ny rahalahiny araka ny antokony avy, na ny lehibe na ny kely,Select 2 Chronicles 31:15

16afa-tsy ny lehilahy voasoratra hatramin’ ny telo taona no ho miakatra, dia izay miditra ao an-tranon’ i Jehovah handray ny anjarany isanandro noho ny fanompoany amin’ ny anjara-raharahany araka ny antokony avy.Select 2 Chronicles 31:16

17Ary ny amin’ ny fanoratana ny mpisorona koa, dia nosoratana araka ny fianakaviany avy, ary ny Levita koa hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, araka ny anjara-raharahany sy ny antokony avy.Select 2 Chronicles 31:17

18Ary nomena koa ny ankohonany rehetra izay voasoratra, dia ny vadiny mbamin’ ny zananilahy sy ny zananivavy rehetra; fa tamin’ ny fahamarinany no nanamasinany ny tenany ny amin’ ny zavatra masìna.Select 2 Chronicles 31:18

19Ary ho an’ ny mpisorona, taranak’ i Arona, koa, izay tany amin’ ny tany manodidina ny tanànany, dia nisy olona voatonona anarana tamin’ ny isan-tanàna hanome anjara ny lehilahy rehetra amin’ ny mpisorona sy ny Levita rehetra voasoratra.Select 2 Chronicles 31:19

20Ary toy izany no nataon’ i Hezekia eran’ i Joda rehetra; fa nanao izay tsara sy mety ary marina eo anatrehan’ i Jehovah Andriamaniny izy.Select 2 Chronicles 31:20

21Ary ny raharaha rehetra izay natombony ny amin’ ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitra sy ny lalàna ary ny didy hitadiavana an’ Andriamaniny dia nataony tamin’ ny fony rehetra, fa nambinina izySelect 2 Chronicles 31:21

Next: 2 Chronicles 32Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

2 Chronicles

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.