1 Kings 16
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary tonga tamin’ i Jeho, zanak’ i Hanany, ny tenin’ i Jehovah ny amin i Basa nanao hoe:Select 1 Kings 16:1
2Satria nasandratro avy tamin’ ny vovoka ianao ka notendreko ho mpanapaka ny Isiraely oloko; nefa kosa nandeha tamin’ ny lalan’ i Jeroboama ihany ianao ary nampanota ny Isiraely oloko ka nampahatezitra Ahy tamin’ ny fahotany,Select 1 Kings 16:2
3dia, indro, hofongorako Basa sy ny taranany, ary ny taranakao hataoko tahaka ny taranak’ Jeroboama, zanak’ i Nebata.Select 1 Kings 16:3
4Koa izay tamingan’ i Basa maty ao an-tanàna dia hohanin’ ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha dia hohanin’ ny voro-manidina.Select 1 Kings 16:4
5Ary ny tantaran’ i Basa sisa mbamin’ izay nataony ary ny heriny, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?Select 1 Kings 16:5
6Ary Basa lasa nodimandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao Tirza; ary Elaha zanany no nanjaka nandimby azy.Select 1 Kings 16:6
7Ary Jeho mpaminany zanak’ i Hanany, dia nampitondraina ny tenin’ i Jehovah ny amin’ i Basa sy ny taranany, satria nanao ratsy teo imason’ i Jehovah ka nampahatezitra Azy tamin’ ny asan’ ny tanany, ka dia tonga tahaka ny mpianakavin’ i Jeroboama, ary satria namono ireo izy.Select 1 Kings 16:7
8Tamin’ ny taona fahenina amby roa-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Elaha, zanak’ i Basa, tamin’ ny Isiraely tao Tirza, ary nanjaka roa taona izy.Select 1 Kings 16:8
9Ary Zimry mpanompony, komandin’ ny antsasaky ny kalesiny, nikomy taminy, raha nisotro ho mamo tao Tirza, tao an-tranon’ i Arza, lehiben’ ny tao an-dapa tao Tirza, izy.Select 1 Kings 16:9
10Dia niditra Zimry ka namely an’ i Elaha ho faty tamin’ ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, ary izy no nanjaka nisolo azy.Select 1 Kings 16:10
11Ary nony vao nanjaka Zimry ka nipetraka tamin’ ny seza fiandrianany, dia namono ny mpianakavin’ i Basa rehetra izy; ka tsy navelany hisy miangana na dia lehilahy iray akory aza, na tamin’ ny havany, na tamin’ ny sakaizany.Select 1 Kings 16:11
12Toy izany no nandringanan’ i Zimry ny mpianakavin’ i Basa rehetra, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Jehovah mpaminany ny amin’ i Basa,Select 1 Kings 16:12
13noho ny fahotany rehetra sy ny fahotan’ i Elaha zanany koa, izay nataony sady nampanotany ny Isiraely ka nampahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin’ ny zava-poanany.Select 1 Kings 16:13
14Ary ny tantaran’ i Elaha sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?Select 1 Kings 16:14
15Tamin’ ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, no nanjakan’ i Zimry hafitoana tao Tirza. Ary ny olona nanao fahirano an’ i Gibetona, izay an’ ny Filistina.Select 1 Kings 16:15
16Ary ny olona izay nitoby teo dia nandre hoe: Efa nikomy Zimry sady efa namono ny mpanjaka koa; ary ny Isiraely rehetra tany an-tobiny nampanjaka an’ i Omry, komandin’ ny miaramila, androtrizay ihany ho mpanjakan’ ny Isiraely.Select 1 Kings 16:16
17Dia niakatra avy tao Gibetona Omry sy ny Isiraely rehetra niaraka taminy, ka dia nanao fahirano an’ i Tirza.Select 1 Kings 16:17
18Ary nony hitan’ i Zimry fa afaka ny tanana, dia lasa niditra tao amin’ ny trano avo amin’ ny lapa izy, ary nodorany tamin’ ny afo ny lapa, ka may tao izy, dia matySelect 1 Kings 16:18
19noho ny fahotana izay nataony tamin’ ny nanaovany izay ratsy eo imason’ i Jehovah, tamin’ ny nandehanany tamin’ ny lalan’ i Jeroboama sy tamin’ ny fahotana izay nataony sady nampanotany ny Isiraely.Select 1 Kings 16:19
20Ary ny tantaran’ i Zimry sisa mbamin’ ny fikomiany, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?Select 1 Kings 16:20
21Ary tamin’ izany dia nizara roa ny lehilahy amin’ ny Isiraely: ny antsasany nomba an i Tibny, zanak’ i Ginata, hampanjaka azy; ary ny antsasany kosa nomba an’ i Omry.Select 1 Kings 16:21
22Fa ny olona izay nomba an’ i Omry naharesy ny olona izay nomba an’ i Tibny, zanak’ i Ginata; ka dia maty Tibny, ary Omry no nanjaka.Select 1 Kings 16:22
23Tamin’ ny taona fahiraika amby telo-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Omry; ary nanjaka roa ambin’ ny folo taona tamin’ ny Isiraely izy; tao Tirza no nanjakany enin-taona.Select 1 Kings 16:23
24Ary novidiny talenta volafotsy roa tamin’ i Samera ny havoan’ i Samaria, dia nanao tanàna teo an-tampon’ ny havoana izy, ary nataony hoe Samaria, araka ny anaran’ i Samera, tompon’ ny havoana, ny anaran’ ny tanàna.Select 1 Kings 16:24
25Fa Omry nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah; eny, nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohany izy;Select 1 Kings 16:25
26fa nandeha tamin’ ny lalana rehetra nalehan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, sy tamin’ ny fahotana izay nampanotany ny Isiraely izy ka nampahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin’ ny zava-poanany.Select 1 Kings 16:26
27Ary ny tantaran’ i Omry sisa mbamin’ izay nataony sy ny heriny izay nasehony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?Select 1 Kings 16:27
28Ary Omry lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao Samaria izy; ary Ahaba zanany no nanjaka nandimby azy.Select 1 Kings 16:28
29Ary Ahaba, zanak’ i Omry, vao nanjaka tamin’ ny Isiraely tamin’ ny taona fahavalo amby telo-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, ary nanjaka tamin’ ny Isiraely tao Samaria roa amby roa-polo Taona izy.Select 1 Kings 16:29
30Ary Ahaba, zanak’ i Omry, nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah mihoatra noho izay rehetra teo alohany.Select 1 Kings 16:30
31Fa nataony ho zavatra kely foana ny handeha amin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, ka dia nampakatra an’ i Jezebela, zanakavavin’ i Etibala, mpanjakan’ ny Sidoniana, izy ho vadiny, dia nandeha nanompo an’ i Bala ka niankohoka teo anatrehany.Select 1 Kings 16:31
32Ary nanao alitara ho an’ i Bala tao amin’ ny tranon’ i Bala izay nataony tao Samaria izy.Select 1 Kings 16:32
33Ary Ahaba nanao ny Aseraha ka nampahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mihoatra noho ny mpanjakan’ ny Isiraely rehetra izay teo alohany.Select 1 Kings 16:33
34Tamin’ ny andron’ i Ahaba no nanorenan’ i Hiela Betelita an’ i Jeriko; ny ain’ i Abìrama lahimatoany no sazin’ ny nanorenany ny fanambaniny, ary ny ain’ i Segoba faralahiny no sazin’ ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Josoa, zanak’ i Nona.Select 1 Kings 16:34
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation