Skip to content
Church.wiki
2 Kings

2 Kings 1

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary Moaba niodina tamin’ ny Isiraely, rehefa maty Ahaba.Select 2 Kings 1:1

2Ary Ahazia nianjera avy teo amin’ ny makarakara teo amin’ ny efi-trano ambony tao Samaria ka narary; dia naniraka olona izy ka nanao taminy hoe: Mandehana, anontanio amin’ i Bala-zeboba, andriamanitr’ i Ekrona, na ho sitrana ihany aho amin’ ity aretiko ity, na tsia.Select 2 Kings 1:2

3Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah niteny tamin’ i Elia Tisbira hoe: Miaingà, miakara hihaona amin’ ny iraky ny mpanjakan’ i Samaria, ka manaova aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Moa ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo amin’ ny Isiraely va, no mandeha hanontany amin’ i Bala-zeboba, andriamanitr’ i Ekrona, ianareo?Select 2 Kings 1:3

4Koa noho izany dia tsy hidina hiala amin’ ny farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty tokoa. Ary dia lasa Elia.Select 2 Kings 1:4

5Dia niverina tany amin’ ny mpanjaka ny iraka, ka hoy izy taminy: Nahoana re no niverina ianareo?Select 2 Kings 1:5

6Ary hoy ireo taminy: Nisy lehilahy niakatra nitsena anay ka nanao taminay hoe: Mandehana miverina any amin’ ny mpanjaka izay naniraka anareo, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Moa ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo amin’ ny Isiraely va, no maniraka hanontany amin’ i Bala-zeboba, andriamanitr’ i Ekrona, ianareo? Koa noho izany dia tsy hidina hiala amin’ ny farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty tokoa.Select 2 Kings 1:6

7Ary hoy izy taminy: Lehilahy toy inona izay niakatra nitsena anareo izay ka nilaza izany teny izany taminareo?Select 2 Kings 1:7

8Ary ireo namaly azy hoe: Lehilahy mitafy volom-biby izy, sady nisy fehin-kibo hoditra tamin’ ny valahany. Dia hoy izy: Elia Tisbita izay.Select 2 Kings 1:8

9Ary ny mpanjaka naniraka mpifehy dimam-polo anankiray mbamin’ ny dimam-polo fehiny hankany aminy. Dia niakatra tany aminy izy; ka indro izy nipetraka teo an-tampon’ ny tendrombohitra; ary niteny taminy ralehilahy hoe: Ry lehilahin’ Andriamanitra ô, midìna ianao, antsoin’ ny mpanjaka.Select 2 Kings 1:9

10Fa Elia namaly ka nanao tamin’ ny mpifehy dimam-polo hoe: Raha lehilahin’ Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin’ ny dimam-polo fehiny.Select 2 Kings 1:10

11Dia naniraka mpifehy dimam-polo anankiray mbamin’ ny dimam-polo fehiny hankany aminy koa ny mpanjaka. Dia niteny izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahin’ Andriamanitra ô, midìna faingana ianao, antsoin’ ny mpanjaka.Select 2 Kings 1:11

12Fa namaly Elia ka nanao taminy hoe: Raha lehilahin’ Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra ka handevona anao mbamin’ ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afon’ Andriamanitra nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin’ ny dimam-polo fehiny.Select 2 Kings 1:12

13Ary dia naniraka mpifehy dimam-polo anankiray koa indray mbamin’ ny dimam-polo fehiny izy. Dia niakatra ilay mpifehy dimam-polo ka tonga, ary nandohalika teo anatrehan’ i Elia ka nifona taminy nanao hoe: Masìna ianao, ry lehilahin’ Andriamanitra ô, aoka ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko sy ny ain’ ireto mpanomponao dimam-polo ireto.Select 2 Kings 1:13

14Indro, efa nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ireo roa lahy mpifehy dimam-polo ireo mbamin’ ny dimam-polo fehiny avy; fa aoka kosa ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko ankehitriny.Select 2 Kings 1:14

15Ary hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah tamin’ i Elia: Midìna ihany hiaraka aminy ianao; fa aza matahotra azy. Ary dia niainga izy ka nidina niaraka taminy ho any amin’ ny mpanjaka.Select 2 Kings 1:15

16Ary hoy izy tamin’ ny mpanjaka: Izao no lazain’ i Jehovah: Satria naniraka olona hanontany amin’ i Bala-zeboba, andriamanitr’ i Ekrona, ianao, hoatra ny tsy misy Andriamanitra eo amin’ ny Isiraely, dia tsy hidina hiala amin’ ny farafara izay niakaranao ianao fa ho faty tokoa.Select 2 Kings 1:16

17Ka dia maty izy araka ny tenin’ i Jehovah izay nolazain’ i Elia. Ary satria tsy nanan-janaka izy, dia Jorama no nanjaka nandimby azy tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Jehorama, zanak’ i Josafata, mpanjakan’ ny Joda.Select 2 Kings 1:17

18Ary ny asan’ i Ahazia sisa izay nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?Select 2 Kings 1:18

Next: 2 Kings 2Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

2 Kings

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.