Skip to content
Church.wiki
2 Kings

2 Kings 11

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary nony hitan’ i Atalia, renin’ i Ahazia, fa maty ny zanany dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak’ andriana rehetra.Select 2 Kings 11:1

2Fa Joseba, zanakavavin’ i Jehorama mpanjaka ary anabavin’ i Ahazia, dia naka an’ i Joasy, zanak’ i Ahazia, ka namonjy azy mbamin’ ny mpitaiza azy avy teo amin’ ny zanaky ny mpanjaka izay novonoina ho ao an-trano fitehirizam-pandriana ary nafeniny an’ i Atalia izy, ka dia tsy mba voavono.Select 2 Kings 11:2

3Ary niery enin-taona tao aminy tao an-tranon’ i Jehovah izy. Ary Atalia no nanjaka tamin’ ny tany.Select 2 Kings 11:3

4Ary tamin’ ny taona fahafito Joiada naniraka haka ny kapiteny, mpifehy ny anjolofo sy ny mpiambina, dia nampiditra azy tao an-tranon’ i Jehovah ary nampanaiky sy nampianiana azy tao an-tranon’ i Jehovah, ka nasehony azy ny zanakalahin’ ny mpanjaka.Select 2 Kings 11:4

5Ary izy nandidy azy hoe: Izao no hataonareo: Ny ampahatelony izay milatsaka amin’ ny Sabata dia hiambina ny tranon’ ny mpanjaka;Select 2 Kings 11:5

6ary ny ampahatelony ho eo am-bavahady Sora; ary ny ampahatelony ho ao am-bavahady ivohon’ ny mpiambina, dia hiambina ny trano ianareo ka hiaro azy.Select 2 Kings 11:6

7Ary ny roa toko aminareo kosa, dia izay rehetra miala amin’ ny andro Sabata, dia hiambina ny tranon’ i Jehovah hiarovana ny mpanjaka.Select 2 Kings 11:7

8Ary hanemitra manodidina ny mpanjaka ianareo, samy mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza mamaky laharana dia vonoy, ary arahonareo ny mpanjaka, na mivoaka na miditra izy.Select 2 Kings 11:8

9Ary ny kapiteny dia nanao araka izay rehetra nandidian’ i Joiada mpisorona, ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin’ ny Sabata sy izay niala tamin’ ny Sabata ary nankany amin’ i Joiada mpisorona.Select 2 Kings 11:9

10Ary ny kapiteny nomen’ ilay mpisorona ny lefona sy ampingan’ i Davida mpanjaka izay tao an-tranon’ i Jehovah.Select 2 Kings 11:10

11Ary ny mpiambina nitsangana, ka samy nitana ny fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka hatramin’ ny lafiny ankavanan’ ny trano ka hatramin’ ny lafiny ankavia, hatramin’ ny alitara ka hatramin’ ny trano.Select 2 Kings 11:11

12Dia nentin’ i Joiada nivoaka ny zanakalahin’ ny mpanjaka ka nosatrohany ny satro-boninahitra izy, dia notolorany ny Vavolombelona; ka dia nampanjakainy sy nohosorany izy, ary ny olona nitehaka ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!Select 2 Kings 11:12

13Ary nony ren’ i Atalia ny tabataban’ ny mpiambina sy ny vahoaka, dia mba nankao amin’ ny vahoaka tao amin’ ny tranon’ i Jehovah izy.Select 2 Kings 11:13

14Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin’ ny fitoeran’ andriana toy ny fanao, ary ny andriandahy sy ny mpitsoka trompetra dia teo anilan’ ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra nifaly sady nampaneno ny trompetra; dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana!Select 2 Kings 11:14

15Fa Joiada mpisorona nandidy ny kapiteny, mpifehy ny miaramila, ka nanao taminy hoe: Avoahy eny ivelan’ ny laharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin’ ny sabatra. Fa ny mpisorona efa nandrara hoe Aza vonoina ao an-tranon’ i Jehovah izy.Select 2 Kings 11:15

16Ary ny olona nisava teo an-daniny roa, dia nandeha tamin’ ny lalana fandehanan’ ny soavaly ho any an-tranon’ ny mpanjaka ravehivavy; dia novonoiny tao izy.Select 2 Kings 11:16

17Ary Joiada nampanao fanekena ny mpanjaka sy ny vahoaka tamin’ i Jehovah, mba ho olon’ i Jehovah izy, ary nampifanaiky ny mpanjaka sy ny vahoaka koa.Select 2 Kings 11:17

18Ary ny vahoaka rehetra niditra tao an-tranon’ i Bala ka nandrava azy; ny alitara sy ny endri-javatra teo aminy dia notorotoroiny avokoa, ary Matana, mpisoron’ i Bala, novonoiny teo anoloan’ ny alitara. Ary ny mpisorona nanendry ny ho mpitandrina ny tranon’ i Jehovah.Select 2 Kings 11:18

19Ary nalainy ny kapiteny sy ny anjolofo sy ny mpiambina mbamin’ ny vahoaka rehetra ary nentina nidina avy tao an-tranon’ i Jehovah ny mpanjaka, ka teo am-bavahadin’ ny mpiambina no nalehany hankao an-tranon’ ny mpanjaka. Ary nipetraka tamin’ ny seza fiandrianan’ ny mpanjaka izy.Select 2 Kings 11:19

20Dia nifaly ny vahoaka rehetra, ary nandry fahizay ny tanàna Ary Atalia novonoiny tamin’ ny sabatra tao an-tranon’ ny mpanjaka.Select 2 Kings 11:20

Next: 2 Kings 12Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

2 Kings

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.