Skip to content
Church.wiki
2 Kings

2 Kings 12

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Fito taona Joasy fony izy vao nanjaka:Select 2 Kings 12:1

2Ary tamin’ ny taona fahafito nanjakan’ i Jeho no vao nanjaka izy; ary efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Zibia, avy any Beri-sheba.Select 2 Kings 12:2

3Ary Joasy nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah tamin’ ny androny rehetra izay nanoloran’ i Joiada mpisorona saina azy.Select 2 Kings 12:3

4Nefa kosa ny fitoerana avo tsy mba noravana; ary ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teo amin’ ny fitoerana avo ihany.Select 2 Kings 12:4

5Ary hoy Joasy tamin’ ny mpisorona: Ny vola amin’ ny zava-masìna rehetra izay nampidirina tao an-tranon’ i Jehovah, dia ny volan’ ny olona voaisa sy ny vola rehetra izay azo tamin’ ny tomban’ olona ary ny vola rehetra Izay nentin’ ny isan-olona an-tsitrapo ho ao an-tranon’ i Jehovah,Select 2 Kings 12:5

6aoka horaisin’ ny mpisorona amin’ ny olom-pantany avy izany ka hanamboarany ny simba amin’ ny trano, na amin’ inona na amin’ inona no hitany misy simba.Select 2 Kings 12:6

7Kanjo hatramin’ ny fahatelo amby roa-polo taona nanjakan’ i Joasy mpanjaka dia tsy mbola voavoatry ny mpisorona ihany ny simba tamin’ ny trano.Select 2 Kings 12:7

8Ka dia niantso an’ i Joiada mpisorona sy ny mpisorona sasany koa Joasy mpanjaka ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no tsy nanamboatra ny simba amin’ ny trano? Koa ankehitriny, aza mandray vola amin’ ny olom-pantatrareo intsony ianareo, fa omeo hanamboarana ny simba amin’ ny trano ny vola.Select 2 Kings 12:8

9Ary ny mpisorona nanaiky tsy handray vola amin’ ny olona intsony sady tsy hanamboatra ny simba amin’ ny trano.Select 2 Kings 12:9

10Fa Joiada mpisorona naka vata anankiray, dia noloahany ny rakony, ary napetrany teo anilan’ ny alitara tamin’ ny sisiny ankavanana eo am-pidirana amin’ ny tranon’ i Jehovah; dia nalatsaky ny mpisorona, mpiandry varavarana, tao ny vola rehetra izay nampidirina ho ao an-tranon’ i Jehovah.Select 2 Kings 12:10

11Ary rehefa hitany fa be ny vola tao am-bata, dia niakatra ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny mpisoronabe, ka nofonosiny ny vola izay hita tao an-tranon’ i Jehovah sady nisainy.Select 2 Kings 12:11

12Ary ny vola voalanja dia natolotr’ ireo ho eo an-tanan’ ny mpiraharaha, dia izay voatendry ny amin’ ny tranon’ i Jehovah; ary ireo kosa namoaka azy ho amin’ ny mpandrafitra sy ny mpanao trano izay nanamboatra ny tranon’ i JehovahSelect 2 Kings 12:12

13sy ho amin’ ny mpandatsa-bato sy ny mpipaika, ary hamidy hazo sy vato voapaika hanamboarana ny simba amin’ ny tranon’ i Jehovah sy holanina amin’ izay rehetra hanamboarana azy.Select 2 Kings 12:13

14Nefa tsy nisy lovia volafotsy, na antsy, na lovia famafazana, na trompetra, na izay fanaka volamena sy volafotsy na inona na inona, natao ho amin’ ny tranon’ i Jehovah tamin’ ny volafotsy nampidirina tao;Select 2 Kings 12:14

15fa nomeny ny mpiasa izany ka nentin’ ireo nanamboatra ny tranon’ i Jehovah.Select 2 Kings 12:15

16Ary tsy nampamoahiny ny olona izay notolorany ny vola homena ny mpiasa, fa nahatoky ireo.Select 2 Kings 12:16

17Fa ny vola natao fanati-panonerana sy fanatitra noho ny ota dia tsy mba nampidirina tao an-tranon’ i Jehovah, fa an’ ny mpisorona kosa izany.Select 2 Kings 12:17

18Ary tamin’ izany dia niakatra Hazaela, mpanjakan’ i Syria, ary namely an’ i Gata ka nahafaka azy; ary nizotra niakatra hamely an’ i Jerosalema koa izy.Select 2 Kings 12:18

19Ary Joasy, mpanjakan’ ny Joda, naka ny zavatra rehetra izay nohamasinin’ ny mpanjakan’ ny Joda razany, dia Josafata sy Jehorama sy Ahazia, mbamin’ ny zavatra nohamasinin’ ny tenany koa sy ny volamena rehetra hita tamin’ ny rakitra, na ny tao an-tranon’ i Jehovah, na ny tao an-tranon’ ny mpanjaka, ary nampitondrainy ho any amin’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria, izany; ka dia niverina tsy nankany Jerosalema Hazaela.Select 2 Kings 12:19

20Ary ny tantaran’ i Joasy sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?Select 2 Kings 12:20

21Ary nitsangana ny mpanompon’ i Joasy ka niodina taminy, dia namono azy tao an-trano Milo, ao am-pidinana mankany Sila.Select 2 Kings 12:21

22Fa Jozakara, zanak’ i Simata, sy Jozabada, zanak’ i Somera mpanompony namely azy ho faty; dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-tanànan’ i Davida izy; ary Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.Select 2 Kings 12:22

Next: 2 Kings 13Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

2 Kings

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.