Skip to content
Church.wiki
2 Kings

2 Kings 24

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Tamin’ ny andro nanjakan’ i Joiakima no niakaran’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ary nanoa azy telo taona Joiakima, dia nivadika ka niodina taminy.Select 2 Kings 24:1

2Ary Jehovah nampandeha ny miaramilan’ ny Kaldeana sy ny miaramilan’ ny Syriana sy ny miaramilan’ i Moaba ary ny miaramilan’ ny taranak’ i Amona hiady aminy: dia nampandehaniny hiady amin’ ny Joda ireo mba handrava azy araka ny tenin’ i Jehovah, izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony.Select 2 Kings 24:2

3Dia araka ny tenin’ i Jehovah ihany no nahatongavan’ izany tamin’ ny Joda, hanesorany azy tsy ho eo imasony noho ny fahotan’ i Manase tahaka izay rehetra nataonySelect 2 Kings 24:3

4sy noho ny rà marina izay nalatsany koa; fa nofenoiny rà marina Jerosalema; koa izany no tsy netezan’ i Jehovah hamela ny helony.Select 2 Kings 24:4

5Ary ny tantaran’ i Joiakima sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?Select 2 Kings 24:5

6Ary Joiakima lasa nodimandry any amin’ ny razany, ka Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.Select 2 Kings 24:6

7Ary ny mpanjakan’ i Egypta tsy nivoaka avy tany amin’ ny taniny intsony; fa lasan’ ny mpanjakan’ i Babylona izay rehetra an’ ny mpanjakan’ i Egypta hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta ka hatramin’ ny ony Eofrata.Select 2 Kings 24:7

8Valo ambin’ ny folo taona Joiakina, fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Nehosta, zanakavavin’ i Elnatana, avy any Jerosalema.Select 2 Kings 24:8

9Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon-drainy.Select 2 Kings 24:9

10Tamin’ izany andro izany no niakaran’ ny mpanompon’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, hamely an’ i Jerosalema, ary nataony fahirano ny tanàna.Select 2 Kings 24:10

11Dia tonga koa Nebokadnezera, mpanjakan’ i Babylona, hamely ny tanàna, raha mbola nanao fahirano azy ny mpanompony.Select 2 Kings 24:11

12Ary Joiakina, mpanjakan’ ny Joda, nivoaka nankany amin’ ny mpanjakan’ i Babylona, dia izy sy ny reniny ary ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin’ ny tandapany; ary nentin’ ny mpanjakan’ i Babylona izy tamin’ ny taona fahavalo nanjakany.Select 2 Kings 24:12

13Ary navoakan’ i Nebokadnezara avy tao ny rakitra rehetra tao an-tranon’ i Jehovah sy tao an-tranon’ ny mpanjaka, dia nendahany ny volamena rehetra izay nataon’ i Solomona, mpanjakan’ ny Isiraely, tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah, araka izay nolazain’ i Jehovah.Select 2 Kings 24:13

14Ary nentiny ho babo ny tao Jerosalema rehetra sy ny mpanapaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olona iray alina, mbamin’ ny mahay tao-zavatra rehetra sy ny mpanefy koa, ka tsy nisy sisa navelany afa-tsy izay tompon-tany faraidina.Select 2 Kings 24:14

15Ary nitondra an’ i Joiakina koa ho babo any Babylona izy; ary ny renin’ ny mpanjaka sy ny vadin’ ny mpanjaka sy ny tandapa sy ny lehilahy mahery amin’ ny tany dia nentiny ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona.Select 2 Kings 24:15

16Ary ny lehilahy mahery rehetra, dia fito arivo, ary ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy arivo lahy, izay samy mahery sy mahay miady, dia nentin’ ny mpanjakan’ i Babylona ho babo tany Babylona avokoa.Select 2 Kings 24:16

17Ary Matania, rahalahin-drainy, no notendren’ ny mpanjakan’ i Babylona ho mpanjaka hisolo an’ i Joiakina, ka novany hoe Zedekia no anarany.Select 2 Kings 24:17

18Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin’ i Jeremia, avy any Libna.Select 2 Kings 24:18

19Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon’ i Joiakima.Select 2 Kings 24:19

20Fa ny fahatezeran’ i Jehovah no nahatongavan’ izany tamin’ i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroakany azy tsy ho eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin’ ny mpanjakan’ i Babylona.Select 2 Kings 24:20

Next: 2 Kings 25Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

2 Kings

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.