2 Kings 6
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary hoy ireo zanaky ny mpaminany tamin’ i Elisa: Indro, tsy omby anay ny toerana izay itoeranay eto aminao.Select 2 Kings 6:1
2Masìna ianao, aoka hankany Jordana izahay, ka samy haka hazo iray avy any, dia hanao trano ho anay any mba hitoeranay. Ary hoy izy: mandehana ary ianareo.Select 2 Kings 6:2
3Fa hoy ny anankiray: Masìna ianao, aoka mba hiaraka amin’ ny mpanomponao ho any koa ianao. Ary izy namaly hoe: Handeha ihany aho.Select 2 Kings 6:3
4Ka dia niaraka taminy izy. Ary nony tonga tany Jordana ireo, dia nikapa hazo.Select 2 Kings 6:4
5Fa nony nikapa hazo ny anankiray, dia latsaka tany anaty rano ny lela-famaky; ka dia nitaraina hoe izy: Indrisy, tompoko, nindramina iny.Select 2 Kings 6:5
6Ary hoy ny lehilahin’ Andriamanitra: Taiza no nahalatsahany? Dia natorony azy izay nahalatsahany. Ary Elisa nanapaka hazo, ka natsipiny teo, dia nitsinkafona ilay lela-famaky.Select 2 Kings 6:6
7Ary hoy izy: Indro, raisonao izy. Dia narosony ny tànany, ka noraisiny.Select 2 Kings 6:7
8Ary ny mpanjakan’ i Syria niady tamin’ ny Isiraely ka nilaza tamin’ ny mpanompony hoe: Any Anonana no hitobiako.Select 2 Kings 6:8
9Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra kosa naniraka tany amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely nanao hoe: Tandremo fandrao mankany Ananona ianao; fa any no hidinan’ ny Syriana.Select 2 Kings 6:9
10Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely naniraka tany amin’ izay nolazain’ ny lehilahin’ Andriamanitra taminy sy nananarany azy, ka nampiambina tany tsy indray mandeha, na indroa aza.Select 2 Kings 6:10
11Dia sosotra indrindra ny fon’ ny mpanjakan’ i Syria noho izany zavatra izany; koa niantso ny mpanompony izy ary nanao taminy hoe: Tsy hambaranareo ahy va izay eto amintsika momba ny mpanjakan’ ny Isiraely?Select 2 Kings 6:11
12Ary hoy ny mpanompony anankiray: Tsy misy, ry mpanjaka tompoko; fa Elisa mpaminany ao amin’ ny Isiraely ihany no milaza amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely na dia izay teny lazainao ao amin’ ny trano fandrianao aza.Select 2 Kings 6:12
13Ary hoy ny mpanjaka: Andeha, izahao izay itoerany mba hanirahako hisambotra azy. Ary nolazaina taminy hoe: Indro, ao Dotana izy.Select 2 Kings 6:13
14Ary dia nampandeha soavaly sy kalesy ary miaramila be ho any izy; ka tonga alina ireo ary nanodidina ny tanàna.Select 2 Kings 6:14
15Ary rehefa nifoha maraina koa ny zatovon’ ny lehilahin’ Andriamanitra ka nivoaka, dia, indreo, nisy miaramila sy soavaly ary kalesy manodidina ny tanàna. Dia hoy ilay zatovo taminy: Indrisy, tompoko! Ahoana no hataontsika?Select 2 Kings 6:15
16Ary hoy Elisa: Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.Select 2 Kings 6:16
17Ary Elisa nivavaka hoe: Jehovah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny mason’ ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an’ i Elisa.Select 2 Kings 6:17
18Dia nidina nankany aminy ireo, ary Elisa nivavaka tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Mifona aminao aho, ataovy manjambena ireto olona ireto. Ary dia nataony manjambena ireo araka ny tenin’ i Elisa.Select 2 Kings 6:18
19Ary hoy Elisa taminy: Tsy ity no lalana, ary tsy ity no tanàna; fa manaraha ahy ianareo, dia hitondra anareo ho any amin’ ny lehilahy tadiavinareo aho. Dia nentiny nankany Samaria ireo.Select 2 Kings 6:19
20Ary rehefa tonga tany Samaria izy ireo, dia hoy Elisa: Jehovah ô, ampahirato ny mason’ ireto mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny masony, dia nahita izy; ka, indro, tao afovoan’ i Samaria izy.Select 2 Kings 6:20
21Ary nony nahita azy ny mpanjakan’ ny Isiraely, dia hoy izy tamin’ i Elisa: Ry ikaky ô, hasiako va izy? Hasiako va izy?Select 2 Kings 6:21
22Fa izy namaly hoe: Aza asianao izy; moa asianao izay nobaboinao tamin’ ny sabatrao sy ny tsipìkanao? Rosoy mofo sy rano eo anoloany mba hohaniny sy hosotroiny ary handehanany any amin’ ny tompony.Select 2 Kings 6:22
23Dia nanao fanasana lehibe ho azy ny mpanjaka; ary rehefa nihinana sy nisotro ireo, dia nampandehaniny, ary dia nankany amin’ ny tompony izy. Koa dia tsy nankany amin’ ny tanin’ ny Isiraely intsony ny mpitoha adin’ i Syria.Select 2 Kings 6:23
24Ary rehefa afaka izany, Beni-hadada, mpanjakan’ i Syria, namory ny miaramilany rehetra, dia niakatra ka nanao fahirano an’ i Samaria.Select 2 Kings 6:24
25Dia nisy mosary mafy tany Samaria; fa indro, nanao fahirano azy ireo mandra-pahatongan’ ny loham-boriky ho lafo sekely valo-polo sy ny taim-boromailala ampahefatry ny kaba ho sekely dimy.Select 2 Kings 6:25
26Ary raha nitsangantsangana teny ambonin’ ny manda ny mpanjakan’ ny Isiraely, dia nisy vehivavy nitaraina taminy hoe: Vonjeo aho, ry mpanjaka tompoko.Select 2 Kings 6:26
27Ary hoy ny mpanjaka: Raha tsy vonjen’ i Jehovah ianao, aiza no hamonjeko anao? Amin’ ny famoloana va, sa amin’ ny famiazam-boaloboka?Select 2 Kings 6:27
28Ary hoy koa ny mpanjaka taminy: Inona ary no alahelonao? Ary ravehivavy namaly hoe: Hoy ity vehivavy ity tamiko: Aiza ny zanakao hohanintsika anio, ary ny zanako kosa hohanintsika rahampitso.Select 2 Kings 6:28
29Ka dia nandrahoinay ny zanako ka nohaninay; ary nony ampitso, dia hoy izaho taminy: Aiza kosa ny zanakao mba hohanintsika? kanjo nafeniny ny zanany.Select 2 Kings 6:29
30Ary nony nandre ny tenin-dravehivavy ny mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany; ary nitsangantsangana teny ambonin’ ny manda izy, ka hitan’ ny olona fa, indro lamba fisaonana no nataony manolo-koditra.Select 2 Kings 6:30
31Dia hoy izy: Hataon’ Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hotapahina anio ny lohan’ i Elisa, zanak’ i Safata.Select 2 Kings 6:31
32Fa Elisa nipetraka tao an-tranony, ary ny loholona nipetraka tao aminy; ary ny mpanjaka naniraka olona avy teo aminy; fa raha tsy mbola tonga tany amin’ i Elisa iny iraka iny, dia hoy izy tamin’ ny loholona: Hitanareo va ny nanirahan’ ity zanaky ny mpamono olona ity hanapaka ny lohako? Izahao, ka raha avy ny iraka, dia arindrino ny varavarana, ary atoseho mafy hisakana azy; tsy eo aoriany koa va ny fingadongadon’ ny tongotry ny tompony?Select 2 Kings 6:32
33Ary raha mbola niresaka taminy izy, indro, nidina nankao aminy ny iraka ka nanao hoe: Indro, izao loza izao avy amin’ i Jehovah; ka inona intsony no anantenako an’ i Jehovah?Select 2 Kings 6:33
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation