Skip to content
Church.wiki
Lamentations

Lamentations 4

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Indrisy! efa matromatroka ny volamena; Efa niova ny tena volamena tsara! Ny vato nohamasinina dia efa nahahany eny an-joron-dalambe rehetra eny.Select Lamentations 4:1

2Indrisy! ny zanaka mahafinaritr’ i Ziona, izay saro-bidy tahaka ny tena volamena, dia efa atao ho toy ny siny, asan-tànan’ ny mpanefy tanimanga!Select Lamentations 4:2

3Na dia ny amboadia aza dia manolotra nono hampinonoany ny zanany; Fa ny oloko zanakavavy kosa dia efa masiaka toy ny ostritsa any an-efitra.Select Lamentations 4:3

4Ny lelan’ ny zaza minono miraikitra amin’ ny lanilaniny noho ny hetaheta; Ny ankizy madinika mangataka hanina, nefa tsy misy mizara ho azy.Select Lamentations 4:4

5Izay nihinana zava-py dia mahantra eny an-dalambe; Izay notezaina tamin’ ny jaky dia mandamaka eny amin’ ny zezika.Select Lamentations 4:5

6Fa ny heloky ny oloko zanakavavy dia lehibe noho ny helok’ i Sodoma, Izay noravana indray mipi-maso monja, nefa tsy nokasihin-tanana akory,Select Lamentations 4:6

7Ny lehibeny dia mangatsakatsaka noho ny fanala, eny, fotsy noho ny ronono; Mena noho ny voahangy ny tenany; Tahaka ny vato safira ny endriny.Select Lamentations 4:7

8Fa izao kosa dia mainty noho ny arina ny tarehiny, ka tsy fantatra eny an-dalana izy; Ny hodiny miraikitra amin’ ny taolany ka tonga maina toy ny hazo.Select Lamentations 4:8

9Tsara ny matin-tsabatra noho ny maty mosary; Fa ireto dia mihareraka toy ny voatrobaka noho ny tsi-fisian’ ny vokatry ny saha.Select Lamentations 4:9

10Ny tanan’ ny vehivavy malemy fanahy aza dia nahandro ny zanany: Eny, izany no nohaniny tamin’ ny fandringanana ny oloko zanakavavy.Select Lamentations 4:10

11Tanterahin’ i Jehovah ny fahavinirany, naidiny ny fahatezerany mirehitra, ary Izy nampirehitra afo tao Ziona, handevonana ny fanorenany.Select Lamentations 4:11

12Ny mpanjakan’ ny tany sy ny mponina rehetra amin’ izao tontolo izao dia tsy nanampo fa ny rafilahy sy ny fahavalo no ho tafiditra ao amin’ ny vavahadin’ i Jerosalema.Select Lamentations 4:12

13Noho ny fahotan’ ny mpaminany sy ny heloky ny mpisorony, izay nandatsaka ny ran’ ny marina tao aminy, no nahatongavan’ izao.Select Lamentations 4:13

14Niraparapa toy ny jamba teny an-dalambe izy, sady voahosin-drà ny tenany, ka tsy nisy sahy nikasika ny akanjony.Select Lamentations 4:14

15Ny olona niantsoantso azy hoe: Mialà ianareo, fa maloto, mialà, mialà, aza mikasika anay. Raha nandositra sy niraparapa izy, dia hoy ny olona tany amin’ ny jentilisa: Tsy mahazo mivahiny atỳ intsony ireny.Select Lamentations 4:15

16Ny fahatezeran’ i Jehovah no nampihahakahaka azy, ary tsy mijery azy intsony Izy; Ny mpisorona tsy hajain’ ireny, ary ny antitra tsy amindrany fo.Select Lamentations 4:16

17Mbola pahina ny masonay miandry foana ny hamonjy anay; Nitazana teo amin’ ny tilikambo izahay nanantena ny firenena izay tsy nahavonjy anay.Select Lamentations 4:17

18Mitsongo-dia anay izy, ka tsy mahazo mandeha eny an-dalambe aza izahay; Akaiky ny fara-fiainanay, tapitra ny andronay, eny, tonga ny fara-fiainanay.Select Lamentations 4:18

19Ny mpanenjika anay dia haingam-pandeha noho ny voromahery eny amin’ ny lanitra, ka miolomay manenjika anay any an-tendrombohitra ary manotrika anay any an-efitra izy.Select Lamentations 4:19

20Ny fofonainay, ilay voahosotr’ i Jehovah, dia efa voafandriky ny longoany, dia ilay nataonay hoe: Ao ambanin’ ny alokalony no hahavelona anay any amin’ ny firenena.Select Lamentations 4:20

21Mifalia sy miraveravoa ihany ary, ry Edoma zanakavavy, izay monina any amin’ ny tany Oza, ianao koa no horosoana ny kapoaka, ka ho mamo sy hitanjaka ianao.Select Lamentations 4:21

22Tsy misy intsony ny helokao, ry Ziona zanakavavy, tsy ho entina ho babo intsony ianao; Hamaly anao Izy, ry Edoma zanakavavy, noho ny helokao ka hampiseho ny fahotanao.Select Lamentations 4:22

Next: Lamentations 5Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Lamentations

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.