Lamentations 5
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Jehovah ô, tsarovy izay nanjo anay; Hevero sy diniho ny latsa mahazo anay.Select Lamentations 5:1
2Ny lovanay dia afindra ho an’ ny vahiny ary ny tranonay ho an’ ny hafa firenena.Select Lamentations 5:2
3Efa kamboty izahay ka tsy manan-dray, ny reninay dia toy ny mpitondra-tena.Select Lamentations 5:3
4Na dia ny loharanonay aza dia andoavanay vola vao azonay isotroana, ary ny kitay hazonay dia vidinay vao azo.Select Lamentations 5:4
5Rambondrambonan’ ny mpanenjika amin’ ny hatokay izahay; Reraka izahay fa tsy manam-pitsaharana.Select Lamentations 5:5
6Nanolo-tanana tamin’ ny Egyptiana sy ny Asyriana izahay mba ho voky hanina.Select Lamentations 5:6
7Nanota ny razanay tsy etỳ intsony izy; Ary izahay no mivesatra ny helony.Select Lamentations 5:7
8Andevo no manapaka anay; Tsy misy manafaka anay amin’ ny tànany.Select Lamentations 5:8
9Noho ny sabatra mamely any an-efitra dia manao vy very ny ainay izahay vao mahazo hanina.Select Lamentations 5:9
10Mahamay toy ny fatana ny hodi-tray noho ny fahamaimaizana avy amin’ ny mosary.Select Lamentations 5:10
11Nosavihina ny vehivavy tao Ziona ary ny virijina tao amin’ ny tanànan’ ny Joda.Select Lamentations 5:11
12Nahantona tamin’ ny tànany ny lehibe; Ary ny antitra tsy mba nohajaina.Select Lamentations 5:12
13Ny zatovo nitondra ny fikosoham-bary; Ary ny ankizy madinika nivembena nitondra ny hazo.Select Lamentations 5:13
14Ny loholona tsy misy eo am-bavahady, ary ny zatovo tsy mitendry zava-maneno intsony.Select Lamentations 5:14
15Ny hafalian’ ny fonay dia nitsahatra, ary ny dihinay niova ho fitomaniana.Select Lamentations 5:15
16Efa afaka ny satro-boninahitra tamin’ ny lohanay; Idiran-doza izahay, fa efa nanota!Select Lamentations 5:16
17Ary noho izany dia reraka ny fonay, eny, noho izany dia maizina ny masonay,Select Lamentations 5:17
18Noho ny amin’ ny tendrombohitra Ziona, izay efa lao sady ikarenjen’ ny amboahaolo.Select Lamentations 5:18
19Jehovah ô, ianao no mipetraka mandrakizay, eny, ny seza fiandriananao no maharitra hatramin’ ny taranaka fara mandimby.Select Lamentations 5:19
20Ahoana no dia anadinoanao anay mandrakizay sy ahafoizanao anay andro lava?Select Lamentations 5:20
21Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay.Select Lamentations 5:21
22Moa dia nandà anay tokoa va Hianao sy tezitra aminay indrindra?Select Lamentations 5:22
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation