Skip to content
Church.wiki
Jeremiah

Jeremiah 10

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Henoy ny teny izay lazain’ i Jehovah aminareo, ry taranak’ Isiraely!Select Jeremiah 10:1

2Izao no lazain’ i Jehovah: Aza mianatra ny fanaon’ ny jentilisa; Ary aza matahotra ireo famantarana eny amin’ ny lanitra; Fa ny jentilisa no matahotra izany.Select Jeremiah 10:2

3Fa ny fanaon’ ny firenena dia zava-poana; Fa hazo nokapaina tany an’ ala ireny, dia asan-tànan’ ny mpiasa amin’ ny famaky;Select Jeremiah 10:3

4Volafotsy sy volamena no an-dravahany azy, ary hombo sy tantanana no entiny manamafy azy, mba tsy hihetsiketehany.Select Jeremiah 10:4

5Toy ny hazo voasana ho sari-drofia izy, fa tsy mahateny; Ary entina ihany izy, fa tsy mba afa-mandeha; Aza matahotra azy, fa tsy mahatonga loza izy sady tsy mahay manisy soa.Select Jeremiah 10:5

6Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, Jehovah ô; Lehibe Hianao, ary lehibe amin’ ny hery ny anaranao.Select Jeremiah 10:6

7Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan’ ny firenena! Fa Hianao no iendrehan’ izany, eny, amin’ ny hendry rehetra amin’ ny firenena sy amin’ ny fanjakany rehetra dia tsy misy tahaka Anao.Select Jeremiah 10:7

8Fa ketrina sy adala avokoa izy rehetra; He! fananaram-poana! fa tapa-kazo ihany.Select Jeremiah 10:8

9Volafotsy voafisaka nalaina avy tany Tarsisy sy volamena avy tany Ofaza Izany, asan-tanan’ ny mpiasa sy ny mpanefy volamena; Lamba manga sy volomparasy ny fitafiany; Asan’ ny mahay zavatra izy rehetra.Select Jeremiah 10:9

10Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay. Izay mampihorohoro ny tany amin’ ny fahatezerany, ka tsy tantin’ ny firenena ny fahaviniranySelect Jeremiah 10:10

11(Izao no holazainareo amin’ ireny; Ny amin’ ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia ho levona tsy ho amin’ ny tany na ho atỳ ambanin’ ny lanitra ireny)Select Jeremiah 10:11

12Dia Ilay nanao ny tany tamin’ ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin’ ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin’ ny fisainany.Select Jeremiah 10:12

13Raha mampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia mampiakatra fofona avy any amin’ ny faran’ ny tany; Manao ny helatra ho amin’ ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin’ ny firaketany.Select Jeremiah 10:13

14Efa ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina noho ny sarin-javatra voasokitra ny mpanefy volamena rehetra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina, sady tsy misy fofon’ aina ao aminy.Select Jeremiah 10:14

15Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; Amin’ ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.Select Jeremiah 10:15

16Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran’ i Jakoba; Fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely no firenena lovany; Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.Select Jeremiah 10:16

17Angony ny korontan’ entanao, ka ento hiala amin’ ny tany, ry ilay mipetraka ao amin’ ny haterena!Select Jeremiah 10:17

18Fa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hatorako ho indray misidina toy ny vaton’ antsamotady ny mponina amin’ ny tany, ary hataoko terỳ izy mba hahitany.Select Jeremiah 10:18

19Mahita loza aho, fa torotoro! Tsy azo sitranina ny feriko; Nefa hoy Izaho: Anjara-fahoriako izao, ka dia hozakaiko ihany.Select Jeremiah 10:19

20Rava ny laiko, ary tapaka avokoa ny kofehin-daiko; Lasa ny zanako, ka tsy misy intsony, eny, tsy misy hamelatra ny laiko intsony na hanantona ny ambain-daiko.Select Jeremiah 10:20

21Fa efa ketrina ny mpiandry ondry ka tsy mitady an’ i Jehovah; Izany no tsy mahahendry azy, ka dia miely ny ondry andrasany rehetra.Select Jeremiah 10:21

22Injany! misy siosion-teny hoe: Indro, tamy izy amin’ ny fihorakorahana be avy any amin’ ny tany avaratra mba hahatonga ny tanànan’ ny Joda ho lao sy ho fonenan’ ny amboadia.Select Jeremiah 10:22

23Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ ny olombelona ny lalan-kalehany, na an’ ny mpandeha ny hahalavorary ny dianySelect Jeremiah 10:23

24Jehovah ô, anaro aho, nefa araka ny antonony ihany, fa tsy amin’ ny fahatezeranao, fandrao hataonao tonga tsinontsinona aho.Select Jeremiah 10:24

25Aidino amin’ ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, dia amin’ ny taranaka Izay tsy miantso ny anaranao. Fa efa nihinana an’ i Jakoba ireo, eny, nihinana sy nahalevona azy ary nahalao ny fonenany.Select Jeremiah 10:25

Next: Jeremiah 11Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Jeremiah

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.