Skip to content
Church.wiki
Jeremiah

Jeremiah 17

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ny fahotan’ ny Joda dia voasoratra tamin’ ny fanoratana sy tamin’ ny diamondra fanoratana; voasoratra ao am-pony tahaka ny amin’ ny vato fisaka sy eo amin’ ny tandroky ny alitarany izany,Select Jeremiah 17:1

2Dia amin’ izay hahatsiarovan’ ny zanany ny alitarany sy ny Aserahany, akaikin’ ny hazo maitso, ambonin’ ny havoana andrandraina.Select Jeremiah 17:2

3Ry tendrombohitro any an-tsaha, ny fanananao sy ny rakitrao rehetra dia hatolotro ho babo, eny, na dia ny fitoerana avonao koa aza noho ny fahotana tao anatin’ ny faritaninao rehetra.Select Jeremiah 17:3

4Ary avy amin’ ny tenanao ihany no mahatonga ny hamoizanao ny lovanao izay nomeko anao; Ary hampanompoiko ny fahavalonao any amin’ ny tany izay tsy fantatrao ianao; Fa narehitrareo ny afon’ ny fahatezerako, izay hirehitra mandrakizay.Select Jeremiah 17:4

5Izao no lazain’ i Jehovah: ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin’ i Jehovah ny fony.Select Jeremiah 17:5

6Fa ho tahaka ny olona mahantra any an-tani-hay izy ka tsy mba hahita, na dia avy aza ny soa; Fa honina any amin’ ny tany karankaina any an-efitra, dia any amin’ ny tany sira izay tsy onenana.Select Jeremiah 17:6

7Hotahina izay olona matoky an’ i Jehovah, dia izay manana an’ i Jehovah ho tokiny.Select Jeremiah 17:7

8Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan’ ny rano mandeha, ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso ny raviny, ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro, fa tsy hitsahatra ny famoany.Select Jeremiah 17:8

9Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; Iza moa no mahafantatra ny aminy?Select Jeremiah 17:9

10Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asanySelect Jeremiah 17:10

11Toy ny tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, dia toy izany izay mahazo harena tsy amin’ ny rariny: Handao azy amin’ ny an-tenatenan’ androny izany, ka ho adala no farany.Select Jeremiah 17:11

12Seza fiandrianana be voninahitra sady avo hatramin’ ny voalohany ny fitoera-masintsika.Select Jeremiah 17:12

13Ry Jehovah, Fanantenan’ ny Isiraely ô! Ho menatra izay rehetra mahafoy Anao, ary hosoratana amin’ ny vovoka izay miala aminao, satria izy efa nahafoy an’ i Jehovah, loharano velona.Select Jeremiah 17:13

14Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana; Vonjeo aho, dia ho voavonjy; Fa Hianao no fiderako.Select Jeremiah 17:14

15Indro, ireo dia manao amiko hoe: Aiza ny tenin’ i Jehovah? Aoka ho tanteraka izany.Select Jeremiah 17:15

16Fa izaho tsy nihifikifika niala tsy ho mpiandry manaraka Anao; Ary ny andro hihavian’ ny loza dia tsy nohaikaiko, eny, fantatrao izany; Izay efa nivoaka tamin’ ny molotro dia miharihary eo anatrehanao.Select Jeremiah 17:16

17Enga anie ka tsy ho fampitahorana ahy Hianao! Aroko amin’ ny andro fahoriana Hianao!Select Jeremiah 17:17

18Aoka ho menatra izay manenjika ahy, fa izaho kosa aoka tsy mba ho menatra; Aoka hivadi-po ireo, fa izaho kosa aoka tsy mba hivadi-po; Ataovy tonga aminy ny andro fahoriana, ary ny fahatorotoroana roa heny no anorotoroy azy.Select Jeremiah 17:18

19Izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Mandehana ka mitsangàna eo amin’ ny vavahadim-bahoaka, dia ilay fandehanan’ ny mpanjakan’ ny Joda miditra sy mivoaka, ary eo amin’ ny vavahady rehetra eto JerosalemaSelect Jeremiah 17:19

20ka lazao amin’ ny olona hoe: Henoinareo ny tenin’ i Jehovah ry mpanjakan’ ny Joda sy ry Joda rehetra ary ianareo mponina rehetra eto Jerosalema, izay miditra amin’ ireto vavahady ireto.Select Jeremiah 17:20

21Izao no lazain’ i Jehovah: Tandremo ny fanahinareo, ka aza mitondrantana amin’ ny andro Sabata, ary aza mampiditra entana: amin’ ny vavahadin’ i Jerosalema;Select Jeremiah 17:21

22ary aza mitondra entana mivoaka avy amin’ ny tranonareo amin’ ny andro Sabata, na manao raharaha akory; fa hamasino ny andro Sabata araka izay efa nandidiako ny razanareo.Select Jeremiah 17:22

23Nefa tsy nihevitra izy, na nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony mba tsy hihaino na hino anatra.Select Jeremiah 17:23

24Ary raha mihaino Ahy tokoa ianareo hoy Jehovah, ka tsy mampiditra entana amin’ ny vavahadin’ ity tanàna ity amin’ ny andro Sabata, ka tsy manao raharaha amin’ izany,Select Jeremiah 17:24

25izay mpanjaka sy mpanapaka mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida dia hiditra amin’ ny vavahadin’ ity tanàna ity mitaingina kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanapaka sy ny Joda ary ny mponina eto Jerosalema, ka honenana mandrakizay ity tanàna ity.Select Jeremiah 17:25

26Ary ho avy ny olona avy amin’ ny tanànan’ ny Joda sy ny manodidina an’ i Jerosalema sy ny tanin’ ny Benjamina sy ny tany lemaka amoron-tsiraka sy ny tany havoana ary ny tany atsimo ka hitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ary fanatitra hohanina sy ditin-kazo mani-pofona ary hitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon’ i Jehovah.Select Jeremiah 17:26

27Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy manamasìna ny andro Sabata, fa mitondra entana miditra amin’ ny vavahadin’ i Jerosalema ihany amin’ ny andro Sabata, dia handrehitra afo tsy mety maty eo am-bavahadiny Aho handevonana ny tranobe eto Jerosalema.Select Jeremiah 17:27

Next: Jeremiah 18Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Jeremiah

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.