Skip to content
Church.wiki
Jeremiah

Jeremiah 18

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah:Select Jeremiah 18:1

2Mitsangàna, ka midìna ho any amin’ ny tranon’ ny mpanefy tanimanga, ary any no hampandrenesako anao ny teniko.Select Jeremiah 18:2

3Dia nidina tany amin’ ny tranon’ ny mpanefy tanimanga aho, ary, indro, nanao ny asany teo amin’ ny ankodina fanaovana izy.Select Jeremiah 18:3

4Ary raha simba ny vilany ataony araka izay mazàna miseho amin’ ny tanimanga eny an-tànan’ ny mpanefy dia ataony vilany hafa indray, araka izay tian’ ny mpanefy tanimanga hanaovana azy.Select Jeremiah 18:4

5Dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah hoe:Select Jeremiah 18:5

6Moa tsy mahazo manao aminareo toy ny ataon’ ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak’ i Isiraely? hoy Jehovah. Indro, toy ny tanimanga eo an-tanan’ ny mpanefy azy, dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry taranak’ Isiraely.Select Jeremiah 18:6

7Vetivety Aho dia milaza firenena sy fanjakana hongotako sy hazerako ary horavako;Select Jeremiah 18:7

8Nefa raha miala amin’ ny ratsy izany firenena noteneniko izany, dia hanenenako kosa ny loza izay nokasaiko hamelezako azy.Select Jeremiah 18:8

9Ary vetivety kosa Aho dia milaza firenena sy fanjakana haoriko sy hamboleko;Select Jeremiah 18:9

10Nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko, dia hanenenako kosa ny soa izay nolazaiko hanasoavako azy.Select Jeremiah 18:10

11Koa amin’ izany, lazao amin’ ny Joda sy amin’ ny mponina eto Jerosalema hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, Izaho mamorona loza hihatra aminareo ary mihevitra izay hamelezako anareo; Koa samia miala amin’ ny lalany ratsy avy ianareo, ary ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo.Select Jeremiah 18:11

12Nefa hoy ireo: Kivy izahay izany! Fa mbola hanaraka ny hevitray ihany izahay, eny, samy hanao araka ny ditry ny fo ratsinay avy izahay rehetra.Select Jeremiah 18:12

13Koa izao no lazain’ i Jehovah: anontanio any amin’ ny jentilisa hoe: Iza no nandre zavatra toy izany? Zavatra mahatsiravina indrindra no nataon’ Isiraely virijina.Select Jeremiah 18:13

14Hitsahatra tsy ho eo amin’ ny vatolampy any an-tsaha va ny oram-panalan’ i Libanona, ary mety ho ritra va ny rano maria sady mangatsiaka avy amin’ ny tany hafa?Select Jeremiah 18:14

15Fa efa nanadino Ahy ny oloko, ka ho an’ ny sampy no nandoroany ditin-kazo manitra; Ary nanafintohina azy teo amin’ ny lalany ireny; dia ny lalana fahagola, handehanany amin’ ny sakeli-dalana madinika, dia amin’ ny lalana tsy voavoatra,Select Jeremiah 18:15

16Mba hahatonga ny taniny ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra mandrakizay; Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga sy hihifikifi-doha.Select Jeremiah 18:16

17Toy ny fampielin’ ny rivotra avy any atsinanana no hampielezako azy eo anoloan’ ny fahavalony; Hiamboho azy Aho, fa tsy hanatrika azy, amin’ ny andro hahitany loza.Select Jeremiah 18:17

18Dia hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an’ i Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny lalàna avy amin’ ny mpisorona, na ny saina avy amin’ ny hendry, na ny teny avy amin’ ny mpaminany. Aoka ny vavantsika ho enti-mamely azy, ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny.Select Jeremiah 18:18

19Mihainoa ahy, Jehovah ô; Ary mihainoa ny tenin’ izay miady amikoSelect Jeremiah 18:19

20Ratsy va no havaly ny soa? Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy ireo. Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao nitaraina ho azy hampiala ny fahatezeranao aminy.Select Jeremiah 18:20

21Koa aoka ho mosarena ny zanany, ary atolory ho amin’ ny herin’ ny sabatra izy, ka ho foana anaka ny vadiny sady ho tonga mpitondratena; Ary aoka ny lehilahy lehibe aminy haripaky ny aretina, ary ny zatovony ho fatin-tsabatra amin’ ny ady.Select Jeremiah 18:21

22Aoka hisy fidradradradrana ho re ao an-tranony, raha mitondra miaramila iray toko any aminy tampoka Hianao; Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy izy sady nanafim-pandrika haningorana ny tongotro.Select Jeremiah 18:22

23Fa Hianao, Jehovah ô, no mahalala ny fisainana rehetra ataony hamelezany ahy ho faty; Aza avela ny helony; Ary aza vonoina tsy ho eo imasonao ny fahotany, fa aoka ho solafaka eo anatrehanao izy; Mameleza azy amin’ ny andro fahatezeranao.Select Jeremiah 18:23

Next: Jeremiah 19Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Jeremiah

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.