Skip to content
Church.wiki
Jeremiah

Jeremiah 19

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Izao no lazain’ i Jehovah: Andeha mividy tavoara tanimanga, ary makà anti-panahy amin’ ny vahoaka sy anti-panahy amin’ ny mpisorona,Select Jeremiah 19:1

2dia mivoaha ho any amin’ ny Lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, izay eo anoloan’ ny vavahady Harsota, ary torio eo ny teny izay holazaiko aminao,Select Jeremiah 19:2

3ka ataovy hoe: Mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ry mpanjakan’ ny Joda sy ry mponina ato Jerosalema! Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hahatonga loza amin’ ity tanàna ity Aho izay mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofinySelect Jeremiah 19:3

4satria efa nahafoy Ahy izy ka nahatonga ity tanàna ity ho hafahafa, fa nandoro ditin-kazo manitra tato ho an’ andriamani-kafa, izay tsy fantany, na fantatry ny razany, na ny mpanjakan’ ny Joda, sady efa nameno ran’ ny marina ity tanàna itySelect Jeremiah 19:4

5ary nanorina ny fitoerana avo ho an’ i Bala handoroany ny zanany ho fanatitra dorana ho an’ i Bala, izay tsy nandidiako, na nolazaiko, na tao an-tsaiko akory aza.Select Jeremiah 19:5

6Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana ity fitoerana ity intsony hoe Tofeta, na Lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa.Select Jeremiah 19:6

7Ary hofoanako amin’ ity tanàna ity ny fisainan’ ny Joda sy Jerosalema, ka hataoko lavon-tsabatra eo anoloan’ ny fahavalony sy amin’ ny tànan’ izay mitady ny ainy izy; ary ny fatiny dia homeko ho fihinan’ ny voro-manidina sy ny bibi-dia.Select Jeremiah 19:7

8Ary ity tanàna ity dia hataoko ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra, ka izay rehetra mandalo azy dia ho gaga sady hisitrisitra noho ny loza rehetra efa namelezana azy.Select Jeremiah 19:8

9Ary hampihinaniko ny nofon’ ny zananilahy sy ny nofon’ ny zananivavy izy, ary samy hihinana ny nofon’ ny namany avy izy eo amin’ ny fahirano sy ny fahaterena, izay haneren’ ny fahavalony sy izay mitady ny ainy azy.Select Jeremiah 19:9

10Dia torotoroy eo imason’ ny olona izay miaraka aminao ilay tavoara,Select Jeremiah 19:10

11ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Toy izao no hanorotoroako ity firenena sy ity tanàna ity, dia toy ny famakin’ ny mpanefy tanimanga ny vilany tany, ka tsy azo atambatra intsony; ary any Tofeta aza no handevenany noho ny tsi-fisian-tany hafa handevenana.Select Jeremiah 19:11

12Dia toy izany no hataoko amin’ ity tanàna ity sy amin’ izay mponina ato, ka dia hatao tahaka an’ i Tofeta ity tanàna ity, hoy Jehovah.Select Jeremiah 19:12

13Ary ny tranon’ i Jerosalema sy ny tranon’ ny mpanjakan’ ny Joda dia ho tonga maloto tahaka an’ i Tofeta, dia ny trano rehetra izay nandoroany ditin-kazo manitra teo an-tampony ho an’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra sy nanidinany fanatitra aidina ho an’ izay andriamani-kafa.Select Jeremiah 19:13

14Ary Jeremia dia tonga avy tany Tofeta, izay nanirahan’ i Jehovah azy haminany, ka nitsangana teo amin’ ny kianjan’ ny tranon’ i Jehovah izy, dia nanao tamin’ ny vahoaka rehetra hoe:Select Jeremiah 19:14

15Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hataoko mihatra amin’ ity tanàna ity sy amin’ ny zana-bohiny rehetra ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy noho ny nanamafiany ny hatony tsy hihainoany ny teniko.Select Jeremiah 19:15

Next: Jeremiah 20Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Jeremiah

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.