Jeremiah 22
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Izao no lazain’ i Jehovah: Midìna any amin’ ny tranon’ ny mpanjakan’ ny Joda, ka lazao any izao teny izao hoe:Select Jeremiah 22:1
2Henoy ny tenin’ i Jehovah, ry mpanjakan’ ny Joda, izay mipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida, dia ianao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao izay miditra amin’ ireto vavahady ireto:Select Jeremiah 22:2
3Izao no lazain’ i Jehovah: Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo, ka afaho amin’ ny tanan’ ny mpampahory ny olona voaroba; ary aza mampahory na mampidi-doza amin’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, ary aza mandatsaka rà marina amin’ ity fitoerana ity.Select Jeremiah 22:3
4Fa raha mankatò izany teny izany tokoa ianareo, dia hisy mpanjaka mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida hiditra amin’ ity vavahady ity mitaingin-kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanompony ary ny vahoakany.Select Jeremiah 22:4
5Fa raha tsy hihaino izany teny izany kosa ianareo, dia ny tenako no ianianako, hoy Jehovah, fa ho lao tokoa ity trano ity.Select Jeremiah 22:5
6Fa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ny mpianakaviny: Tahaka an’ i Gileada sy ny tampon’ i Libanona amiko ianao, nefa hataoko tonga efitra sy tanàna tsy onenana.Select Jeremiah 22:6
7Ary hanendry mpandrava hamely anao Aho, Izay samy hitondra ny fiadiany avy; Dia hokapain’ ireo ny sederanao voafantina ka hariany ao anaty afo.Select Jeremiah 22:7
8Ary firenena maro no handalo ity tanàna ity, ka samy hanao amin’ ny namany avy hoe: Nahoana Jehovah no dia nanao izao tamin’ ity tanàna lehibe ity?Select Jeremiah 22:8
9Dia hovaliana hoe: Noho ny nahafoizany ny faneken’ i Jehovah Andriamaniny sy ny nivavahany tamin’ andriamani-kafa sy ny nanompoany ireny.Select Jeremiah 22:9
10Aza mitomany ny maty ianareo, na misaona azy; Mitomania dia mitomania noho ilay efa lasan-ko babo; Fa tsy hiverina intsony izy, na hahita ny tany nahaterahany.Select Jeremiah 22:10
11Fa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ i Saloma, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, dia ilay nanjaka nandimby an’ i Josia rainy, saingy efa niala tamin’ ity tany ity: Tsy hiverina atỳ intsony izy,Select Jeremiah 22:11
12Fa ho faty any amin’ ny tany izay nitondrana azy ho babo ka tsy hahita ity tany ity intsony.Select Jeremiah 22:12
13Lozan’ izay manorina ny tranony amin’ ny tsy rariny sy ny ati-tranony ambony amin’ ny fitaka ka mampiasa maina ny namany, fa tsy mandoa ny karamany,Select Jeremiah 22:13
14Sady manao hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho sy ati-trano ambony malalaka, ary holoahany hisy varavarankely sady hasiany valin-drihana sedera sy hohosorana loko mena.Select Jeremiah 22:14
15Moa dia ho mpanjaka ianao, saingy ataonao be sedera noho ny an’ ny sasany ny tranonao? Tsy efa nihinana sy nisotro va rainao sady nanao fitsarana sy fahamarinana? Tamin’ izany dia nambinina izy.Select Jeremiah 22:15
16Nitsara ny tenin’ ny ory sy ny malahelo izy; Tamin’ izany dia nambinina izy. Tsy izany va no fahalalana Ahy? hoy Jehovah.Select Jeremiah 22:16
17Nefa tsy misy alehan’ ny masonao sy ny eritreritrao afa-tsy ny filan-karena ihany sy ny fandatsahana rà marina ary ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny.Select Jeremiah 22:17
18Ary noho izany dia izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda: Ny olona tsy hisaona azy hoe: Indrisy, tompokolahy! na: Indrisy, tompokovavy! Ny olona tsy hitomany azy hoe: Indrisy, tompoko! na: Indrisy ny voninahiny!Select Jeremiah 22:18
19Halevina toy ny fandevina boriky izy, ka hotaritarihina sy hariana any ivelan’ ny vavahadin’ i Jerosalema.Select Jeremiah 22:19
20Miakara any Libanona, ka mitaraina; Dia asandrato any Basana ny feonao, ary mitaraina any Abarima; Fa ringana avokoa ireo tia anao.Select Jeremiah 22:20
21Efa niteny taminao Aho, fony ianao mbola nipetraka tsy nanana ahiahy; Nefa hoy ianao: Izaho tsy hihaino. Fanaonao hatry ny fony ianao mbola tanora ny tsy mihaino ny teniko.Select Jeremiah 22:21
22Ny mpitondra anao rehetra ho paohin’ ny rivotra, ary ireo tia anao ho lasan-ko babo, eny, ho menatra sy hangaihay tokoa ianao noho ny haratsianao rehetra.Select Jeremiah 22:22
23Ry ilay mponina any Libanona, izay manao ny akaninao eny amin’ ny sedera, indrisy ny fisentoanao, raha iharan’ ny faharariana ianao, toy ny fanaintainan’ ny vehivavy raha miteraka!Select Jeremiah 22:23
24Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, na dia ho peratra fanombohan-kase amin’ ny tanako ankavanana aza ianao, ry Jekonia, zanak’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, dia hotsoahako hiala eo ianao,Select Jeremiah 22:24
25Ka hatolotro eo an-tànan’ izay mitady ny ainao sy eo an-tànan’ izay atahoranao, dia eo an-tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy eo amin’ ny tanan’ ny Kaldeana.Select Jeremiah 22:25
26Ary ianao sy ny reninao niteraka anao dia hariako any an-tany hafa izay tsy nahaterahanareo, ka any no hahafatesanareo.Select Jeremiah 22:26
27Fa ny tany iriny hiverenana dia tsy hiverenany.Select Jeremiah 22:27
28Moa ity lehilahy Jekonia ity dia vilany vingavingaina sy efa hotorotoroina ary fanaka tsy mahafinaritra va? Koa nahoana no nariana izy sy ny taranany ka natsipy any amin’ ny tany tsy fantany?Select Jeremiah 22:28
29Ry tany! ry tany! ry tany! Henoy ny tenin’ i Jehovah.Select Jeremiah 22:29
30Izao no lazain’ i Jehovah Soratanareo ho tsy manam-para ity lehilahy ity, dia lehilahy tsy hambinina amin’ ny androny; Fa tsy hisy amin’ ny taranany izay hambinina Hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida, na hanapaka ao amin’ ny Joda intsonySelect Jeremiah 22:30
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation