Jeremiah 27
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Tamin’ ny niandohan’ ny nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, no nahatongavan’ izao teny izao tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah hoe:Select Jeremiah 27:1
2Izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Manaova famatorana sy zioga ianao, ka ataovy eo am-bozonao,Select Jeremiah 27:2
3ary ampanatero any amin’ ny mpanjakan’ i Edoma sy any amin’ ny mpanjakan’ i Moaba sy any amin’ ny mpanjakan’ ny taranak’ i Amona sy any amin’ ny mpanjakan’ i Tyro ary any amin’ ny mpanjakan’ i Sidona izany ho entin’ ny iraka izay mankaty Jerosalema ho atỳ amin’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda;Select Jeremiah 27:3
4ary asaovy lazainy amin’ ny tompony avy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Izao no holazainareo amin’ ny tomponareo:Select Jeremiah 27:4
5Izaho no nanao ny tany sy ny olona ary ny biby izay eo aminy tamin’ ny heriko lehibe sy tamin’ ny sandriko nahinjitra; ary efa nomeko ho an’ izay sitraky ny foko ny tany.Select Jeremiah 27:5
6Ary ankehitriny Izaho dia efa nanolotra ireto tany rehetra ireto ho eo an-tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, mpanompoko; eny, na dia ny bibi-dia aza dia efa nomeko hanompo azy koa.Select Jeremiah 27:6
7Ary ny firenena rehetra dia hanompo azy sy ny zanany ary ny zafiny ambara-pahatongan’ ny fotoana hamaliana ny tanin’ izy io kosa, ka hampanompoin’ ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe izy.Select Jeremiah 27:7
8Ary izay firenena na fanjakana tsy mety manompo an’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ary tsy mety mampiditra ny vozony eo amin’ ny ziogan’ ny mpanjakan’ i Babylona, dia hovaliako amin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izany firenena izany, hoy Jehovah, ambara-pandringako azy amin’ ny tànany.Select Jeremiah 27:8
9Ary aza mihaino ny mpaminaninareo ianareo, na ny mpanao fankatovanareo, na ny nofinareo, na ny mpanandronareo, na ny mpanana odinareo, izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan’ i Babylona ianareo.Select Jeremiah 27:9
10Fa lainga no vinanin’ ireo aminareo, mba hamindrana anareo ho lavitra ny taninareo, dia horoahiko ianareo ka ho ringana.Select Jeremiah 27:10
11Fa izay firenena mampiditra ny vozony eo amin’ ny ziogan’ ny mpanjakan’ i Babylona kosa ka manompo azy dia havelako hitoetra amin’ ny taniny ihany, hoy Jehovah, ka hiasa azy sady honina ao izy.Select Jeremiah 27:11
12Ary Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, koa dia efa nilazako araka izany teny rehetra izany hoe: Ampidiro eo amin’ ny ziogan’ ny mpanjakan’ i Babylona ny vozonareo, ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.Select Jeremiah 27:12
13Nahoana no ho fatin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ianareo, dia ianao mbamin’ ny vahoakanao, araka ny nolazain’ i Jehovah ny amin’ ny firenena izay tsy mety manompo ny mpanjakan’ i Babylona?Select Jeremiah 27:13
14Koa aza mihaino ny tenin’ ny mpaminany izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan’ i Babylona ianareo; fa lainga no vinanin’ ireo aminareo.Select Jeremiah 27:14
15Fa tsy naniraka azy Aho, hoy Jehovah, nefa manandoka ho mpaminany amin’ ny anarako ihany izy, mba handroahako anareo, ka ho lany ringana ianareo, dia ianareo sy ny mpaminany izay maminany aminareo.Select Jeremiah 27:15
16Ary ny mpisorona sy ity firenena rehetra ity dia efa nilazako hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Aza mihaino ny tenin’ ny mpaminaninareo, izay maminany aminareo hoe: Indro, ny fanaky ny tranon’ i Jehovah hampodina faingana avy any Babylona; fa lainga no vinaniny aminareo.Select Jeremiah 27:16
17Aza mihaino azy, fa manompoa ny mpanjakan’ i Babylona, dia ho velona ianareo; fa nahoana no ho rava ity tanàna ity?Select Jeremiah 27:17
18Fa raha mpaminany tokoa ireo, ary raha ao aminy tokoa ny tenin’ i Jehovah, dia aoka hifona amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, izy, mba tsy ho lasa ho any Babylona koa ny fanaka sisa ao an-tranon’ i Jehovah sy ao an-tranon’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ato JerosalemaSelect Jeremiah 27:18
19Fa izao ny lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ny amin’ ny andry sy ny tavin-drano lehibe sy ny fitoeran-tavin-drano ary ny amin’ ny fanaka hafa izay mbola sisa amin’ ity tanàna ity,Select Jeremiah 27:19
20dia izay tsy nalain’ i Nebokadnezara mpanjakan’ i Babylona, fony izy nitondra an’ i Jekonia, zanak’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona, mbamin’ ny manan-kaja rehetra amin’ ny Joda sy Jerosalema,Select Jeremiah 27:20
21eny, izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin’ ny fanaka izay sisa ao an-tranon’ i Jehovah sy ao an-tranon’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ato Jerosalema:Select Jeremiah 27:21
22Ho any Babylona no hitondrana ireo, sady hitoetra any izy ambara-pahatongan’ ny andro hamangiako azy, hoy Jehovah, dia vao ho entiko miakatra izy ka hampodiko amin’ ity tanàna ity.Select Jeremiah 27:22
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation