Jeremiah 28
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary tamin’ izany taona izany ihany, dia tamin’ ny niandohan’ ny nanjakan’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, tamin’ ny volana fahadimy tamin’ ny taona fahefatra, no nitenenan’ i Hanania, zanak’ i Azora, mpaminany avy tany Gibeona, tamiko tao an-tranon’ i Jehovah, teo anatrehan’ ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra, nanao hoe:Select Jeremiah 28:1
2Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Efa notapahiko ny ziogan’ ny mpanjakan’ i Babylona,Select Jeremiah 28:2
3ka ao anatin’ ny roa taona no hampodiako ho amin’ ity tanàna ity ny fanaka rehetra tao an-tranon’ i Jehovah izay nalain’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, avy tamin’ ity tanàna ity ka nentiny ho any Babylona:Select Jeremiah 28:3
4ary Jekonia, zanak’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, mbamin’ ny Joda voababo rehetra, izay lasa tany Babylona, dia hampodiko ho amin’ ity tanàna ity, hoy Jehovah; fa hotapahiko ny ziogan’ ny mpanjakan’ i Babylona.Select Jeremiah 28:4
5Dia hoy Jeremia mpaminany tamin’ i Hanania mpaminany teo anatrehan’ ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra izay tao an-tranon’ i Jehovah,Select Jeremiah 28:5
6Eny, amena! hoy Jeremia mpaminany; hataon’ i Jehovah anie izany! hotanterahin’ i Jehovah anie ny teninao, izay novinaninao ny amin’ ny hampodiana ny fanaky ny tranon’ i Jehovah mbamin’ ny babo rehetra hiala any Babylona ka hiverina ho amin’ ity tanàna ity indray.Select Jeremiah 28:6
7Kanefa kosa mba henoinao izao teny izao, izay holazaiko eto anatrehanao sy ny vahoaka rehetra:Select Jeremiah 28:7
8Ny mpaminany izay tany alohako sy tany alohanao hatramin’ ny ela dia naminany ady sy loza ary areti-mandringana ho amin’ ny tany maro sy ny fanjakana lehibe.Select Jeremiah 28:8
9Ny amin’ ny mpaminany izay maminany fiadanana raha tanteraka ny teniny, dia ho fantatra ho mpaminany nirahin’ i Jehovah tokoa izy.Select Jeremiah 28:9
10Dia nesorin’ i Hanania mpaminany ny zioga tamin’ ny vozon’ i Jeremia mpaminany ka notapahiny.Select Jeremiah 28:10
11Ary Hanania niteny teo anatrehan’ ny vahoaka rehetra hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: tahaka izao no hanapahako ny ziogan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ ny Babylona, ho afaka amin’ ny vozon’ ny firenena rehetra ao anatin’ ny roa taona. Ary dia lasa niala Jeremia mpaminany.Select Jeremiah 28:11
12Dia tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah, nony efa notapahin’ i Hanania mpaminany ho afaka tamin’ ny vozon’ i Jeremia mpaminany ny zioga, nanao hoe:Select Jeremiah 28:12
13Mandehana, ka lazao amin’ i Hanania hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Zioga hazo no notapahinao, fa zioga vy kosa no hataonao solony.Select Jeremiah 28:13
14Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Zioga vy no nataoko tamin’ ny vozon’ ireto firenena rehetra ireto mba hanompoany an’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ka dia hanompo azy izy; eny, na dia ny bibi-dia aza dia nomeko azy koa.Select Jeremiah 28:14
15Dia hoy Jeremia mpaminany tamin’ i Hanania mpaminany: Mba henoy, ry Hanania: Tsy naniraka anao Jehovah; fa ianao dia mampitoky ity firenena ity amin’ ny lainga.Select Jeremiah 28:15
16Koa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hesoriko tsy ho amin’ ny tany ianao; amin’ ity taona ity ihany no hahafatesanao, satria fiodinana tamin’ i Jehovah no notorinaoSelect Jeremiah 28:16
17Ka dia maty tamin’ ny volana fahafito tamin’ iny taona iny ihany Hanania mpaminany.Select Jeremiah 28:17
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation