Jeremiah 35
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah tamin’ ny andron’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, nanao hoe:Select Jeremiah 35:1
2Mankanesa any amin’ ny taranak’ i Rekaba, ary mitenena aminy, dia ampidiro ao an-tranon’ i Jehovah, ao amin’ ny efi-trano anankiray, izy, ka omeo divay hosotroiny.Select Jeremiah 35:2
3Dia nalaiko Jazania, zanak’ i Jeremia, zanak’ i Habazinia, sy ny rahalahiny sy ny zanany rehetra mbamin’ ny taranak’ i Rekaba rehetra,Select Jeremiah 35:3
4ka nampidiriko ho ao amin’ ny tranon’ i Jehovah izy, dia tao amin’ ny efi-tranon’ ny taranak’ i Hanana zanak’ i Jigdalia, lehilahin’ Andriamanitra, izay ao anilan’ ny efi-tranon’ ny mpanapaka, ao ambonin’ ny efi-tranon’ i Mahaseia, zanak’ i Saloma, mpiandry varavarana.Select Jeremiah 35:4
5Ary norosoako kapoaka sy siny feno divay teo anoloan’ ny taranak’ i Rekaba ka nolazaiko taminy hoe: Misotroa divay ianareo.Select Jeremiah 35:5
6Fa hoy kosa ireo: Tsy hisotro divay izahay; fa Jonadaba, zanak’ i Rekaba, razanay efa nafatra anay hoe: Aza mba misotro divay ianareo na ny taranakareo mandrakizay;Select Jeremiah 35:6
7ary aza manao trano ianareo, na mamafy voan-javatra, na manao tanim-boaloboka, na mety hanana izany akory, fa lay no itoeronareo amin’ ny andronareo rehetra, mba ho ela velona ianareo amin’ ny tany izay ivahinianareo.Select Jeremiah 35:7
8Dia nankatoavinay izany tenin’ i Jonadaba, zanak’ i Rekaba, razanay izany tamin’ izay rehetra nanafarany anay, mba tsy hisotro divay amin’ ny andronay rehetra, na izahay na ny vadinay, na ny zanakai-lahy, na ny zanakai-vavy;Select Jeremiah 35:8
9ary tsy hanao trano hitoeranay, na hanana tanimboly, na saha, na voan-javatra izahay;Select Jeremiah 35:9
10fa efa nitoetra an-day izahay araka izay rehetra nanafaran’ i Jonadaba razanay anay.Select Jeremiah 35:10
11Fa raha nananika ny tany Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona. Dia hoy izahay: Andeha isika hankany Jerosalema handositra ny miaramilan’ ny Kaldeana sy ny miaramilan’ ny Syriana, ka dia izany no itoerany eto Jerosalema.Select Jeremiah 35:11
12Dia tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah hoe:Select Jeremiah 35:12
13Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Andeha, lazao amin’ ny Joda sy amin’ ny mponina any Jerosalema hoe: Tsy hino anatra hitandrina ny teniko va ianareo? hoy Jehovah.Select Jeremiah 35:13
14To ny tenin’ i Jonadaba, zanak’ i Rekaba, izay nanafarany ny zanany tsy hisotro divay, fa tsy misotro tokoa izy mandraka androany, fa mahatana ny hafa-drazany, ary Izaho efa niteny taminareo, eny, nifoha maraina koa Aho ka niteny, nefa tsy nihaino ianareo.Select Jeremiah 35:14
15Nirahiko taminareo koa ny mpaminany mpanompoko rehetra, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy hanao hoe: Samia miala amin’ ny lalanareo ratsy ianareo ankehitriny, ary ataovy tsara ny ataonareo, ary aza manaraka andriamani-kafa hanompo azy, dia honina amin’ ny tany izay nomeko anareo sy ny razanareo ianareo nefa tsy nanongilana ny sofinareo na nihaino Ahy ianareo.Select Jeremiah 35:15
16Eny, nankatoavin’ ny zanak’ i Jonadaba, zanak’ i Rekaba, ny hafa-drazany, izay nanafarany azy; fa ity firenena ity kosa tsy mba nihaino Ahy.Select Jeremiah 35:16
17Koa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely Indro, hataoko mihatra amin’ ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy, satria efa niteny taminy Aho, fa tsy nihaino izy, ary niantso azy Aho, fa tsy namaly izy.Select Jeremiah 35:17
18Ary ny taranak’ i Rekaba dia nilazan’ i Jeremia hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Noho ny nahatananareo ny hafatr’ i Jonadaba razanareo sy ny nitandremanareo ny hafany rehetra ary ny nanaovanareo araka izay rehetra nanafarany anareo,Select Jeremiah 35:18
19dia izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Jonadaba, zanak’ i Rekaba, tsy ho diso zanakalahy hitsangana eo anatrehako mandrakizay.Select Jeremiah 35:19
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation