Jeremiah 37
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary Zedekia mpanjaka, zanak’ i Josia, dia nanjaka nandimby an’ i Jekonia, zanak’ i Joiakima, fa nampanjakain’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, tao amin’ ny tanin’ ny Joda izy;Select Jeremiah 37:1
2nefa na izy, na ny mpanompony, na ny vahoaka, dia samy tsy nihaino ny tenin’ i Jehovah, izay nampilazainy an’ i Jeremia mpaminany.Select Jeremiah 37:2
3Ary Zedekia mpanjaka naniraka an’ i Jehokala, zanak’ i Selemia, sy Zefania, zanak’ i Mahaseia, mpisorona, ho any amin’ i Jeremia mpaminany hanao hoe: Mba ivavaho amin’ i Jehovah Andriamanitsika re izahay.Select Jeremiah 37:3
4Ary Jeremia mbola niditra sy nivoaka teo amin’ ny olona ihany; fa tsy mbola nataony tao an-trano-maizina izy.Select Jeremiah 37:4
5Ary efa niainga avy tany Egypta ny miaramilan’ i Farao, ka raha nahare izany ny Kaldeana izay nanao fahirano an’ i Jerosalema, dia niala tany Jerosalema izy.Select Jeremiah 37:5
6Dia tonga tamin’ i Jeremia mpaminany ny tenin’ i Jehovah hoe:Select Jeremiah 37:6
7Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izao no lazaonareo amin’ ny mpanjakan’ ny Joda, izay naniraka anareo hankatỳ amiko hanontany amiko: Indro, ny miaramilan’ i Farao, izay efa niainga hamonjy anareo, dia hiverina ho any Egypta taniny;Select Jeremiah 37:7
8fa ho avy indray ny Kaldeana ka hamely ity tanana ity sady hanafaka azy sy handoro azy amin’ ny afo.Select Jeremiah 37:8
9Izao no lazain’ i Jehovah: Aza mamita-tena foana ianareo ka manao hoe: Hiala amintsika tokoa ny Kaldeana; fa tsy hiala izy tsy akory.Select Jeremiah 37:9
10Fa na dia mamely ny miaramilan’ ny Kaldeana rehetra izay miady aminareo aza ianareo, ka izay voalefona no ho sisa velona, ireo aza dia samy hitsangana avy ao anaty lainy ka handoro ity tanàna ity amin’ ny afo.Select Jeremiah 37:10
11Ary raha niala tany Jerosalema ny miaramilan’ ny Kaldeana noho ny amin’ ny miaramilan’ i Farao,Select Jeremiah 37:11
12dia nivoaka Jeremia avy tao Jerosalema hankany amin’ ny tanin’ ny Benjamina mba handray izay anjarany eo amin’ ny vahoaka.Select Jeremiah 37:12
13Ary raha tonga teo am-bavahadin’ i Benjamina izy, dia, indro, ny kapitenin’ ny mpiambina, atao hoe Jiria, zanak’ i Selemia, zanak’ i Hanania, no teo; dia nisambotra an’ i Jeremia mpaminany izy ka nanao hoe: Miray tetika amin’ ny Kaldeana ianao.Select Jeremiah 37:13
14Fa hoy Jeremia: Lainga izany. Tsy miray tetika amin’ ny Kaldeana aho. Nefa tsy nino azy ireo, ka dia nosamborin’ i Jiria ihany Jeremia ary nentiny ho ao amin’ ny mpanapaka.Select Jeremiah 37:14
15Ary tezitra tamin’ i Jeremia ny mpanapaka ka nikapoka azy, dia nandatsaka azy tao an-trano-maizina tao amin’ ny tranon’ i Jonatana mpanoratra; fa izany no nataony trano-maizina.Select Jeremiah 37:15
16Ary nony tafiditra tao an-trano-maizina, tao amin’ ilay niefitrefitra, Jeremia, ka efa nitoetra tao andro maro,Select Jeremiah 37:16
17dia naniraka haka azy Zedekia mpanjaka; ary ny mpanjaka nanontany azy mangingina tao an-tranony nanao hoe: Moa misy teny avy tamin’ i Jehovah tokoa va? Dia hoy Jeremia: Eny, misy; ary hoy koa izy: Hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona ianao.Select Jeremiah 37:17
18Ary hoy koa Jeremia tamin’ i Zedekia mpanjaka: Inona no ratsy nataoko taminao, na tamin’ ny mpanomponao, na tamin’ ity firenena ity, no dia nataonareo tao an-trano-maizina aho?Select Jeremiah 37:18
19Aiza moa ireo mpaminaninareo, izay naminany taminareo hoe: Tsy ho avy hiady aminareo na hamely ity tany ity ny mpanjakan’ i Babylona?Select Jeremiah 37:19
20Koa trarantitra ianao, ry tompokolahy mpanjaka, henoy kely ange! aoka hoborahina eto anatrehanao ny fifonako, ka aza averina ho ao amin’ ny tranon’ i Jonatana mpanoratra aho, fandrao dia maty ao.Select Jeremiah 37:20
21Dia nasain’ i Zedekia mpanjaka nataony teo amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana Jeremia, ka nasainy nomena mofo iray isan’ andro isan’ andro avy any amin’ ny fitoeran’ ny mpanao mofo izy, ambara-pahalanin’ ny mofo rehetra tao an-tanàna. Toy izany no nitoeran’ i Jeremia teo amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana.Select Jeremiah 37:21
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation