Jeremiah 48
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ny amin’ i Moaba. Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Nidiran-doza Nebo, fa rava! Mangaihay Kiriataima, fa afaka; Mangaihay Misgaba sady raiki-tahotra.Select Jeremiah 48:1
2Tsy misy ho reharehan’ i Moaba intsony; Tao Hesbona no niheverany hampididoza aminy hoe: Andeha horavantsika tsy ho firenena izy. Ho ringana koa ianao, ry Madmena, Hanenjika anao ny sabatra.Select Jeremiah 48:2
3Injay! misy feo fitarainana ao Horonaima hoe: Fandravana sy fandringanana be!Select Jeremiah 48:3
4Rava Moaba, ny madinika ao dia mamoaka fitarainana.Select Jeremiah 48:4
5Fa miakatra mitomany lalandava eny amin’ ny fiakarana Lohita izy; Ary amin’ ny fidinana mankany Horonaima no andrenesana fitarainana mafy noho ny fandringanana.Select Jeremiah 48:5
6Mandosira, vonjeo ny ainareo. Ary aoka ho tahaka ny olona mahantra any an-efitra ianareo.Select Jeremiah 48:6
7Fa noho ny nitokianao tamin’ ny asanao sy ny rakitrao dia ho voasambotra koa ianao; Ary Kemosy ho lasan-ko babo, dia ny mpisorony sy ny mpanapaka rehetra.Select Jeremiah 48:7
8Ary ny mpandringana ho tonga ao amin’ ny tanàna rehetra, ka tsy hisy tanàna tsy ho afaka; Ny lohasaha koa ho simba, ary ny tany lemaka ho rava, araka izay nolazain’ i Jehovah.Select Jeremiah 48:8
9Omeo elatra Moaba, fa hanidina izy ka ho lasa; Ary ho lao ny tanànanay, ka tsy hisy mponina.Select Jeremiah 48:9
10Ho voaozona anie Izay manao tsirambina foana ny asa asain’ i Jehovah atao! Eny, ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-drà!Select Jeremiah 48:10
11Moaba nandry fahizay hatry ny fony izy mbola kely ka niotrika tao amin’ ny faikany, fa tsy naidina nafindrafindra siny, ary tsy mbola lasan-ko babo izy; koa izany no aharetan’ ny tsirony ao aminy sy tsy iovan’ ny fofony.Select Jeremiah 48:11
12Koa, indro, avy ny andro hanirahako mpanohoka ho any aminy, hoy Jehovah, Izay hanohoka azy ka hahafoana ny fitoeran-divainy sady hanorotoro ny sininy.Select Jeremiah 48:12
13Ary Moaba ho menatra noho ny amin’ i Kemosy toy ny nahamenaran’ ny taranak’ Isiraely noho ny amin’ i Betela tokiny.Select Jeremiah 48:13
14Ahoana no anaovanareo hoe: Lehilahy matanjaka sady mahery an’ ady izahay?Select Jeremiah 48:14
15Rava Moaba, fa ny tanànany dia efa nanihina. Ary ny zatovony voafantina efa nidina ho any amin’ ny famonoana. Hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.Select Jeremiah 48:15
16Efa antomotra ny loza hanjo an’ i Moaba, ary mimaona ny fahoriany.Select Jeremiah 48:16
17Mitomania azy, ianareo rehetra izay manodidina azy sy ianareo rehetra izay mahalala ny anarany! Eny, manaova hoe: Indrisy! tapaka ny tehina mafy sy ny tsorakazo tsara tarehy!Select Jeremiah 48:17
18Ry Dibona, zanakavavy mponina, midìna miala amin’ ny voninahitrao, ka mitoera ao amin’ ny tany mangentana, fa ilay mandringana an’ i Moaba dia miakatra mamely anao sady mandrava ny fiarovanao.Select Jeremiah 48:18
19Ry mponina any Aroera, mijanòna eny an-dalambe, ka mitazàna, ary izay mandositra, na lehilahy na vehivavy, dia anontanio hoe: Nozoin’ inona ianareo?Select Jeremiah 48:19
20Afa-baraka Moaba, eny, raiki-tahotra izy; Midradradradra sy mitaraina, ka ambaraonareo ao Arnona fa rava Moaba.Select Jeremiah 48:20
21Ary ny fitsarana dia miakatra ao amin’ ny tany lemaka, dia ao Holona sy Jahaza sy MefataSelect Jeremiah 48:21
22Sy Dibona sy Nebo sy Beti-diblataimaSelect Jeremiah 48:22
23Sy Kiriataima sy Beti-gamola sy Beti-meonaSelect Jeremiah 48:23
24Sy Keriota ary Bozra, eny, ny tanànan’ i Moaba rehetra, na ny lavitra na ny akaiky.Select Jeremiah 48:24
25Voakapa ny tandrok’ i Moaba, ary tapaka koa ny sandriny, hoy Jehovah.Select Jeremiah 48:25
26Ataovy leony izy, fa niavonavona tamin’ i Jehovah; Moaba hihosinkosina amin’ ny loany sady mba ho tonga fihomehezana kosa.Select Jeremiah 48:26
27Fa tsy efa nataonao ho fihomehezana va ny Isiraely? Moa hita fa naman’ ny mpangalatra va izy, no dia mihifikifika ianao isaky ny milaza azy?Select Jeremiah 48:27
28Ry mponina any Moaba! ilaozy ny tanàna, ka mitoera ao amin’ ny harambato, ary aoka ho tahaka ny voromailala izay manao ny akaniny erỳ am-pitan’ ny hantsana ianao.Select Jeremiah 48:28
29Ffa renay ny fiavonavonan’ i Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fiaingitrainginy ary ny avonavon’ ny fony.Select Jeremiah 48:29
30Izaho mahalala ny fihoa-bavany sy ny fibedibediny foana, hoy Jehovah; Tsinontsinona ny ataony.Select Jeremiah 48:30
31Koa hidradradradra noho ny amin’ i Moaba aho; Eny, hitomany noho ny amin’ i Moaba rehetra aho, ary hitsetra noho ny amin’ ny mponina ao Kira-haresa ny olona.Select Jeremiah 48:31
32Mihoatra noho ny fitomanian’ i Jazera no hitomaniako anao, ry voalobok’ i Sibma, tafita ny ranomasina ny rantsanao ary tonga hatrany amin’ ny ranomasin’ i Jazera; Ny mpandripaka dia tonga handripaka ny voankazonao masaka fahavaratra sy ny voalobokao.Select Jeremiah 48:32
33Ary ny hafaliana sy ny faharavoravoana nesorina tamin’ ny saha nahavokatra sy tamin’ ny tany Moaba, ary nataoko tankina ny divay tamin’ ny vata fanantazana ranom-boaloboka, tsy hisy hihoby amin’ ny fanitsakitsahana; Ny fihobiana dia tsy fihobiana akory.Select Jeremiah 48:33
34Ny fitarainan’ i Hesbona dia re hatrany Elale sy Jahaza. Hatrany Zoara ka hatrany Horonaima sy Eglata-selisia; Fa na dia ny ranon’ i Nimrima aza dia ho ritra koa.Select Jeremiah 48:34
35Ary hatsahatro ao Moaba koa Izay miakatra hanatitra amin’ ny fitoerana avo sy izay mandoro ditin-kazo manitra ho an’ ny andriamaniny, hoy Jehovah.Select Jeremiah 48:35
36Ary noho izany ny foko dia mitomany manao feon-tsodina noho ny amin’ i Moaba, ary ny foko mitomany manao feon-tsodina noho ny amin’ ny mponina ao Kira-haresa. Eny, noho izany dia levona ny harena be izay nohariny.Select Jeremiah 48:36
37Fa mibory ny loha rehetra. Ary voaharatra ny somotra rehetra, misy tetika amin’ ny tanana rehetra sy lamba fisaonana amin’ ny valahana.Select Jeremiah 48:37
38Eny, amin’ ny tampon-trano rehetra any Moaba sy eny an-kalalahana dia misy fisaonana avokoa; Satria torotoroiko toy ny fanaka tsy mahafinaritra intsony Moaba, hoy Jehovah.Select Jeremiah 48:38
39Indrisy! raiki-tahotra izy! Midradradradrà! Indrisy! efa miamboho Moaba, mangaihay Izy, ka dia tonga fihomehezana sy fampitahorana ho an’ izay rehetra manodidina azy.Select Jeremiah 48:39
40Fa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hanidina toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany hipaoka an’ i Moaba.Select Jeremiah 48:40
41Afaka ny tanàna, ka azo ny batery fiarovana, ary amin’ izany andro izany ny fon’ ny lehilahy maherin’ i Moaba dia ho tahaka ny fon’ ny vehivavy mihetsi-jaza.Select Jeremiah 48:41
42Ary horavana tsy ho firenena intsony Moaba. Satria niavonavona tamin’ i Jehovah izy.Select Jeremiah 48:42
43Tahotra sy lavaka ary fandrika no mahazo anao, ry mponina any Moaba, hoy Jehovah.Select Jeremiah 48:43
44Izay mandositra ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; Ary izay miakatra avy any an-davaka dia ho voan’ ny fandrika; Fa hataoko tonga amin’ i Moaba ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah.Select Jeremiah 48:44
45Ao amin’ ny alokalok’ i Hesbona no ijanonan’ ny mpandositra, satria lany hery ireny; Kanjo misy afo mivoaka avy any Hesbona, ary lelafo avy any Sihona, ka mandevona ny sisin’ i Moaba sy ny tampon-dohan’ ny mpitabataba.Select Jeremiah 48:45
46Idiran-doza ianao, ry Moaba! Ringana ny olon’ i Kemosy! Fa ho babo ny zanakao-lahy, ary ho sambotra ny zanakao-vavy.Select Jeremiah 48:46
47Nefa mbola hampodiko avy amin’ ny fahababoana ihany Moaba any am-parany, hoy Jehovah. Hatreto ny amin’ ny fitsarana an’ i Moaba.Select Jeremiah 48:47
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation