Skip to content
Church.wiki
Jeremiah

Jeremiah 8

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, dia hofongarina avy ao am-pasana ny taolan’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ny taolan’ ny lehibeny sy ny taolan’ ny mpisorona sy ny taolan’ ny mpaminany ary ny taolan’ ny mponina any Jerosalema,Select Jeremiah 8:1

2ka haeliny eo anatrehan’ ny masoandro sy ny volana ary ny kintana rehetra eny amin’ ny lanitra, izay efa tiany sy notompoiny sy efa narahiny sy efa notadiaviny ary efa niankohofany teo anatrehany: tsy hangonina na halevina intsony ireny, fa hatao zezika eny ambonin’ ny tany.Select Jeremiah 8:2

3Ary ny sisa rehetra amin’ ity taranaka ratsy ity, izay mbola sisa any amin’ ny tany rehetra nandroahako azy, dia haniry ny ho faty noho ny ho velona, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.Select Jeremiah 8:3

4Ary koa, lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Ho lavo va ny olona ka tsy hiarina? Hihodina hivily va ny olona ka tsy hitodika hiverina?Select Jeremiah 8:4

5Nahoana ity firenena eto Jerosalema ity no miodina amin’ ny fiodinana tsy mety mitsahatra? Mikikitra mafy amin’ ny fitaka izy ka tsy mety miverina.Select Jeremiah 8:5

6Nihaino Aho, ka nandre, fa manao teny tsy marina izy: Ary tsy misy manenina ny amin’ ny haratsiany hoe: Endrey izany nataoko izany! Izy rehetra dia samy mivily mankamin’ ny alehany avy tahaka ny soavaly miriotra ho amin’ ny ady.Select Jeremiah 8:6

7Na dia ny vano eny amin’ ny lanitra aza dia mahalala ny fotoan’ androny, ary ny domohina sy ny sidintsidina ary ny vanobe koa samy mitandrina ny fotoana fihaviany; Fa ny oloko kosa tsy mba mahalala ny fitsipik’ i Jehovah.Select Jeremiah 8:7

8Ahoana no anaovanareo hoe: Hendry izahay, ary ato aminay ny lalàn’ i Jehovah? Nefa ny fanoratan-daingan’ ny mpanoratra mahatonga azy ho lainga.Select Jeremiah 8:8

9Mahazo henatra ny hendry, raiki-tahotra sy voasambotra izy; Indro, ny tenin’ i Jehovah dia nolaviny, ka inona intsony no fahendrena ananany?Select Jeremiah 8:9

10Ary noho izany dia homeko ho an’ ny sasany ny vadiny, ary ny sahany ho an’ izay maka azy, satria izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy fatra-pila harena, na mpaminany na mpisorona dia samy mamitaka avokoa.Select Jeremiah 8:10

11Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran’ ny oloko zanakavavy tamin’ ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona!Select Jeremiah 8:11

12Nomenarina izy noho ny nanaovany fahavetavetana, nefa tsy mba menatra akory izy, ary tsy mba valahara; Koa ho lavo ao amin’ izay lavo izy, amin’ ny andro hamaliana azy dia ho tafintohina izy, ho Jehovah.Select Jeremiah 8:12

13Hakifako tokoa izy, hoy Jehovah; Tsy mamoa ny voaloboka, ary tsy misy voany ny aviavy, malazo ny raviny; Ary nanendry izay hanafika azy Aho.Select Jeremiah 8:13

14Nahoana isika no mbola mipetra-poana? Mivoria ianareo, ka andeha isika hiditra any an-tanàna mimanda, ka dia ho faty ao; fa Jehovah Andriamanitra efa nanendry antsika ho faty ka nanome rano mangidy hosotrointsika Noho ny nanotantsika tamin’ i Jehovah.Select Jeremiah 8:14

15Nanantena fiadanana isika, kanjo tsy nahita soa; Ary andro fanasitranana, fa indro fampitahorana.Select Jeremiah 8:15

16Ny fiefonefon’ ny soavaly dia re hatrany Dana: Mihorohoro ny tany rehetra noho ny fanenon’ ny soavaly matanjaka; Fa avy izy ka mandany ny tany mbamin’ ny izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna sy izay monina ao.Select Jeremiah 8:16

17Fa indro Aho handefa bibilava hamely anareo, dia menarana izay tsy azon’ ody, ka hanaikitra anareo ireny, hoy Jehovah.Select Jeremiah 8:17

18Indrisy! enga anie ka hisy fahamiramiranana ho ahy eto amin’ ny alaheloko, fa reraka ny foko ato anatiko.Select Jeremiah 8:18

19Injany! misy feo fitarainan’ ny oloko zanakavavy hatrany amin’ ny tany lavitra hoe: Moa Jehovah tsy ao Ziona va? Ary tsy ao aminy va ny Mpanjakany? Nahoana no nahatezitra Ahy ireny tamin’ ny sarin-javatra voasokitra ao aminy sy tamin’ ny zava-poana avy amin’ ny firenena hafa?Select Jeremiah 8:19

20Lasa ny fararano, tapitra ny taom-piotazana, nefa tsy voavonjy isika.Select Jeremiah 8:20

21Torotoro aho noho ny fahatorotoroan’ ny oloko zanakavavy; Misaona aho, ary horohoro no mahazo ahy.Select Jeremiah 8:21

22Moa tsy misy balsama va any Gileada? Moa tsy misy dokotera va any? Koa nahoana no tsy tanteraka ny fanasitranana ny oloko zanakavavy?Select Jeremiah 8:22

23Enga anie ka ho rano ny lohako, ary ho loharanon-dranomaso ny masoko, mba hitomaniako andro aman’ alina noho ny voavono amin’ ny oloko zanakavavy!Select Jeremiah 8:23

Next: Jeremiah 9Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Jeremiah

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.