Revelation 10
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery anankiray koa, nidina ary tany an-danitra sady nitafy rahona; ary ny avana dia teo amin’ ny lohany, ary ny tavany dia tahaka ny masoandro, ary ny tongony tahaka ny andry afo,Select Revelation 10:1
2ary nitàna boky kely nivelatra teny an-tanany izy; ary nabahany ny tongony, ka ny ankavanany tamin’ ny ranomasina, ary ny ankaviany tamin’ ny tany;Select Revelation 10:2
3ary niantso tamin’ ny feo mahery izy, tahaka ny fieron’ ny liona; ary nony niantso izy, dia nikotroka ny kotrokorana fito.Select Revelation 10:3
4Ary rehefa nikotroka ny kotrokorana fito, dia efa hanoratra aho, kanjo nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Asio tombo-kase izay efa notononin’ ny kotrokorana fito, fa aza soratana.Select Revelation 10:4
5Ary ny anjely, ilay efa hitako, dia nitsangana teo ambonin’ ny ranomasina sy teo ambonin’ ny tany, ka nanangana ny tànany ankavanana ho amin’ ny lanitraSelect Revelation 10:5
6ary nianiana tamin’ izay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy ary ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy fa tsy hisy andro intsony;Select Revelation 10:6
7fa amin’ ny andro hitsofan’ ny anjely fahafito, rehefa hitsoka izy, dia ho tanteraka ny zava-miafina izay an’ Andriamanitra, araka ny teny soa mahafaly nambarany tamin’ ny mpaminany mpanomponySelect Revelation 10:7
8Ary ny feo izay efa reko avy tany an-danitra dia niteny tamiko indray hoe: Mandehana, raiso ilay boky mivelatra eny an-tànan’ ny anjely mitsangana eo ambonin’ ny ranomasina sy eo ambonin’ ny tany.Select Revelation 10:8
9Dia nankany amin’ ny anjely aho ka nanao taminy hoe: Omeo ahy iny boky kely iny. Ary hoy izy tamiko: Raiso, ka hano avokoa io; dia hampangidy ny kibonao izy, nefa eo am-bavanao dia ho mamy tahaka ny tantely.Select Revelation 10:9
10Dia noraisiko ilay boky kely teny an-tanan’ ny anjely ka nohaniko avokoa; ary raha nataoko teo am-bavako izy, dia mamy tahaka ny tantely, kanjo nony voateliko, dia nangidy ny kiboko.Select Revelation 10:10
11Ary nisy nilaza tamiko hoe: Tsy maintsy maminany indray ianao ny amin’ ny olona maro sy ny firenena maro sy ny fiteny maro ary ny mpanjaka maro.Select Revelation 10:11
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation