Revelation 16
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary nahare feo mahery avy tao amin’ ny tempoly aho nanao tamin’ ny anjely fito hoe: Mandehana, aidino amin’ ny tany ny ao amin’ ny lovia fito feno ny fahatezeran’ Andriamanitra.Select Revelation 16:1
2Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin’ ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan’ ny sariny.Select Revelation 16:2
3Ary ny faharoa nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny ranomasina; dia nody rà tahaka ny ran’ ny olona maty ny ranomasina: ary maty ny zava-manan’ aina rehetra tao aminy.Select Revelation 16:3
4Ary ny fahatelo nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny ony sy ny loharano; dia nody rà ireny.Select Revelation 16:4
5Ary nahare ny anjelin’ ny rano aho nanao hoe: Marina Hianao, ilay ankehitriny sy taloha, dia ny Iray Masìna, satria efa nitsara toy izany Hianao;Select Revelation 16:5
6fa ny ran’ ny olona masìna sy ny mpaminany no nalatsany, ka dia rà kosa no nomenao hosotromy; ary tandrifiny ho azy irany.Select Revelation 16:6
7Ary reko ny alitara nanao hoe: Eny, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, marina sy mahitsy ny fitsaranao.Select Revelation 16:7
8Ary ny fahelatra nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny masoandro; dia nasaina nandoro ny olona tamin’ ny afo izy.Select Revelation 16:8
9Ary main’ ny hafanana be ny olona, dia niteny ratsy ny anaran’ Andriamanitra, Izay manam-pahelana amin’ ireny loza ireny, izy sady tsy nibebaka mba hanome voninahitra Azy.Select Revelation 16:9
10Ary ny fahadimy nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny seza fiandrianan’ ilay bibi-dia; dia tonga maizina ny fanjakany, ary ny olona nitsakotsako ny lelany noho ny fanaintainana,Select Revelation 16:10
11dia niteny ratsy an’ Andriamanitry ny lanitra izy noho ny fanaintainany sy ny vainy sady tsy nibebaka tamin’ ny asany.Select Revelation 16:11
12Ary ny fahenina nampidina ny tao an-doviany tamin’ i Eofrata, ony lehibe; dia ritra ny ranony hanamboarana ny lalan’ ireny mpanjaka avy any amin’ ny fiposahan’ ny masoandro.Select Revelation 16:12
13Ary nahita aho fa indreo fanahy maloto telo tahaka ny sahona avy tamin’ ny vavan’ ilay dragona sy tamin’ ny vavan’ ilay bibi-dia ary tamin’ ny vavan’ ilay mpaminany sandoka.Select Revelation 16:13
14Fa fanahin’ ny demonia ireo ka manao famantarana sady mankany amin’ ny mpanjaka amin’ izao tontolo izao, mba hanangona ary ho amin’ ny adin’ ilay andro lehiben’ Andriamanitra Tsitoha.Select Revelation 16:14
15(Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina ka miaro ny fitafiany, fandrao mandeha mitanjaka izy, ka hita ny fahamenarany.)Select Revelation 16:15
16Ary nangoniny ho any amin’ ny tany atao amin’ ny teny Hebreo hoe Hara-magedona ireny.Select Revelation 16:16
17Ary ny fahafito dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny rivotra; dia nisy feo mahery nivoaka avy tao amin’ ny tempoly, teo amin’ ny seza fiandrianana, nanao hoe: Vita.Select Revelation 16:17
18Dia nisy helatra sy feo sy kotrokorana, ary nisy horohorontany mafy, izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian’ olona tetỳ ambonin’ ny tany, eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany.Select Revelation 16:18
19Ary ny tanàna lehibe dia vaky ho telo toko, ary rava ny tanànan’ ny firenena maro; ary Babylona lehibe dia notsarovana teo anatrehan’ Andriamanitra, mba homena azy ny kapoaky ny divain’ ny firehetan’ ny fahatezerany.Select Revelation 16:19
20Ary ny nosy rehetra nandositra, ary ny tendrombohitra tsy hita intsony.Select Revelation 16:20
21Ary nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho amin’ ny olona, tokony ho lanjan-talenta iray avy; ary niteny ratsy an’ Andriamanitra ny olona noho ny loza avy tamin’ ny havandra; fa lehibe loatra izany loza izany.Select Revelation 16:21
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation