Revelation 17
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary tonga ny anjely anankiray tamin’ izy fito izay nanana ny lovia fito, dia niteny tamiko nanao hoe: Avia atỳ; dia hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga lehibe, izay mipetraka eny ambonin’ ny rano maro,Select Revelation 17:1
2dia ilay nijangajangan’ ny mpanjakan’ ny tany, sady natao leon’ ny divain’ ny fijangajangany ny mponina tamin’ ny tany.Select Revelation 17:2
3Dia nentiny tamin’ ny Fanahy ho any an’ efitra aho ary nahita vehivavy nitaingina bibi-dia mivolon-jaky, feno anarana fitenenan-dratsy sady nanan-doha fito sy tandroka folo.Select Revelation 17:3
4Ary ravehivavy dia nitafy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vato soa ary perila sady nitana kapoaka volamena teny an-tànany, feno zava-betaveta, dia ny zava-maloto momba ny fijangajangany;Select Revelation 17:4
5ary nisy anarana voasoratra teo amin’ ny handriny nanao hoe: ZAVA-MIAFINA, BABYLONA LEHIBE, RENIN’ NY MPIJANGAJANGA SY NY ZAVA-BETAVETA, AMIN’ NY TANY.Select Revelation 17:5
6Ary hitako fa, indro, ravehivavy dia leon’ ny ran ny olona masìna sy ny ran’ ny martioran’ i Jesosy; koa raha nahita azy aho, dia gaga indrindra.Select Revelation 17:6
7Ary hoy ilay anjely tamiko: Nahoana no gaga ianao? Izaho hilaza aminao ny zava-miafina ny amin-dravehivavy sy ny bibi-dia mitondra azy, izay manan-doha fito sy tandroka folo.Select Revelation 17:7
8Ny bibi-dia, ilay efa hitanao, dia teo ihany ary tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy amin’ ny lavaka tsy hita noanoa izy ka ho lasa ho amin’ ny fandringanana; ary ny monina ambonin’ ny tany, dia izay tsy voasoratra eo amin’ ny bokin’ ny fiainana hatramin’ ny nanorenana izao tontolo izao, dia ho gaga raha mijery ilay bibi-dia, izay teo ihany ary tsy eo izao, nefa mbola ho avy indray.Select Revelation 17:8
9Indro ny hevitra iray misy fahendrena: Ny loha fito dia tendrombohitra fito, izay ipetrahan-dravehivavy.Select Revelation 17:9
10Ary mpanjaka fito ireo; efa lavo ny dimy, ka ny iray mbola eo ihany, ary ny iray koa mbola tsy tonga; ary rehefa tonga izy, dia tsy maintsy mitoetra kelikely.Select Revelation 17:10
11Ary ny bibi-dia izay teo ihany ary tsy eo izao, dia izy no naman’ ny fito mahavalo ary ka lasa ho amin’ ny fandringanana.Select Revelation 17:11
12Ary ny tandroka folo, izay hitanao, dia mpanjaka folo izay tsy mbola nahazo fanjakana; fa mandray fahefana ho toa mpanjaka iray ora miaraka amin’ ny bibi-dia izy.Select Revelation 17:12
13Ireo dia miray saina ka manome ny heriny sy ny fahefany ho an’ ilay bibi-dia.Select Revelation 17:13
14Ireo dia hiady amin’ ny Zanak’ ondry, ary ny Zanak’ ondry haharesy azy, satria Tompon’ ny tompo sy Mpanjakan’ ny mpanjaka Izy, ary haharesy azy koa izay momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky.Select Revelation 17:14
15Ary hoy izy tamiko: Ny rano ela hitanao, izay ipetrahan’ ilay vehivavy janga, dia olona sy vahoaka betsaka sy firenena maro ary samy hafa fiteny.Select Revelation 17:15
16Ary ny tandroka folo sy ny bibi-dia izay efa hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka ary sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ ny afo.Select Revelation 17:16
17Fa Andriamanitra efa nanome fo ireo hanatanteraka ny heviny sy hifanara-tsaina ary hanome ny fanjakany ho an’ ilay bibi-dia mandra-pahatanteraky ny tenin’ Andriamanitra.Select Revelation 17:17
18Ary ravehivavy, ilay hitanao, dia tanàna lehibe, izay manjaka amin’ ny mpanjakan’ ny tany.Select Revelation 17:18
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation