Revelation 21
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony.Select Revelation 21:1
2Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masìna, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin’ Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ ny vadiny.Select Revelation 21:2
3Ary nahare feo mahery avy teo amin’ ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin’ Andriamanitra dia eo amin’ ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny.Select Revelation 21:3
4Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.Select Revelation 21:4
5Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.Select Revelation 21:5
6Ary hoy koa Izy tamiko: Tanteraka ireo. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin’ ny loharanon’ ny ranon’ aina ho an’ izay mangetaheta.Select Revelation 21:6
7Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako.Select Revelation 21:7
8Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin’ ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa.Select Revelation 21:8
9Ary tonga ny anankiray tamin’ ny anjely fito izay nanana ny lovia fito, dia ireo nitondra ny loza fito farany ka nanao tamiko hoe: Avia etỳ, dia hasehoko anao ny ampakarina, vadin’ ny Zanak’ ondry.Select Revelation 21:9
10Ary nitondra ahy tamin’ ny Fanahy ho any an-tendrombohitra sady lehibe no avo izy ka naneho ahy ny tanàna masìna, dia Jerosalema, midìna avy tamin’ Andriamanitra any an-danitra,Select Revelation 21:10
11sady manana ny voninahitr’ Andriamanitra izy; ny famirapirany dia tahaka ny vato soa indrindra, dia tahaka ny vato jaspy, manganohano toy ny vato krystaly;Select Revelation 21:11
12ary manana mànda lehibe sady avo sy vavahady roa ambin’ ny folo izy, ary eo amin’ ny vavahady dia misy anjely roa ambin’ ny folo, ary misy anarana voasoratra eo, dia ny an’ ny firenena roa ambin’ ny folo amin’ ny Zanak’ isiraely;Select Revelation 21:12
13eo atsinanana vavahady telo; eo avaratra vavahady telo; eo atsimo vavahady telo; eo andrefana vavahady telo.Select Revelation 21:13
14Ary ny màndan’ ny tanàna dia misy fanorenana roa ambin’ ny folo, ary misy anarana roa ambin’ ny folo koa eo, dia ny an ny Apostoly roa ambin’ ny folon’ ny Zanak’ ondry.Select Revelation 21:14
15Ary ilay niteny tamiko dia nanana fandrefesana volotara volamena handrefesany ny tanàna sy ny vavahadiny ary ny màndany.Select Revelation 21:15
16Ary ny tanàna dia efa-joro, ka mitovy ny lavany sy ny sakany; ary nandrefy ny tanàna tamin’ ny volotara izy, ka roa arivo sy iray alina stadio. Mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny hahavony.Select Revelation 21:16
17Ary nandrefy ny màndany izy, ka efatra amby efa-polo amby zato hakiho, araka ny refin’ ny olona, dia ny an’ ny anjely.Select Revelation 21:17
18Ary ny màndany dia vato jaspy; ary ny tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra madio.Select Revelation 21:18
19Ary ny fanorenan’ ny màndan’ ny tanàna dia voaravaka vato soa samy hafa rehetra. Ny fanorenana voalohany jaspy, ny faharoa safira, ny fahatelo kalkedona, ny fahefatra emeralda,Select Revelation 21:19
20ny fahadimy sardonyksa, ny fahenina karneola, ny fahafito krysolita, ny fahavalo beryla, ny fahasivy topaza, ny fahafolo krysopraso, ny faharaika ambin’ ny folo hyakinta, ny faharoa ambin’ ny folo ametysta.Select Revelation 21:20
21Ary ny vavahady roa ambin’ ny folo dia perila roa ambin’ ny folo; perila iray avy ny isam-bavahady; ary ny lalambe teo an-tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra manganohano.Select Revelation 21:21
22Ary tsy nahita tempoly teo aho; fa ny Tompo Andriamanitra, dia ny Tsitoha, sy ny Zanak’ ondry no tempoliny.Select Revelation 21:22
23Ary ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra aminy; fa ny voninahitr’ Andriamanitra no nanazava ary, ary ny Zanak’ ondry no fanazavana azy.Select Revelation 21:23
24Ary ny firenena maro no handeha amin’ ny fahazavany; ary ny mpanjakan’ ny tany dia mitondra ny voninahiny ho ao anatiny.Select Revelation 21:24
25Ary ny vavahadiny tsy harindrina akory amin’ ny andro (fa tsy mba hisy alina ao).Select Revelation 21:25
26Ary ny voninahitra sy ny hajan’ ny firenena maro dia ho entina ao anatiny.Select Revelation 21:26
27Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masìna, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin’ ny bokin’ ny fiainana izay an’ ny Zanak’ ondry ihany.Select Revelation 21:27
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation