Skip to content
Church.wiki
John

John 1

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Tamin’ ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’ Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.Select John 1:1

2Izy dia tao amin’ Andriamanitra tamin’ ny voalohany.Select John 1:2

3Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.Select John 1:3

4Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.Select John 1:4

5Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin’ ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy.Select John 1:5

6Nisy lehilahy nirahin’ Andriamanitra, Jaona no anarany.Select John 1:6

7Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan’ ny olona rehetra noho ny teniny.Select John 1:7

8Tsy izy anefa no Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava ihany izy.Select John 1:8

9Tao ny tena Mazava Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin’ izao tontolo izao.Select John 1:9

10Teo amin’ izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy.Select John 1:10

11Tonga tany amin’ ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.Select John 1:11

12Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’ Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,Select John 1:12

13dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon’ ny nofo, na ny sitrapon’ ny olona, fa naterak’ Andriamanitra.Select John 1:13

14Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ ny Lahitokana avy tamin’ ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.Select John 1:14

15Jaona nanambara Azy ka niantso hoe: Izy Ilay nolazaiko hoe: Izay avySelect John 1:15

16Fa tamin’ ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana.Select John 1:16

17Fa ny lalàna dia nomena tamin’ ny alalan’ i Mosesy; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy.Select John 1:17

18Tsy nisy nahita an’ Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran’ ny Ray, Izy no nanambara Azy.Select John 1:18

19Ary izao no nambaran’ i Jaona, raha ny Jiosy naniraka mpisorona sy Levita avy tany Jerosalema hankany aminy mba hanontany azy hoe: Iza moa ianao?Select John 1:19

20Ary nilaza marina izy ka tsy nandà, fa hoy ny filàzany: Tsy izaho no Kristy.Select John 1:20

21Ary izy ireo nanontany azy hoe: Ahoana ary? Elia va ianao? Fa hoy izy: Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va ianao? Fa izy namaly hoe: Tsia.Select John 1:21

22Dia hoy ireo taminy: Iza ary ianao? mba hitondranay valiny ho any amin’ izay naniraka anay. Lazainao ho iza moa ny tenanao?Select John 1:22

23Dia hoy izy: Izaho dia feon’ ny miantso mafy any an-efitra hoe: Ataovy mahitsy ny lalan’ i Jehovah, araka izay nolazain’ Isaia mpaminany.Select John 1:23

24Ary iraka avy tamin’ ny Fariseo ireo.Select John 1:24

25Dia nanontany azy ireo ka nanao taminy hoe: Nahoana ary ianao no manao batisa raha tsy ianao no Kristy, na Elia, na Ilay Mpaminany?Select John 1:25

26Jaona namaly azy ka nanao hoe: Izaho manao batisa amin’ ny rano; fa eto aminareo misy Anankiray Izay tsy fantatrareo,Select John 1:26

27dia Ilay avy ao aoriako, ary tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.Select John 1:27

28Izany zavatra izany dia natao tany Betania any an-dafin’ i Jordana, izay nanaovan’ i Jaona batisa.Select John 1:28

29Nony ampitso dia nahita an’ i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao!Select John 1:29

30Izy Ilay nolazaiko hoe: Misy Lehilahy avy ao aoriako Izay efa tonga eo alohako, satria talohako Izy.Select John 1:30

31Ary izaho tsy nahalala Azy; fa mba haseho amin’ ny Isiraely Izy, izany no nihaviako manao batisa amin’ ny rano.Select John 1:31

32Ary Jaona nanambara ka nanao hoe: Izaho nahita ny Fanahy midìna avy any an-danitra tahaka ny voro-mailala ka nitoetra teo amboniny.Select John 1:32

33Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin’ ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan’ ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin’ ny Fanahy Masìna.Select John 1:33

34Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak’ Andriamanitra.Select John 1:34

35Nony ampitson’ iny indray dia nijanona Jaona sy ny mpianany roa lahy;Select John 1:35

36ary nijery an’ i Jesosy nitsangantsangana izy ka nanao hoe: Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra!Select John 1:36

37Ary ireo mpianatra roa lahy ireo, rehefa nandre azy niteny, dia nanaraka an’ i Jesosy.Select John 1:37

38Ary Jesosy nitodika ka nahita azy manaraka, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy roa lahy taminy: Raby (izay atao hoe, raha adika, Mpampianatra ô), aiza Hianao no mitoetra?Select John 1:38

39Hoy Izy taminy: Avia, fa ho hitanareo. Koa dia nandeha izy ka nahita izay nitoerany ary nitoetra teo aminy tamin’ izany andro izany; ary efa tokony ho ora fahafolo tamin’ izay.Select John 1:39

40Andrea, rahalahin’ i Simona Petera, no anankiray tamin’ izy roa lahy, izay nandre ny tenin’ i Jaona ka nanaraka an’ i Jesosy.Select John 1:40

41Izy no nahita an’ i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy: Efa nahita ny Mesia izahay (izay atso hoe, raha adika, ny Kristy).Select John 1:41

42Dia nitondra azy ho any amin’ i Jesosy izy. Ary nony nijery azy Jesosy, dia hoy Izy: Hianao no Simona, zanak’ i Jaona; ianao hatao hoe Kefasy (izay atao hoe, raha adika, Petera)Select John 1:42

43Nony ampitso dia te-hiala ho any Galilia Jesosy, ary nahita an’ i Filipo Izy ka nanao taminy hoe: Manaraha Ahy.Select John 1:43

44Ary Filipo dia avy any Betsaida, tanànan’ i Andrea sy Petera.Select John 1:44

45Filipo kosa nahita an’ i Natanaela ka nanao taminy hoe: Efa hitanay Ilay nosoratan’ i Mosesy tao amin’ ny lalàna, sy nosoratan’ ny mpaminany, dia Jesosy, zanak’ i Josefa, avy any Nazareta.Select John 1:45

46Ary hoy Natanaela taminy: Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta? Dia hoy Filipo taminy: Andeha hizaha.Select John 1:46

47Jesosy nahita an’ i Natanaela avy manatona Azy, dia nilaza azy hoe: Indro ny tena Isiraelita tsy misy fitaka.Select John 1:47

48Hoy Natanaela taminy: Ahoana no ahafantaranao ahy? Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia hitako teo ambanin’ ny aviavy ianao.Select John 1:48

49Dia namaly Natanaela ka nanao hoe: Raby ô, Hianao no Zanak’ Andriamanitra; Hianao no Mpanjakan’ ny Isiraely.Select John 1:49

50Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Moa ny nilazako taminao va fa hitako teo ambanin’ ny aviavy ianao no inoanao? Hahita zavatra lehibe noho izany ianao.Select John 1:50

51Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin’ Andriamanitra miakatra sy midìna eo ambonin’ ny Zanak’ olona.Select John 1:51

Next: John 2Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

John

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.