Skip to content
Church.wiki
John

John 11

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary nisy lehilahy anankiray narary, dia Lazarosy avy any Betania, tanànan’ i Maria sy Marta rahavaviny.Select John 11:1

2Maria dia ilay nanosotra ny Tompo tamin’ ny menaka manitra sy namaoka ny tongony tamin’ ny volon-dohany, ary Lazarosy anadahiny no narary.Select John 11:2

3Ary izy mirahavavy dia naniraka tany amin’ i Jesosy hanao hoe: Tompoko, marary ilay tianao.Select John 11:3

4Ary rehefa ren’ i Jesosy izany, dia hoy Izy: Tsy ho fahafatesana no anton’ izany aretina izany, fa ny hampisehoana ny voninahitr’ Andriamanitra, mba hankalazana ny Zanak’ Andriamanitra.Select John 11:4

5Ary Jesosy tia an’ i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy.Select John 11:5

6Koa nony ren’ i Jesosy fa narary Lazarosy, dia mbola nitoetra indroa andro teo amin’ izay nitoerany ihany Izy.Select John 11:6

7Rehefa afaka izany, dia hoy Izy tamin’ ny mpianatra: Andeha isika ho any Jodia indray.Select John 11:7

8Hoy ny mpianatra taminy: Raby ô, vao haingana teo no nitadiavan’ ny Jiosy hitora-bato Anao, ka hankany indray va Hianao?Select John 11:8

9Jesosy namaly hoe: Tsy roa ambin’ ny folo va ny ora amin’ ny indray andro? Raha misy mandeha amin’ ny antoandro, dia tsy mba tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan’ izao tontolo izao.Select John 11:9

10Fa raha misy kosa mandeha amin’ ny alina, dia ho tafintohina izay, ka tsy misy mazava ao aminy.Select John 11:10

11Izany no nolazainy; ary rehefa afaka izany, dia hoy Izy taminy: Matory Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho.Select John 11:11

12Dia hoy ny mpianatra taminy: Tompoko, raha matory izy, dia ho tsara ihany.Select John 11:12

13Nefa Jesosy nilaza ny fahafatesany; fa nataon’ izy ireo kosa fa fialan-tsasatra amin’ ny torimaso no nolazainy.Select John 11:13

14Ary tamin’ izany Jesosy dia nilaza tsotra taminy hoe: Maty Lazarosy;Select John 11:14

15ary faly Aho noho ny aminareo, satria tsy teo Aho, mba hinoanareo; fa andeha isika hankany aminy.Select John 11:15

16Dia hoy Tomasy (izay atao hoe Didymo) tamin’ ny mpianatra namany: Andeha isika mba hiara-maty aminy.Select John 11:16

17Ary nony tonga Jesosy, dia hitany fa efa nilevina hefarana izy.Select John 11:17

18Ary Betania dia tao akaikin’ i Jerosalema, tokony ho dimy ambin’ ny folo stadio no elanelany.Select John 11:18

19Ary maro tamin’ ny Jiosy no efa tonga teo amin’ i Marta sy Maria hitsapa alahelo azy noho ny amin’ ny anadahiny.Select John 11:19

20Ary Marta, raha nandre fa tamy Jesosy, dia nandeha nitsena Azy; fa Maria kosa nitoetra tao an-trano.Select John 11:20

21Ary hoy Marta tamin’ i Jesosy: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.Select John 11:21

22Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza na inona na inona no hangatahinao amin’ Andriamanitra dia homen’ Andriamanitra Anao.Select John 11:22

23Hoy Jesosy taminy: Hitsangana ny anadahinao.Select John 11:23

24Fa hoy Marta taminy: Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ ny fitsanganan’ ny maty amin’ ny andro farany;Select John 11:24

25Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.Select John 11:25

26Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?Select John 11:26

27Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra, Ilay ho tonga amin’ izao tontolo izao.Select John 11:27

28Ary rehefa nilaza izany izy, dia lasa nandeha ka niantso mangingina an’ i Maria rahavaviny, nanao hoe: Tonga ny Mpampianatra ka miantso anao.Select John 11:28

29Ary raha vao nandre izany Maria, dia nitsangana faingana izy ka nankeo aminy.Select John 11:29

30Fa Jesosy tsy mbola tonga tao an-tanàna, fa mbola teo amin’ ilay nitsenan’ i Marta Azy ihany.Select John 11:30

31Ary ny Jiosy izay tao amin’ i Maria tao an-trano ka nitsapa alahelo azy, raha nahita azy nitsangana faingana ka nivoaka, dia nanaraka azy, satria nataony fa nankany amin’ ny fasana hitomany any izy.Select John 11:31

32Ary Maria, rehefa tonga teo amin’ nitoeran’ i Jesosy ka nahita Azy, dia niankohoka teo amin’ ny tongony ka nanao taminy hoe: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.Select John 11:32

33Ary Jesosy nony nahita azy nitomany sy ny Jiosy izay niaraka taminy nitomany koa, dia vonto ny fanahiny, ka tora-kovitra Izy;Select John 11:33

34ary hoy Izy: Aiza moa no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo taminy: Tompoko, andeha hizaha.Select John 11:34

35Jesosy nitomany.Select John 11:35

36Dia hoy ny Jiosy: Akory ity haben’ ny fitiavany azy!Select John 11:36

37Fa hoy ny sasany: Moa tsy hain’ ilehity, Izay nampahiratra ny mason’ ilay jamba va, ny manao izay tsy ho nahafaty an-dralehilahy ity?Select John 11:37

38Dia vonto indray ny fanahin’ i Jesosy ka nankeo amin’ ny fasana Izy; ary zohy izany, sady nisy vato narindrina teo.Select John 11:38

39Hoy Jesosy: Esory ny vato. Hoy Marta, anabavin’ ny maty, taminy: Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay.Select John 11:39

40Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr’ Andriamanitra?Select John 11:40

41Dia nesoriny ny vato. Ary Jesosy dia nanandratra ny masony ka nanao hoe: Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao.Select John 11:41

42Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Hianao; fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako izany, mba hinoany fa Hianao no naniraka Ahy.Select John 11:42

43Ary rehefa nanao izany teny izany Izy, dia niantso tamin’ ny feo mahery hoe: Ry Lazarosy, mivoaha!Select John 11:43

44Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin’ ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha.Select John 11:44

45Ary maro tamin’ ny Jiosy, dia ireo nankeo amin’ i Maria ka nahita ny zavatra nataon’ i Jesosy ireo, no nino Azy.Select John 11:45

46Fa ny sasany tamin’ ireo kosa dia lasa nankany amin’ ny Fariseo ka nilaza taminy izay nataony.Select John 11:46

47Ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo nanangona ny Synedriona ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika? fa iny Lehilahy iny dia manao famantarana maro.Select John 11:47

48Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia hino Azy avokoa ny olona rehetra; ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika.Select John 11:48

49Ary ny anankiray taminy, dia Kaiafa, mpisoronabe tamin’ izany taona izany, nanao taminy hoe: Hianareo tsy mahalala na inona na inona,Select John 11:49

50na misaina akory fa tsara ho anareo, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena, mba tsy ho rava avokoa ity firenena ity.Select John 11:50

51Ary tsy niteny izany ho azy izy, fa satria mpisoronabe tamin’ izany taona izany izy, dia naminany fa Jesosy ho faty hamonjy ny firenena;Select John 11:51

52ary tsy hamonjy io firenena io ihany, fa mba hanangona ny zanak’ Andriamanitra izay efa niely ho antoko iray.Select John 11:52

53Koa hatramin’ izany andro izany dia nihendry hahafaty Azy ireo.Select John 11:53

54Ary Jesosy tsy nandeha niharihary teny amin’ ny Jiosy intsony; fa niala teo Izy nankany amin’ ny tany akaikin’ ny efitra, ho any an-tanàna atao hoe Efraima, ary nitoetra tany Izy mbamin’ ny mpianatra.Select John 11:54

55Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy; ary maro avy tany an-tsaha no niakatra ho any Jerosalema talohan’ ny Paska mba hanadio ny tenany.Select John 11:55

56Dia nitady an’ i Jesosy ireo, raha nijanona teo an-kianjan’ ny tempoly, ka niresaka hoe: Ahoana no hevitrareo? Tsy mba ho tonga amin’ ny andro firavoravoana va Izy?Select John 11:56

57Ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo efa nandidy fa raha misy olona mahalala izay itoerany, dia tsy maintsy milaza, mba hisamborany Azy.Select John 11:57

Next: John 12Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

John

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.