John 14
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Aza malahelo ny fonareo; minoa an’ Andriamanitra, ary minoa Ahy koa.Select John 14:1
2Ao an-tranon’ ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho.Select John 14:2
3Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.Select John 14:3
4Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin’ izay halehako.Select John 14:4
5Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana?Select John 14:5
6Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ ny Ray, afa-tsy amin’ ny alalako.Select John 14:6
7Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin’ izao dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy.Select John 14:7
8Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay.Select John 14:8
9Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray?Select John 14:9
10Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa.Select John 14:10
11Minoa Ahy fa Izaho ao amin’ ny Ray, ary ny Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza.Select John 14:11
12Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ ny Ray.Select John 14:12
13Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin’ ny Zanaka.Select John 14:13
14Raha mangataka zavatra amiko amin’ ny anarako ianareo, dia hataoko izany.Select John 14:14
15Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.Select John 14:15
16Ary Izaho hangataka amin’ ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay,Select John 14:16
17dia ny Fanahin’ ny fahamarinana, Izay tsy azon’ izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.Select John 14:17
18Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho.Select John 14:18
19Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy; satria velona Aho, dia ho velona koa ianareo.Select John 14:19
20Amin’ izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ ny Raiko, ary ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo.Select John 14:20
21Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.Select John 14:21
22Hoy Jodasy (tsy Iskariota) taminy: Tompoko, nahoana no aminay ihany no hisehoanao, fa tsy amin’ izao tontolo izao koa?Select John 14:22
23Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.Select John 14:23
24Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an’ ny Ray izay naniraka Ahy.Select John 14:24
25Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho;Select John 14:25
26fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masìna, Izay hirahin’ ny Ray amin’ ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.Select John 14:26
27Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’ izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.Select John 14:27
28Efa renareo fa Izaho nilaza taminareo hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly, satria mankany amin’ ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho.Select John 14:28
29Ary ankehitriny efa nilaza taminareo Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga.Select John 14:29
30Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho; fa avy ny andrianan’ izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izy.Select John 14:30
31Fa mba ho fantatr’ izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ary araka izay nandidian’ ny Ray Ahy, dia izany no hataoko. Mitsangàna, andeha isika hiala eto.Select John 14:31
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation