John 15
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra.Select John 15:1
2Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa.Select John 15:2
3Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo.Select John 15:3
4Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray amiko.Select John 15:4
5Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.Select John 15:5
6Raha misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may.Select John 15:6
7Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.Select John 15:7
8Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo.Select John 15:8
9Tahaka ny nitiavan’ ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin’ ny fitiavako ianareo.Select John 15:9
10Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin’ ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ ny Raiko sy ny itoerako amin’ ny fitiavany.Select John 15:10
11Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo.Select John 15:11
12Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.Select John 15:12
13Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.Select John 15:13
14Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo.Select John 15:14
15Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin’ ny Raiko no nambarako taminareo.Select John 15:15
16Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ ny vokatrareo, mba homen’ ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ ny anarako na inona na inona.Select John 15:16
17Izany zavatra izany no andidiako anareo, mba hifankatiavanareo.Select John 15:17
18Raha halan’ izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo.Select John 15:18
19Raha naman’ izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman’ izao tontolo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’ izao tontolo izao, dia halan’ izao tontolo izao ianareo.Select John 15:19
20Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa.Select John 15:20
21Fa izany rehetra izany no hataony aminareo noho ny anarako, satria tsy mahalala Izay naniraka Ahy izy.Select John 15:21
22Raha tsy tonga Aho ka niteny taminy, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny dia tsy misy fialàna azony atao ny amin’ ny helony.Select John 15:22
23Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko koa.Select John 15:23
24Raha tsy nataoko teo aminy Izay asa tsy nataon’ olona, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny efa hitany sady efa halany Ahy sy ny Raiko koa;Select John 15:24
25fa tonga izany mba hahatanteraka ny teny izay voasoratra ao amin’ ny lalàny hoe: Halany foana Aho.Select John 15:25
26Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ ny Ray, dia ny Fanahin’ ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin’ ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy.Select John 15:26
27Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin’ ny voalohany.Select John 15:27
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation