Skip to content
Church.wiki
John

John 16

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Izany teny izany dia efa nolazaiko taminareo, mba tsy hahatafintohina anareo.Select John 16:1

2Handroaka anareo hiala amin’ ny synagoga izy; eny, ho avy ny andro, ka hataon’ izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an’ Andriamanitra izy.Select John 16:2

3Ary izany no hataony, satria tsy fantany ny Ray na Izaho.Select John 16:3

4Fa izany teny izany efa nolazaiko taminareo, mba hotsaroanareo, raha tonga ny fotoan’ androny, fa Izaho efa nilaza izany taminareo. Ary tsy mba nolazaiko taminareo hatramin’ ny voalohany izany, satria mbola tatỳ aminareo ihany Aho.Select John 16:4

5Fa ankehitriny mankany amin’ izay naniraka Ahy Aho, ary tsy misy aminareo manontany Ahy hoe: Hankaiza Hianao?Select John 16:5

6Fa satria nilaza izany taminareo Aho, dia vonton’ alahelo ny fonareo.Select John 16:6

7Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy.Select John 16:7

8Ary raha tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana:Select John 16:8

9ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy;Select John 16:9

10ny fahamarinana, satria mankany amin’ ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony ianareo;Select John 16:10

11ny fitsarana, satria ny andrianan’ izao tontolo izao dia efa voatsara.Select John 16:11

12Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny.Select John 16:12

13Fa raha tonga ny Fanahin’ ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.Select John 16:13

14Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin’ ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.Select John 16:14

15Izay rehetra ananan’ ny Ray dia Ahy avokoa, koa izany no nilazako fa mandray avy amin’ ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.Select John 16:15

16Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo.Select John 16:16

17Ary ny mpianany sasany niresaka hoe: Inona izany nolazainy tamintsika hoe: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo, ary, satria mankany amin’ ny Ray Aho?Select John 16:17

18Ary hoy koa ireo: Inona izany lazainy hoe vetivety foana izany? Tsy fantatsika izay lazainy.Select John 16:18

19Ary Jesosy nahalala fa ta-hanontany Azy ireo, dia hoy Izy taminy: Mifanontany va ianareo, satria hoy Izaho: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo, ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo?Select John 16:19

20Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Hitomany sy hisaona ianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly; ary ianareo halahelo, nefa ny alahelonareo hody fifaliana.Select John 16:20

21Manam-pahoriana ny vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany; fa rehefa velon-jaza izy, dia tsy tsaroany intsony ilay fahoriany, noho ny fifaliany fa misy zaza nateraka ho ambonin’ ny tany.Select John 16:21

22Ary ianareo dia manana alahelo ankehitriny; fa hahita anareo indray Aho, dia ho faly ny fonareo, ary tsy misy olona manaisotra ny fifalianareo aminareo.Select John 16:22

23Ary amin’ izany andro izany dia tsy hanontany Ahy na inona na inona ianareo; lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amin’ ny Ray dia homeny anareo amin’ ny anarako izany.Select John 16:23

24Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin’ ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo.Select John 16:24

25Fanoharana no nilazako izany zavatra izany taminareo; fa ho avy ny andro izay tsy hilazako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako tsotra aminareo ny amin’ ny Ray.Select John 16:25

26Amin’ izany andro izany dia hangataka amin’ ny anarako ianareo; ary tsy milaza aminareo Aho fa Izaho no hangataka amin’ ny Ray ho anareo;Select John 16:26

27fa ny Ray dia tia anareo satria ianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy tamin’ ny Ray Aho.Select John 16:27

28Eny, nivoaka avy tamin’ ny Ray Aho ka tonga amin’ izao tontolo izao; ary hiala amin’ izao tontolo izao indray Aho ka hankany amin’ ny Ray.Select John 16:28

29Hoy ny mpianany: Indro, milaza tsotra Hianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory.Select John 16:29

30Ankehitriny dia fantatray fa mahalala ny zavatra rehetra Hianao ka tsy mitady olona hanontany Anao; izany no inoanay fa nivoaka avy tamin’ Andriamanitra Hianao.Select John 16:30

31Jesosy namaly azy hoe: Mino va ianareo ankehitriny?Select John 16:31

32Indro, avy ny andro, eny, efa tonga, izay hielezanareo samy ho any amin’ ny azy avy, ary hilaozanareo ho irery Aho; kanefa tsy irery Aho, fa ny Ray no ato amiko.Select John 16:32

33Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin’ izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.Select John 16:33

Next: John 17Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

John

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.