Skip to content
Church.wiki
John

John 18

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Rehefa voalazan’ i Jesosy izany teny izany, dia nandeha Izy mbamin’ ny mpianany ka nita ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nisy saha teo, izay nidiran’ izy sy ny mpianany.Select John 18:1

2Ary Jodasy koa, ilay namadika Azy, dia nahalala izany tany izany, satria mpankao matetika Jesosy mbamin’ ny mpianany.Select John 18:2

3Ary Jodasy, rehefa nahazo ny miaramila iray toko sy mpiandry raharaha avy tamin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo, dia nankeo nitondra fanilo sy fanala ary fiadiana.Select John 18:3

4Ary satria fantatr’ i Jesosy izay rehetra hanjo Azy, dia nivoaka Izy ka nanao tamin’ ireo hoe: Iza moa no tadiavinareo?Select John 18:4

5Ary ireo namaly Azy hoe: Jesosy avy any Nazareta. Hoy Jesosy taminy: Izaho no Izy. Ary teo koa Jodasy, ilay namadika Azy.Select John 18:5

6Ary raha Jesosy vao nilaza taminy hoe: Izaho no Izy, dia nianotra ireo ka lavo tamin’ ny tany.Select John 18:6

7Ary Jesosy nanontany azy indray hoe: Iza moa no tadiavinareo? Dia hoy izy: Jesosy avy any Nazareta.Select John 18:7

8Jesosy namaly hoe: Efa nolazaiko taminareo fa Izaho no Izy; koa raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto;Select John 18:8

9mba hahatanteraka ny teny izay nataony hoe: Tsy nasiako very izay nomenao Ahy.Select John 18:9

10Ary Simona Petera nanana sabatra, dia nanatsoaka azy ka nikapa ny mpanompon’ ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny ankavanana. Ary Malko no anaran’ ilay mpanompo.Select John 18:10

11Dia hoy Jesosy tamin’ i Petera: Ampidiro amin’ ny tranony ny sabatrao; ny kapoaka nomen’ ny Raiko Ahy tsy hosotroiko va?Select John 18:11

12Ary ny miaramila iray toko sy ny mpifehy arivo ary ny mpiandry raharaha tamin’ ny Jiosy dia nisambotra an’ i Jesosy ka namatotra Azy,Select John 18:12

13dia nitondra Azy tany amin’ i Anasy aloha, fa izy no rafozan’ i Kaiafa, mpisoronabe tamin’ izany taona izany.Select John 18:13

14Ary Kaiafa no ilay nanome saina ny Jiosy fa mahatsara raha maty ny olona anankiray hamonjy ny firenena.Select John 18:14

15Ary Simona Petera sy ny mpianatra anankiray koa dia nanaraka an’ i Jesosy; ary fantatry ny mpisoronabe izany mpianatra izany, dia niara-niditra tamin’ i Jesosy ho ao an-kianjan’ ny tranon’ ny mpisoronabe izy.Select John 18:15

16Fa Petera nijanona teo ala-trano teo am-bavahady. Dia nivoaka ilay mpianatra anankiray, izay fantatry ny mpisoronabe, ka niteny tamin’ ny mpiandry vavahady, dia nitondra an’ i Petera niditra.Select John 18:16

17Ary hoy ny ankizivavy mpiandry vavahady tamin’ i Petera: Moa ianao mba isan’ ny mpianatr’ io Lehilahy io? Hoy izy: Tsia.Select John 18:17

18Ary ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha namelona afon’ arina ka nijanona namindro teo, fa nangatsiaka ny andro; ary Petera koa mba nijanona niara-namindro taminy.Select John 18:18

19Ary ny mpisoronabe nanadina an’ i Jesosy ny amin’ ny mpianany sy ny fampianarany.Select John 18:19

20Jesosy namaly azy hoe: Izaho niteny miharihary tamin’ izao tontolo izao; Izaho nampianatra mandrakariva tao amin’ ny synagoga sy ny kianjan’ ny tempoly, izay iangonan’ ny Jiosy rehetra; ary tsy nisy nolazaiko tao amin’ ny takona;Select John 18:20

21koa nahoana no manontany Ahy ianao? Ireo nihaino no anontanio izay nolazaiko taminy; fa ireo no mahalala izay nolazaiko.Select John 18:21

22Ary rehefa nilaza izany teny izany Izy, ny mpiandry raharaha anankiray izay nitsangana teo dia namely tahamaina an’ i Jesosy ka nanao hoe: Izany va no famalinao ny mpisoronabe?Select John 18:22

23Jesosy namaly azy hoe: Raha niteny ratsy Aho, ambarao izay ratsy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely Ahy ianao?Select John 18:23

24Ary dia nasain’ i Anasy nentina tamin’ ny fatorany ho any amin’ i Kaiafa mpisoronabe Izy.Select John 18:24

25Ary Simona Petera nijanona namindro. Dia nisy nilaza taminy hoe: Moa ianao koa mba isan’ ny mpianany? Fa izy nandà ka nanao hoe: Tsia.Select John 18:25

26Hoy ny anankiray tamin’ ny mpanompon’ ny mpisoronabe havan’ ilay nokapain’ i Petera ny sofiny: Tsy efa hitako teo aminy tao anaty saha va ianao?Select John 18:26

27Dia nandà indray Petera; ary niaraka tamin’ izay dia nisy akoho naneno.Select John 18:27

28Ary Jesosy dia nentiny niala tao amin’ i Kaiafa ho ao anati-rova; ary maraina koa ny andro tamin’ izay; nefa ireo tsy niditra tao anati-rova, fandrao ho voaloto, fa efa hihinana ny Paska izy.Select John 18:28

29Ary Pilato nivoaka ho eo aminy teo ivelany ka nanao hoe: Inona moa no iampanganareo io Lehilahy io?Select John 18:29

30Dia namaly ireo ka nanao taminy hoe: Raha tsy mpanao ratsy Izy, dia tsy mba natolotray anao.Select John 18:30

31Ary hoy Pilato taminy: Entonareo Izy, ka tsarao araka ny lalànareo. Hoy ny Jiosy taminy: Izahay tsy manam-pahefana hahafaty olona;Select John 18:31

32mba hahatanteraka ny tenin’ i Jesosy izay nolazainy nanambara ny fomban’ ny fahafatesana izay efa hiaretany.Select John 18:32

33Ary niditra tao anati-rova indray Pilato, dia niantso an’ i Jesosy ka nanao taminy hoe: Hianao va no Mpanjakan’ ny Jiosy?Select John 18:33

34Jesosy namaly hoe: Hevitrao ihany va no anaovanao izany, sa nisy hafa nilaza Ahy taminao?Select John 18:34

35Pilato namaly hoe: Moa aho Jiosy? Ny firenenao sy ny mpisoronabe no nanolotra Anao tamiko; inona moa no nataonao?Select John 18:35

36Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin’ izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’ izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin’ ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin’ izany ny fanjakako.Select John 18:36

37Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’ izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin’ ny marina dia mihaino ny feoko.Select John 18:37

38Hoy Pilato taminy: Inona no marina? Ary rehefa nanontany izany izy, dia nivoaka nankeo amin’ ny Jiosy indray ka nanao taminy hoe: Tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza.Select John 18:38

39Fa misy fanaonareo amin’ ny Paska, handefasako anankiray ho anareo; koa tianareo va raha halefako ho anareo ny Mpanjakan’ ny Jiosy?Select John 18:39

40Ary ireo niantso indray ka nanao hoe: Tsy Ilehio, fa Barabasy; koanefa jiolahy Barabasy.Select John 18:40

Next: John 19Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

John

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.