John 19
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary tamin’ izany dia nalain’ i Pilato Jesosy ka nokapohiny.Select John 19:1
2Ary ny miaramila nandrandrana satroka tsilo, ka nasatrony ny lohany, ary nampitafiny lamba volomparasy Izy,Select John 19:2
3dia nanatona Azy ireo ka niteny hoe: Arahaba, ry Mpanjakan’ ny Jiosy! sady namely tahamaina Azy izy.Select John 19:3
4Dia nivoaka indray Pilato ka nanao taminy hoe: Indro, izaho mitondra Azy mivoaka ho eto aminareo, mba ho fantatrareo fa tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza.Select John 19:4
5Ary nivoaka Jesosy misatroka tsilo sy mitafy ny lamba volomparasy. Dia hoy Pilato tamin’ ny vahoaka: Indro ny Lehilahy!Select John 19:5
6Ary rehefa hitan’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpiandry raharaha Jesosy, dia niantso ireo ka nanao hoe: Homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy! homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Entonareo Izy, ka homboy amin’ ny hazo fijaliana; fa izaho tsy mahita izay helony.Select John 19:6
7Fa ny Jiosy namaly azy hoe: Izahay manana lalàna, ary araka izany lalàna izany dia tokony ho faty Izy, satria nanao ny tenany ho Zanak’ Andriamanitra.Select John 19:7
8Ary nony ren’ i Pilato izany teny izany, dia vao mainka natahotra izy,Select John 19:8
9dia niditra tao anati-rova indray izy ka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Avy aiza moa Hianao? Fa tsy namaly azy akory Jesosy.Select John 19:9
10Dia hoy Pilato taminy: Tsy miteny amiko va Hianao? tsy fantatrao va fa manana fahefana handefa Anao aho, sady manana fahefana hanombo Anao amin’ ny hazo fijaliana koa?Select John 19:10
11Jesosy namaly azy hoe: Hianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony; koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa.Select John 19:11
12Ary hatramin’ izany dia nitady handefa Azy Pilato; nefa ny Jiosy niantso ka nanao hoe: Raha alefanao io Lehilahy io, dia tsy mba sakaizan’ i Kaisara ianao; fa izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka dia manao teny manohitra an’ i Kaisara.Select John 19:12
13Ary rehefa ren’ i Pilato izany teny izany, dia nitondra an’ i Jesosy nivoaka izy ka nipetraka teo amin’ ny seza fitsarana teo amin’ ny fitoerana atao hoe Lampivato, fa amin’ ny teny Hebreo GabataSelect John 19:13
14ary andro fiomanana amin’ ny Paska ny andro, tokony ho tamin’ ny ora fahenina dia hoy izy tamin’ ny Jiosy: Indro ny Mpanjakanareo!Select John 19:14
15Fa niantso ireo hoe: Ento, ento, homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Hohomboako amin’ ny hazo fijaliana va ny Mpanjakanareo? Ny lohan’ ny mpisorona namaly hoe: Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay.Select John 19:15
16Ary tamin’ izany Pilato dia nanolotra Azy taminy mba hohomboana amin’ ny hazo fijaliana. Dia noraisin’ ireo Jesosy;Select John 19:16
17ary Izy nitondra ny hazo fijaliany, dia nankany amin’ ny tany atao hoe Ikarandoha, izay atao amin’ ny teny Hebreo hoe Golgota.Select John 19:17
18Teo no nanomboana Azy tamin’ ny hazo fijaliana, ary nisy roa lahy koa niaraka taminy, iray avy teo an-daniny roa, ary Jesosy teo afovoany.Select John 19:18
19Ary Pilato nanoratra anarana, ka napetany teo amin’ ny hazo fijaliana. Ary izao no voasoratra: JESOSY AVY ANY NAZARETA, MPANJAKAN’ NY JIOSY.Select John 19:19
20Ary izany anarana izany dia novakin’ ny Jiosy maro, fa akaikin’ ny tanàna ny tany izay nanomboana an’ i Jesosy tamin’ ny hazo fijaliana; ary voasoratra tamin’ ny teny Hebreo sy Romana sy Grika izany.Select John 19:20
21Ary noho izany ny lohan’ ny mpisorona tamin’ ny Jiosy dia nanao tamin’ i Pilato hoe; Aza soratana hoe: Mpanjakan’ ny Jiosy; fa izao: Izy no nilaza hoe: Mpanjakan’ ny Jiosy Aho.Select John 19:21
22Pilato namaly hoe: Izay voasoratro dia voasoratro.Select John 19:22
23Ary rehefa voahombon’ ny miaramila tamin’ ny hazo fijaliana Jesosy, dia nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, samy nanana ny anjarany avy ny miaramila; ary ny akanjony koa; fa tsy nisy vitrana ny akanjony, fa tenona iray ihany.Select John 19:23
24Dia niresaka hoe izy: Aza mba triarintsika, fa aoka hilokantsika ho an’ izay hahazo azy; mba hahatanteraka ny Soratra Masìna manao hoe: Nozarainy ny fitafiako, ary nilokany ny akanjoko. Izany zavatra izany no nataon’ ny miaramila.Select John 19:24
25Ary nijanona teo akaikin’ ny hazo fijalian’ i Jesosy ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, Maria, vadin’ i Klopa, sy Maria Magdalena.Select John 19:25
26Ary nony hitan’ i Jesosy ny reniny sy ilay mpianatra tiany nijanona teo, dia hoy Izy tamin’ ny reniny: Ravehivavy, indro ny zanakao!Select John 19:26
27Ary hoy koa Izy tamin’ ilay mpianatra: Indro ny reninao! Ary tamin’ izany ora izany dia noraisin’ ilay mpianatra ho any aminy izy.Select John 19:27
28Ary rehefa afaka izany, dia fantatr’ i Jesosy fa efa vita ny zavatra rehetra tamin’ izay, mba hahatanteraka ny Soratra Masìna, dia hoy Izy: Mangetaheta Aho.Select John 19:28
29Ary nisy bakoly feno vinaingitra nipetraka teo; ary nisy sipaonjy feno vinaingitra notohiziny tamin’ ny hysopa ka nataony tamin’ ny vavany.Select John 19:29
30Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy, dia nanao hoe: Vita; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny.Select John 19:30
31Ary satria andro fiomanana ny andro, dia nangataka tamin’ i Pilato ny Jiosy mba hotapahina ny ranjon’ ireo, ary hesorina ny faty, mba tsy ho tratry ny andro Sabata eo amin’ ny hazo fijaliana, satria andro lehibe izany Sabata izany.Select John 19:31
32Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon’ ny voalohany sy ny an’ ny anankiray koa izay niaraka nohomboana tamin’ i Jesosy tamin’ ny hazo fijaliana.Select John 19:32
33Fa nony nankeo amin’ i Jesosy izy, dia hitany fa efa maty sahady Izy, ka dia tsy mba notapahiny ny ranjony.Select John 19:33
34Fa ny miaramila anankiray nandefona ny lanivoany, ary niaraka tamin’ izay dia nisy rà sy rano nandeha.Select John 19:34
35Ary ilay nahita dia vavolombelona manambara, ary marina ny fanambarany; ary fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa.Select John 19:35
36Fa tonga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masìna hoe: Tsy hisy hotapahina ny taolany.Select John 19:36
37Ary hoy koa ny teny iray ao amin’ ny Soratra Masìna: Hijery Izay nolefoniny izy.Select John 19:37
38Ary rehefa afaka izany, Josefa avy any Arimatia (mpianatr’ i Jesosy izy, nefa tamin’ ny mangingina ihany noho ny fahatahorany ny Jiosy) dia nangataka tamin’ i Pilato, mba hahazoany manaisotra ny fatin’ i Jesosy. Ary nanaiky Pilato. Dia lasa izy ka nanaisotra ny fatin’ i Jesosy.Select John 19:38
39Ary tonga koa Nikodemosy (ilay nankao amin’ i Jesosy nony alina tamin’ ny voalohany) ka nitondra miora sy hazo manitra voaharoharo, tokony ho zato livatra.Select John 19:39
40Dia noraisiny ny fatin’ i Jesosy ka nofonosiny lambam-paty mbamin’ ny zava-manitra, araka ny fanaon’ ny Jiosy, raha mamboatra faty halevina.Select John 19:40
41Ary nisy saha teo amin’ ilay nanomboana Azy tamin’ ny hazo fijaliana; ary teo anatin’ ilay saha nisy fasana vaovao, izay tsy mbola nandevenana olona.Select John 19:41
42Ary teo no nandevenany an’ i Jesosy noho ny andro fiomanan’ ny Jiosy, satria teo akaiky ny fasana.Select John 19:42
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation