John 4
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Koa amin’ izany, rehefa fantatry ny Tompo fa ny Fariseo efa nahare fa Jesosy mahazo mpianatra maro sy manao batisa be noho JaonaSelect John 4:1
2(kanefa tsy Jesosy no nanao batisa, fa ny mpianany),Select John 4:2
3dia niala tany Jodia Izy ka nankany Galilia indray.Select John 4:3
4Ary tsy maintsy mamaky an’ i Samaria Izy.Select John 4:4
5Dia tonga tao an-tanàna anankiray any Samaria Izy, izay atao hoe Sykara, akaikin’ ny tany izay nomen’ i Jakoba ho an’ i Josefa zanany.Select John 4:5
6Ary teo ilay fantsakan’ i Jakoba. Ary satria sasatra Jesosy tamin’ ny nalehany dia nipetraka teo am-pantsakana Izy, rehefa tokony ho tamin’ ny ora fahenina.Select John 4:6
7Ary nisy vehivavy Samaritana anankiray avy hantsaka rano dia hoy Jesosy taminy: Omeo Aho hosotroiko.Select John 4:7
8(Fa ny mpianany efa lasa nankany an-tanàna hividy hanina)Select John 4:8
9Fa hoy ravehivavy Samaritana taminy: Nahoana Hianao no Jiosy ka mangataka amiko hosotroina, nefa aho vehivavy Samaritana? (Fa ny Jiosy tsy manan-draharaha amin’ ny Samaritana.)Select John 4:9
10Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha fantatrao ny fanomezan’ Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona.Select John 4:10
11Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, tsy manana fanovozana Hianao, sady lalina ny fantsakana; koa avy aiza no ahazoanao izany rano velona izany?Select John 4:11
12Hianao va lehibe noho Jakoba razantsika izay nanome anay ity fantsakana ity, sady izy sy ny zanany mbamin’ ny bibiny no nisotro teto?Select John 4:12
13Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray;Select John 4:13
14fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.Select John 4:14
15Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, omeo izany rano izany aho, mba tsy hangetaheta na hanketo hantsaka intsony.Select John 4:15
16Hoy Jesosy taminy: Andeha ary, antsoy ivadinao, ka mankanesa atỳ.Select John 4:16
17Ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy manam-bady aho. Hoy Jesosy taminy: Marina ihany izay nolazainao hoe: Tsy manam-bady aho;Select John 4:17
18fa efa nanam-bady indimy ianao, sady tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny; marina izany voalazanao izany.Select John 4:18
19Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao.Select John 4:19
20Ny razantsika nivavaka teto amin’ ity tendrombohitra ity; fa ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana.Select John 4:20
21Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin’ ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin’ ny Ray.Select John 4:21
22Hianareo mivavaka amin’ izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin’ izay fantatray, satria avy amin’ ny Jiosy ny famonjena.Select John 4:22
23Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ ny Ray amin’ ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.Select John 4:23
24Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ ny fanahy sy ny fahamarinana.Select John 4:24
25Hoy ravehivavy taminy: Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy); ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra.Select John 4:25
26Hoy Jesosy taminy: Izaho Izay miresaka aminao no Izy.Select John 4:26
27Ary tamin’ izay dia tonga ny mpianany ka gaga, satria vehivavy no niresahany; nefa tsy nisy nanao hoe: Inona no tadiavinao? na: Nahoana no miresaka aminy Hianao?Select John 4:27
28Dia nandao ny sininy ravehivavy ary nankany an-tanàna ka nanao tamin’ ny olona hoe:Select John 4:28
29Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroana, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra; Izao angaha no Kristy?Select John 4:29
30Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona ka nankeo amin’ i Jesosy.Select John 4:30
31Ary raha tsy mbola tonga izy ireny, ny mpianany dia nangataka taminy ka nanao hoe: Hano, Raby ô.Select John 4:31
32Fa hoy Jesosy taminy: Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo.Select John 4:32
33Dia niresaka ny mpianatra ka nanao hoe: Nisy olona nitondra zavatra hohaniny va re?Select John 4:33
34Hoy Jesosy taminy: Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’ izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.Select John 4:34
35Moa ianareo tsy manao hoe va: Efa-bolana no sisa, dia tonga ny fararano? Indro, lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana izy.Select John 4:35
36Ary izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin’ ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja.Select John 4:36
37Ary amin’ izany dia marina ilay teny hoe: Ny iray mamafy, ary ny iray kosa mijinja,Select John 4:37
38Izaho naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo; olon-kafa no nisasatra, fa ianareo kosa no niditra teo amin’ izay nisasarany.Select John 4:38
39Ary maro ny Samaritana avy tao amin’ izany tanàna izany no nino an’ i Jesosy noho ny filazan-dravehivavy, izay nanambara hoe: Nolazainy tamiko avokoa izay rehetra nataoko.Select John 4:39
40Ary rehefa nanatona Azy ny Samaritana, dia nangataka Azy hitoetra tao aminy; ka dia nitoetra tao indroa andro Izy.Select John 4:40
41Ary maro koa no nino noho ny teninySelect John 4:41
42ka nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao.Select John 4:42
43Ary rehefa afaka ny indroa andro, dia niala tao Jesosy ka nankany Galilia.Select John 4:43
44Fa ny tenan’ i Jesosy no efa nanambara fa tsy misy mpaminany manan-daza eo amin’ ny taniny.Select John 4:44
45Koa rehefa tonga tany Galilia Izy, dia nandray Azy ny Galiliana, satria efa hitany izay rehetra nataony tany Jerosalema tamin’ ny andro firavoravoana; fa izy ireo koa mba niakatra tamin’ ny andro firavoravoana.Select John 4:45
46Ary tonga tany Kana any Galilia indray Jesosy, dia tany amin’ ilay nampodiany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray izay nanana zanakalahy narary tany Kapernaomy.Select John 4:46
47Ary rehefa reny fa Jesosy efa tonga tany Galilia avy tany Jodia, dia nankany aminy izy ka nangataka Azy mba hidina sy hahasitrana ny zanany, satria efa ho faty izy.Select John 4:47
48Dia hoy Jesosy taminy: Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy.Select John 4:48
49Hoy ilay tandapa taminy: Tompoko, midìna re, dieny tsy mbola maty ny zanako.Select John 4:49
50Hoy Jesosy taminy: Andeha mody; velona ny zanakao. Ary ralehilahy nino ny teny izay nolazain’ i Jesosy taminy, ka dia lasa nody.Select John 4:50
51Ary nony nidina izy, dia nitsena azy ny mpanompony ka nilaza fa velona ny zanany.Select John 4:51
52Ary izy nanontany azy ny ora izay nanaretany. Dia hoy ireo taminy: Omaly tamin’ ny ora fahafito no nialan’ ny tazo taminy.Select John 4:52
53Koa fantatry ny rainy fa tamin’ izay indrindra no ora nanaovan’ i Jesosy taminy hoe: Velona ny zanakao. Dia nino izy mbamin’ ny ankohonany rehetra.Select John 4:53
54Izany no famantarana faharoa nataon’ i Jesosy, fony Izy tonga tany Galilia avy tany Jodia.Select John 4:54
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation