John 6
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Rehefa afaka izany, dia niala Jesosy ka lasa nita ny Ranomasin’ i Galilia, dia ny Ranomasin’ i Tiberiasy izany.Select John 6:1
2Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy noho ny nahitany ny famantarana izay efa nataony tamin’ ny marary.Select John 6:2
3Ary Jesosy niakatra tao an-tendrombohitra, dia nipetraka tao mbamin’ ny mpianany.Select John 6:3
4Fa efa akaiky ny Paska, ilay andro firavoravoan’ ny Jiosy.Select John 6:4
5Ary Jesosy nanopy ny masony ka nahita fa nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia hoy Izy tamin’ i Filipo: Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ ireo?Select John 6:5
6Izany no nataony mba hizahany toetra azy; fa izy nahalala ihany izay efa hataony.Select John 6:6
7Filipo namaly Azy hoe: Na dia mofo vidina denaria roan-jato aza tsy ampy azy rehetra hananany kely avy.Select John 6:7
8Ny mpianany anankiray, dia Andrea, rahalahin’ i Simona Petera, nilaza taminy hoe:Select John 6:8
9Misy zazalahy manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa, fa ho ampy inona moa izany amin’ izao olona betsaka izao?Select John 6:9
10Fa hoy Jesosy: Asaovy mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo. Ka dia nipetraka ny lehilahy, tokony ho dimy arivo no isany.Select John 6:10
11Dia nandray ny mofo Jesosy; ary rehefa nisaotra, dia nizara izany tamin’ izay nipetraka hihinana Izy; ary ny hazandrano koa araka izay nilainy.Select John 6:11
12Ary rehefa voky ny olona, dia hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Angony ny sisa tsy lany, mba tsy hisy ho very.Select John 6:12
13Dia nangoniny, ka nahafeno harona roa ambin’ ny folo ny sombintsombin’ ny mofo vary hordea dimy, izay ambiny tsy lanin’ ny nihinana.Select John 6:13
14Ary hoy ireny olona ireny, rehefa nahita ny famantarana izay nataon’ i Jesosy: Ity tokoa no Ilay Mpaminany Izay ho tonga amin’ izao tontolo izao.Select John 6:14
15Ary rehefa fantatr’ i Jesosy fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hataony mpanjaka, dia niala ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.Select John 6:15
16Ary rehefa hariva ny andro, dia nidina ho any amin’ ny ranomasina ny mpianany.Select John 6:16
17Ary niondrana an-tsambokely izy, dia nita ny ranomasina nankany Kapernaomy. Ary efa maizina ny andro tamin’ izay, nefa Jesosy tsy mbola tonga tany aminy.Select John 6:17
18Ary ny ranomasina nanonja, fa mafy ny fifofofofon’ ny rivotra.Select John 6:18
19Ary rehefa nivoy tokony ho dimy amby roa-polo na telo-polo stadio izy, dia nahita an’ i Jesosy nitsangantsangana eny ambonin’ ny ranomasina ka nanakaiky ny sambokely; dia natahotra izy.Select John 6:19
20Fa hoy Jesosy taminy: Izaho ihany; aza matahotra.Select John 6:20
21Dia ta-handray Azy ho eo an-tsambokely izy; ary niaraka tamin’ izay ny sambokely dia tonga tamin’ ny tany izay nalehany.Select John 6:21
22Nony ampitson’ iny ny vahoaka izay nijanona teny am-pitan’ ny ranomasina dia nahita fa tsy nisy sambokely hafa teo afa-tsy iray ihany, ary Jesosy tsy mba niara-niondrana an-tsambokely tamin’ ny mpianany, fa ny mpianany ihany no nandeha,Select John 6:22
23kanefa nisy sambokely hafa avy tany Tiberiasy tonga teo akaikin’ ilay tany nihinanany ny mofo, rehefa nisaotra ny Tompo,―Select John 6:23
24koa nony hitan’ ny vahoaka fa tsy teo Jesosy, na ny mpianany, dia niondrana an-tsambokely izy ka nankany Kapernaomy hitady an’ i Jesosy.Select John 6:24
25Ary rehefa nahita Azy teny am-pitan’ ny ranomasina izy, dia hoy izy taminy: Raby ô, oviana no tonga teto Hianao?Select John 6:25
26Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Mitady Ahy ianareo, nefa tsy noho ny nahitanareo famantarana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky.Select John 6:26
27Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen’ ny Zanak’ olona anareo; fa Izy no nasian’ Andriamanitra Ray tombo-kase.Select John 6:27
28Dia hoy ireo taminy: Inona no hataonay mba hiasanay ny asan’ Andriamanitra?Select John 6:28
29Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izao no asan’ Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny.Select John 6:29
30Dia hoy ireo taminy: Inona ary no famantarana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona moa no asa ataonao?Select John 6:30
31Ny razantsika nihinana ny mana tany an-efitra, araka ny voasoratra hoe: Mofo avy tany an-danitra no nomeny azy hohaniny.Select John 6:31
32Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Tsy Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra; fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra.Select John 6:32
33Fa ny mofon’ Andriamanitra dia Ilay midìna avy any an-danitra ka manome fiainana ho an’ izao tontolo izao.Select John 6:33
34Ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany.Select John 6:34
35Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon’ aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.Select John 6:35
36Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.Select John 6:36
37Izay rehetra omen’ ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy.Select John 6:37
38Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’ izay naniraka Ahy.Select John 6:38
39Ary izao no sitrapon’ izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin’ ny andro farany izy.Select John 6:39
40Fa izao no sitrapon’ ny Raiko, dia ny hahazoan’ izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany.Select John 6:40
41Dia nimonomonona tamin’ i Jesosy ny Jiosy, satria Izy nanao hoe: Izaho no mofo izay nidina avy tany an-danitra.Select John 6:41
42Dia hoy ireo: Tsy Ilehio va no Jesosy, Zanak’ i Josefa, Izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ahoana no dia anaovany ankehitriny hoe: ho nidina avy tany an-danitra?Select John 6:42
43Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza mimonomonona ianareo.Select John 6:43
44Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany.Select John 6:44
45Voasoratra ao amin’ ny mpaminany hoe: Ary izy rehetra dia hampianarin’ Andriamanitra. Izay rehetra mandre ka mianatra amin’ ny Ray no manatona Ahy.Select John 6:45
46Nefa tsy nisy nahita ny Ray, afa-tsy Izay avy amin’ Andriamanitra: Izy no nahita ny Ray.Select John 6:46
47Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay.Select John 6:47
48Izaho no mofon’ aina.Select John 6:48
49Ny razanareo nihinana ny mana tany an-efitra, nefa maty ihany.Select John 6:49
50Ity no mofo izay midìna avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy.Select John 6:50
51Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’ izao tontolo izao.Select John 6:51
52Dia nifanditra ny Jiosy ka nanao hoe: Hataon’ ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika?Select John 6:52
53Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon’ ny Zanak’ olona sy misotro ny ràny ianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.Select John 6:53
54Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany.Select John 6:54
55Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro.Select John 6:55
56Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy.Select John 6:56
57Ary tahaka ny nanirahan’ ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin’ ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko.Select John 6:57
58Ity no mofo izay nidina avy tany an-danitra; tsy tahaka ny razana izay nihinana, nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay.Select John 6:58
59Izany teny izany no nolazainy tao amin’ ny synagoga, raha nampianatra tao Kapernaomy Izy.Select John 6:59
60Koa maro tamin’ ny mpianany, nony nandre, dia nanao hoe: Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany?Select John 6:60
61Ary fantatr’ i Jesosy tao am-pony fa nimonomonona tamin’ izany ny mpianany, ka dia hoy Izy taminy: Mahatafintohina anareo va izay?Select John 6:61
62Mainka raha mahita ny Zanak’ olona miakatra ho any amin’ izay nitoerany taloha ianareo.Select John 6:62
63Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana.Select John 6:63
64Fa misy ny sasany aminareo izay tsy mino. Fa fantatr’ i Jesosy hatramin’ ny voalohany izay tsy nino sy izay hamadika Azy.Select John 6:64
65Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen’ ny Ray azy izany.Select John 6:65
66Hatramin’ izany dia maro tamin’ ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony.Select John 6:66
67Dia hoy Jesosy tamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy: Hianareo koa va mba te-hiala?Select John 6:67
68Simona Petera namaly Azy hoe: Tompo ô, hankany amin’ iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ ny fiainana mandrakizay.Select John 6:68
69Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin’ Andriamanitra.Select John 6:69
70Jesosy namaly azy hoe: Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin’ ny folo lahy, nefa ny anankiray aminareo aza dia devoly?Select John 6:70
71Fa Izy nilaza an’ i Jodasy, zanak’ i Simona Iskariota; fa izy no ilay efa hamadika Azy, nefa isan’ ny roa ambin’ ny folo lahy.Select John 6:71
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation