John 9
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary raha nandalo Jesosy, dia nahita lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka.Select John 9:1
2Ary ny mpianany nanontany Azy hoe: Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy?Select John 9:2
3Jesosy namaly hoe: Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan’ Andriamanitra eo aminy.Select John 9:3
4Isika tsy maintsy manao ny asan’ izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona.Select John 9:4
5Raha amin’ izao tontolo izao Aho, dia fahazavan’ izao tontolo izao.Select John 9:5
6Rehefa nilaza izany Izy, dia nandrora tamin’ ny tany ka nanao feta tamin’ ny rora, dia nahosony ny mason’ ilay jamba.Select John 9:6
7Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao ny masonao any amin’ ny farihy Siloama (izay atao hoe, raha adika, Nirahina). Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra.Select John 9:7
8Koa izay nifanolotra taminy sy izay nahita azy fa mpangataka izy taloha dia nanao hoe: Tsy ity va ilay nipetraka nangataka?Select John 9:8
9Hoy ny sasany: Izy ity, fa hoy ny sasany: Tsia, fa tahaka azy ihany; ary hoy kosa izy: Izaho no izy.Select John 9:9
10Dia hoy ny olona taminy: Ahoana no nahiratan’ ny masonao?Select John 9:10
11Ary izy namaly ka nanao hoe: Ilay Lehilahy atao hoe Jesosy no nanao feta, dia nanosotra ny masoko ka nanao tamiko hoe: Mankanesa any Siloama, ka sasao ny masonao; koa nandeha aho, dia nanasa azy, ka dia nahiratra.Select John 9:11
12Ary hoy ny olona taminy: Aiza moa izany Lehilahy izany? Hoy ralehilahy: Tsy fantatro.Select John 9:12
13Ary ilay jamba taloha dia nentiny tany amin’ ny Fariseo.Select John 9:13
14Ary tamin’ ny andro Sabata no nanaovan’ i Jesosy ny feta sy nampahiratany ny mason-dralehilahy.Select John 9:14
15Ary ny Fariseo koa nanontany azy izay nahiratan’ ny masony. Dia hoy izy taminy: Nasiany feta ny masoko, dia nosasako, ka nahiratra aho.Select John 9:15
16Ary hoy ny Fariseo sasany: Tsy avy amin’ Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny Sabata Izy. Hoy ny sasany: Hataon’ ny lehilahy mpanota ahoana no fahay manao fahagagana toy izany? Dia nisara-tsaina izy.Select John 9:16
17Ary hoy indray izy tamin’ ilay jamba: Ahoana no ilazanao Azy, fa nampahiratra ny masonao Izy? Dia hoy izy: Mpaminany Izy.Select John 9:17
18Ary amin’ izany ny Jiosy tsy nino azy ho efa jamba ka nahiratra, ambara-piantsony ny ray aman-drenin’ ilay nahiratraSelect John 9:18
19ka nanontaniany hoe: Zanakareo moa ity, izay lazainareo fa teraka jamba? Koa nanao ahoana ary no nahiratany izao?Select John 9:19
20Ny ray aman-dreniny namaly ka nanao hoe: Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba;Select John 9:20
21fa tsy fantatray izay nahiratany izao; ary tsy fantatray izay nampahiratra ny masony; izy ihany no anontanio; efa lehibe izy, aoka izy no hilaza ny amin’ ny tenany.Select John 9:21
22Izany teny izany no nolazain’ ny ray aman-dreniny, satria natahotra ny Jiosy izy; fa efa nifanaiky rahateo ny Jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy dia horoahina hiala amin’ ny synagoga.Select John 9:22
23Izany no nilazan’ ny ray aman-dreniny hoe: Efa lehibe izy, koa izy no anontanio.Select John 9:23
24Dia niantso ilay jamba teo aloha indray izy ka nanao taminy hoe: Omeo voninahitra Andriamanitra; izahay mahalala fa mpanota izany Lehilahy izany.Select John 9:24
25Fa izy namaly hoe. Tsy fantatro na mpanota Izy, na tsia; zavatra iray loha ihany no fantatro: jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao.Select John 9:25
26Dia hoy izy taminy: Inona no nataony taminao? Nanao ahoana ange no nampahiratany ny masonao?Select John 9:26
27Dia namaly azy hoe izy: Efa voalazako taminareo rahateo, fa tsy nihaino ianareo; nahoana no te-hihaino indray ianareo? Moa te-ho mpianany koa va ianareo?Select John 9:27
28Dia nanevateva azy izy ka nanao hoe: Ialahy no mpianany; fa izahay mpianatr’ i Mosesy.Select John 9:28
29Izahay mahalala fa Mosesy no nitenenan’ Andriamanitra; fa ny amin’ izany Lehilahy izany, dia tsy fantatray izay nihaviany.Select John 9:29
30Ralehilahy namaly azy hoe: Mba mahagaga tokoa lahy izany! fa tsy fantatrareo ny nihaviany, nefa nampahiratra ny masoko Izy.Select John 9:30
31Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny.Select John 9:31
32Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa nisy nampahiratra ny mason’ izay teraka jamba.Select John 9:32
33Raha tsy avy amin’ Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona Izy.Select John 9:33
34Ary namaly ireo ka nanao taminy hoe: Tena teraka tamin’ ny ota ialahy, ka ialahy indray va mampianatra anay? Dia noroahiny izy.Select John 9:34
35Jesosy nandre fa efa noroahiny ralehilahy; ary rehefa nahita azy Izy, dia nanao hoe: Mino ny Zanak-Andriamanitra va ianao?Select John 9:35
36Ralehilahy namaly ka nanao hoe: Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy?Select John 9:36
37Hoy Jesosy taminy: Efa nahita Azy ianao, sady Izay miresaka aminao izao no Izy.Select John 9:37
38Ary hoy izy: Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy.Select John 9:38
39Ary hoy Jesosy: Ho fitsarana no nahatongavako amin’ izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra.Select John 9:39
40Ary ny Fariseo sasany izay teo aminy, nony nandre izany, dia nanao taminy hoe: Izahay koa va mba jamba?Select John 9:40
41Hoy Jesosy taminy: Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; nefa hoy ianareo ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy afaka ny helokareo.Select John 9:41
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation