3 John 1
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Izaho loholona mamangy an’ i Galo, ilay malala, izay tiako amin’ ny fahamarinana.Select 3 John 1:1
2Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin’ ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.Select 3 John 1:2
3Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia toy ny andehananao araka ny fahamarinana.Select 3 John 1:3
4Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.Select 3 John 1:4
5Ry malala, manao asa mahatoky ianao na amin’ inona na amin’ inona ataonao amin’ ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy,Select 3 John 1:5
6izay nanambara ny fitiavanao teo anatrehan’ ny fiangonana; dia ho soa no ataonao, raha mamoaka azy koa araka izay miendrika hatao noho ny amin’ Andriamanitra ianao;Select 3 John 1:6
7fa noho ny Anarana no niangany, ka tsy naka na inona na inona tamin’ ny jentilisa izy.Select 3 John 1:7
8Koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany, mba ho mpiara-miasa aminy amin’ ny fahamarinana.Select 3 John 1:8
9Nanoratra tamin’ ny fiangonana Ihany aho; nefa Diotrefa, izay te-ho lohany, dia tsy mba mandray anay.Select 3 John 1:9
10Koa amin’ izany, raha tonga aho, dia hotsarovako izay asa ataony, fa mibedibedy foana manaratsy anay izy; ary tsy afa-po amin’ izany ihany, fa ny tenany dia tsy mandray ireo rahalahy ireo, ary izay ta-handray azy dia raràny sy roahiny hiala amin’ ny fiangonana.Select 3 John 1:10
11Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin’ Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an’ Andriamanitra.Select 3 John 1:11
12Demetrio dia tsara laza amin’ ny olona rehetra sy amin’ ny fahamarinana koa; ary izahay koa manambara izany, ary fantatrao fa marina ny fanambaranay.Select 3 John 1:12
13Nanana zavatra maro hosoratana aho, nefa tsy tiako hosoratana aminao amin’ ny ranomainty sy ny penina;Select 3 John 1:13
14fa manantena hahita anao faingana ihany aho, dia hiteny mifanatrika isika.Select 3 John 1:14
15Ho aminao anie ny fiadanana. Ny sakaiza atỳ manao veloma anao. Veloma amin’ ny sakaiza tsirairay araka ny anarany avy.Select 3 John 1:15
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation