Skip to content
Church.wiki

1 John Chapter 1 Baiboly Malagasy (1865)

General epistles · 1 John · Baiboly Malagasy (1865) · 10 verses

Verse layout
📝 Overview of this chapter Flow, key verses and people

요한일서 1장은 '생명의 말씀'을 직접 보고 들은 증인의 고백으로 편지를 연다. 이어 "하나님은 빛"이라는 소식과 함께 빛 가운데 행하는 사귐, 죄의 자백과 용서를 다룬다.

Jump to verse

11 John · Baiboly Malagasy (1865)
1Izay hatramin’ ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan’ ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain’ ny tananay, dia ny amin’ ny Teny Fiainana
2(fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin’ ny Ray ka efa naseho taminay), ―
3izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin’ ny Ray sy amin’ i Jesosy Kristy Zanany.
4Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika.
5Ary izao no teny renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy.
6Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin’ ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina.
7Fa raha mandeha eo amin’ ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran’ i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ ny ota rehetra. Notes
8Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.
9Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ ny tsi-fahamarinana rehetra. Notes
10Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary tsy ato anatintsika.

Baiboly Malagasy (1865)
Tap a verse to copy, share, highlight or add a note. Dotted words link to encyclopedia articles.

10 verses in this chapter
1 / 5 chapters

The text is Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — From getbible.net (CrossWire SWORD module) · license: 공개 도메인 (Public Domain) Highlights, notes and read marks stay with the chapter whichever version you read. Dotted words are people, places and terms that have an encyclopedia article (marked once per page). Highlights, notes and read marks are saved only in this browser and gathered under My marks.

Verse commentaries for this chapter 2

Articles mentioning this chapter

More