Skip to content
Church.wiki
Job

Job 10

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Maharikoriko ahy ny aiko; Hamoaka ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian’ ny fanahikoSelect Job 10:1

2Hanao amin’ Andriamanitra hoe aho: Aza manameloka ahy; Mba ampahalalao izay anton’ ny iadianao amiko aho.Select Job 10:2

3Mahafaly Anao va ny hampahory sy hanary ny efa nisasaranao ka hamirapiratra amin’ ny fisainan’ ny ratsy fanahy?Select Job 10:3

4Manana maso nofo va Hianao? Na mijery tahaka ny fijerin’ ny zanak’ olombelona?Select Job 10:4

5Tahaka ny andron’ ny zanak’ olombelona va ny andronao? Na tahaka ny taonan’ ny olombelona ny taonanao,Select Job 10:5

6No dia mikaroka izay heloko Hianao sy mikatsaka izay fahotako,Select Job 10:6

7Na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho, ary tsy misy mahavonjy amin’ ny tananao?Select Job 10:7

8Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray aho izao.Select Job 10:8

9Masìna Hianao, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, ka hamerina ahy amin’ ny vovoka indray Hianao!Select Job 10:9

10Tsy naidinao toy ny ronono va aho ka nampandrinao toy ny ronono-mandry?Select Job 10:10

11Eny, notafianao hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin’ ny taolana sy ny ozatra.Select Job 10:11

12Aina sy famindram-po no nomenao ahy; Ary ny fiahianao no niaro ny aiko.Select Job 10:12

13Saingy izao no nafeninao tao am-ponao, eny, fantatro fa tao aminao izao:Select Job 10:13

14Raha manota aho, dia mamantatra ahy Hianao ka tsy manafaka ahy amin’ ny heloko.Select Job 10:14

15Raha meloka aho, dia lozako! Ary na dia marina aza aho, dia tsy ho sahy miandrandra, satria feno henatra sady mahatsiaro fahoriana aho.Select Job 10:15

16Fa raha sahy miandrandra aho, dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Hianao; Ary hiverina indray Hianao, ka ho mahagaga ny famelinao ahy.Select Job 10:16

17Mbola hanangana vavolombelona vaovao mandrakariva hanameloka ahy Hianao sy hampitombo ny fahatezeranao amiko; Fahavalo mifanontona no mamely ahy.Select Job 10:17

18Ka nahoana no namoaka ahy foana avy tany am-bohoka Hianao? Fa raha tsy izany, dia ho niala aina aho, ka tsy mba nisy maso nahita ahy akory.Select Job 10:18

19Ary efa toy ny tsy ary aho. Ka nentina avy tany an-kibo ho any am-pasana.Select Job 10:19

20Tsy vitsy va ny androko? Koa mitsahara Hianao, mihataha mba hakako aina kely,Select Job 10:20

21Dieny tsy mbola lasa tsy hiverina aho, dia ho any amin’ ny tanin’ ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana,Select Job 10:21

22Ho any amin’ ny tany maizim-pito, dia ny an’ ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, sady maizim-pito ny famirapiratana any.Select Job 10:22

Next: Job 11Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Job

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.