Job 13
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Indro, izany rehetra izany efa hitan’ ny masoko, ary efa ren’ ny sofiko ka fantany.Select Job 13:1
2Izay fantatrareo dia mba fantatro koa; Tsy latsaka noho ianareo aho tsy akory.Select Job 13:2
3Kanefa raha izaho, dia ny Tsitoha no tiako hitenenana, ary Andriamanitra no iriko handaharan-teny.Select Job 13:3
4Fa ianareo kosa dia mpamoron-dainga; Dokotera tsy mahomby ianareo rehetra,Select Job 13:4
5Enga anie ka hangina mihitsy ianareo, dia ho fahendrenareo izany!Select Job 13:5
6Masìna ianareo, henoy ny anatro, ary tandremo izay alahatry ny molotro.Select Job 13:6
7Hanao teny tsy marina ho enti-manamarina an’ Andriamanitra va ianareo? Hiteny fitaka ho Azy va ianareo?Select Job 13:7
8Hiangatra ho Azy va ianareo? Handaha-teny ho an’ Andriamanitra va ianareoSelect Job 13:8
9Ho tsara aminareo va, raha mandinika anareo Izy? Na ho azonareo fitahina hoatra ny famitaka zanak’ olombelona va Izy?Select Job 13:9
10Hanameloka anareo mihitsy Izy, Raha miangatra mangingina ianareo.Select Job 13:10
11Tsy hampahatahotra anareo va ny fahalehibiazany? Ary tsy hitsatoka aminareo va ny fahatahorana avy aminy?Select Job 13:11
12Ireo teny tononinareo ireo dia ohabolana lavenona foana, ary manda fotaka ihany ny mandanareo.Select Job 13:12
13Mangìna, ka mialà amiko ianareo, mba hitenenako; Fa aoka hanjo ahy ihany izay hanjo ahy.Select Job 13:13
14Nahoana no hitondra ny nofoko amin’ ny nifiko aho? Tsia, fa manao ny aiko tsy ho zavatra aho.Select Job 13:14
15Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho; Kanefa hanamarina ny lalako eo anatrehany aho.Select Job 13:15
16Ary izao no ho famonjena ahy: Ny mpihatsaravelatsihy tsy sahy mankeo anatrehany.Select Job 13:16
17Mihainoa dia mihainoa ny teniko, ary aoka ho ren’ ny sofinareo ny filazàko.Select Job 13:17
18Indro, fa efa voatoriko ny adiko; Fantatro fa hanan-drariny aho.Select Job 13:18
19Iza no hahazo hifandahatra amiko? Fa raha izany, dia hangina aho ka hiala aina.Select Job 13:19
20Izao zavatra roa loha izao ihany no aza mba atao amiko, dia tsy hiery Anao aho;Select Job 13:20
21Esory hanalavitra ahy ny tananao, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy fampitahoranao.Select Job 13:21
22Dia miantsoa, fa izaho hamaly; Na aoka hiteny aho, ka valio aho.Select Job 13:22
23Firy ary ny heloko sy ny fahotako? Mba ampahalalao izay fiodinako sy fahotako aho.Select Job 13:23
24Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manao ahy ho fahavalonao?Select Job 13:24
25Moa izay ravin-kazo indaosin’ ny rivotra avy va no ampitahorinao? Ary izay vodivary maina avy va no enjehinao?Select Job 13:25
26Fa zava-mangidy no tendrenao hamely ahy, ka ampanodiavinao ahy, ny heloky ny fahatanorako;Select Job 13:26
27Dia mampiditra ny tongotro eo amin’ ny boloky hazo Hianao ary mitsikilo ny diako rehetra; Ny hodiavin’ ny tongotro dia feranao.Select Job 13:27
28Dia izaho ity izay mihalevona tahaka ny zavatra hanin’ ny fositra, eny, tahaka ny fitafiana lanin’ ny kalalao.Select Job 13:28
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain