Job 19
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Dia namaly Joba ka nanao hoe:Select Job 19:1
2Mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny fanahiko sy hanorotoroanareo ahy amin’ ny fiteny?Select Job 19:2
3Efa im-polo izay no nanaratsianareo ahy; Tsy misoroka izay hampahory ahy ianareo.Select Job 19:3
4Ary raha diso tokoa aho, dia izaho ihany no andrian’ ny fa hadisoako.Select Job 19:4
5Raha mirehareha amiko kosa ianareo ka mampiaiky ahy ho nanao izay mahamenatra,Select Job 19:5
6Dia aoka ho fantatrareo fa Andriamanitra no efa nampitanondrika ahy ka efa naningotra ahy tamin’ ny fandrika haratony.Select Job 19:6
7Indro, miantso mafy aho hoe: Loza! nefa tsy misy mamaly ahy; Mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny.Select Job 19:7
8Ny lalako dia nofefeny, ka tsy afa-mandroso aho; ary nasiany maizina teo amin’ ny lalana alehako.Select Job 19:8
9Ny voninahitro nalany tamiko, ary nesoriny ny satro-boninahitra teo an-dohako.Select Job 19:9
10Efa nandrava ahy manodidina Izy, ka efa ho faty aho; Ary efa nofongorany tahaka ny hazo ny fanantenako.Select Job 19:10
11Dia nampirehetiny tamiko ny fahatezerany, ka nataony ho fahavalony aho.Select Job 19:11
12Miara-mandroso ny antokon’ ny miaramilany ary manandratra tovon-tany hamelezany ahy izy ka mitoby manodidina ny laiko.Select Job 19:12
13Ny rahalahiko efa nampanalaviriny ahy; Ary ny olona nahazatra ahy efa nihafahafa tamiko avokoa.Select Job 19:13
14Efa tsy misy eto intsony ny havako, ary ny sakaizako efa nanadino ahy.Select Job 19:14
15Ny vahiny izay mitoetra ao an-tranoko sy ny ankizivaviko aza samy manao ahy ho olon-kafa; Tonga olon-ko azy eo imasony aho.Select Job 19:15
16Antsoiko ny mpanompoko, nefa tsy namaly ahy izy; Mifona aminy amin’ ny vavako aho.Select Job 19:16
17Ny fofonaiko mahaloiloy ny vadiko, ary maharikoriko ny zanak’ ineny aho.Select Job 19:17
18Eny, ny ankizilahy madinika aza mamingavinga ahy; Raha te-hitsangana aho, dia miteny mamely ahy ireny.Select Job 19:18
19Na dia izay nifankazatra tamiko indrindra aza dia manao ahy ho zava-betaveta, ary izay olon-tiako dia mivadika ho fahavaloko.Select Job 19:19
20Ny taolako miraikitra amin’ ny hoditro sy ny nofoko, ary ny akanjo-nifiko ihany no hany sisa azoko enti-mandositra.Select Job 19:20
21Mamindrà fo amiko, mamindrà fo amiko ianareo, ry sakaizako ô; fa ny tànan’ Andriamanitra efa mikasika ahy.Select Job 19:21
22Nahoana no manenjika ahy tahaka an’ Andriamanitra koa ianareo ka tsy mety afa-po amin’ ny nofoko?Select Job 19:22
23Enga anie ka ho voasoratra ny teniko! Enga anie ka ho voatomboka eo amin’ ny boky ireny!Select Job 19:23
24Enga anie ka ho voasoratra amin’ ny vy fanoratana sady voasy firaka eo amin’ ny vatolampy ho mandrakizay izy!Select Job 19:24
25Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ ny vovoka Izy.Select Job 19:25
26Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin’ ny nofoko aho, dia hahita an’ Andriamanitra;Select Job 19:26
27Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko ato anatiko.Select Job 19:27
28Raha hoy ianareo: Andeha hanenjika azy fatratra isika. Fa hita ao anatiny ny fototry ny mahameloka azy.Select Job 19:28
29Dia matahora ny sabatra ianareo; Fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra, mba ho fantatrareo fa misy fitsarana.Select Job 19:29
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain