Skip to content
Church.wiki
Job

Job 21

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Dia namaly Joba ka nanao hoe:Select Job 21:1

2Mihainoa dia mihainoa ny teniko, Ary aoka izany no ho fampiononanareo ahy.Select Job 21:2

3Mandefera amiko ianareo, fa mba hiteny kosa aho izao; Ary rehefa tapitra ny teniko, dia mandatsalatsà ihany indray ianareo.Select Job 21:3

4Raha ny amiko, moa ny ataon’ ny olona va no itarainako? Ary raha izany, nahoana no hahalefitra ny fanahiko?Select Job 21:4

5Jereo aho, dia aoka ho talanjona ianareo, ary mitampena vava.Select Job 21:5

6Eny, raha mahatsiaro izany aho, dia raiki-tahotra, sady toran-kovitra ny tenako:Select Job 21:6

7Nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady tratrantitra no be hery?Select Job 21:7

8Ny zanany koa mitomoetra tsara eo anatrehany, ary ny zafiny eo anoloany.Select Job 21:8

9Ny ankohonany miadana ka tsy manan-tahotra, ary ny tsorakazon’ Andriamanitra tsy mamely azy.Select Job 21:9

10Ny ombilahiny mampiteraka ka mahavanona; Ny ombivaviny miteraka ka tsy mamotsotra.Select Job 21:10

11Mamoaka ny zanany madinika toy ny ondry aman’ osy izy, ka mikoriana ny zanany.Select Job 21:11

12Mihoby mitondra ampongatapaka sy lokanga izy ary mifaly amin’ ny feon-tsodina.Select Job 21:12

13Mandany ny androny amin’ ny fahafinaretana izy; Amin’ ny indray mipi-maso monja no idinany any amin’ ny fiainan-tsi-hita.Select Job 21:13

14Kanefa anie ireo no manao amin’ Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny lalanao.Select Job 21:14

15Zinona izay Tsitoha, no hotompoinay? Ary inona no soa ho azonay, raha mivavaka aminy?Select Job 21:15

16Indro, tsy avy amin’ ny tenany ihany ny fahafinaretany! Ho lavitra ahy anie ny fisainan’ ny ratsy fanahy!Select Job 21:16

17Indraindray foana no mba maty ny jiron’ ny ratsy fanahy, sy tonga ny loza manjo azy. Ary amelaran’ Andriamanitra fandrika ireny noho ny fahatezerany,Select Job 21:17

18Ka tonga tahaka ny mololo voatetika indaosin’ ny rivotra izy sy tahaka ny akofa entin’ ny tafio-drivotra.Select Job 21:18

19Andriamanitra, hoy ianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny helodrainy! Tsia; fa ny tenan’ ireny ihany no aoka hovaliany, mba hahalalany.Select Job 21:19

20Aoka ny masony ihany no hahita ny loza manjo azy, ary aoka ny tenany ihany no hisotro ny fahatezeran’ ny Tsitoha.Select Job 21:20

21Fa mampaninona azy moa ny amin’ ny taranany mandimby azy, raha tapaka ny isan’ ny androny?Select Job 21:21

22Moa Andriamanitra va no hampianarim-pahalalana, nefa Izy no mitsara ny any an-danitra aza?Select Job 21:22

23Maty ny anankiray, raha tsy mbola mihena ny fahatanjahany, sady miadana tokoa ka tsy manana ahiahy;Select Job 21:23

24Feno ronono ny fitoeran-drononony, ary vonton-tsoka ny taolany.Select Job 21:24

25Ary ny anankiray maty amin’ ny fahorian’ ny fanahiny kosa ka tsy mba nanandrana soa akory.Select Job 21:25

26Samy mandry ao amin’ ny vovoka izy roa tonta, ka feno olitra ny tenany.Select Job 21:26

27Indro, fantatro ny hevitrareo sy ny saim-petsy amelezanareo ahy;Select Job 21:27

28Fa hoy ianareo: Aiza ny tranon’ ny mpitohatoha? Ary aiza ny lay fitoeran’ ny ratsy fanahy?Select Job 21:28

29Kanefa tsy mba nanontany tamin’ ny mpandeha amin’ ny tany lavitra va ianareo? Ary tsy heverinareo va ny zava-mahagaga, ambaran’ Ireo hoe:Select Job 21:29

30Amin’ ny andro hahitan-doza dia voaaro ihany ny ratsy fanahy, ary amin’ ny andro fahatezerana dia enti-miala izy?Select Job 21:30

31Iza no hanambara ny lalany eo anatrehany? Ary raha misy zavatra nataony, iza no sahy hamaly azy?Select Job 21:31

32Ary ho entina ho eny an-tany fandevonana izy ka mbola hitazana ao am-pasana;Select Job 21:32

33Ho mamy aminy ny bainga any an-dohasaha, ary ny olona rehetra hanaraka azy, toy ny nandehanan’ ny maro tany alohany.Select Job 21:33

34Endrey! ity ianareo mba mampionona ahy foana! Ary ny famalianareo anefa, raha voasana tsara, dia lainga ihany!Select Job 21:34

Next: Job 22Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Job

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.