Skip to content
Church.wiki
Job

Job 23

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Dia namaly Joba ka nanao hoe:Select Job 23:1

2Mbola atao ho fikomianao ihany ny fitarainako; Ny tanana mamely ahy dia mitambesatra amin’ ny fisentoako.Select Job 23:2

3Enga anie ka ho fantatro izay hahitako Azy ka ho tonga any amin’ ny fitoerany aza!Select Job 23:3

4Dia handahatra ny teniko eo anatrehany aho. Ka hofenoiko ny teny alahatro ny vavako;Select Job 23:4

5Ary hahalala izay teny havaliny ahy aho sy hamantatra izay holazainy amiko.Select Job 23:5

6Hery lehibe va no handaharany teny amiko? Tsia, fa Izy indrindra no hihaino ahySelect Job 23:6

7Fa amin’ izany dia olona marina no ho nifandahatra taminy; Ka dia ho nanan-drariny mihitsy aho tamin’ ny Mpitsara ahy.Select Job 23:7

8Indro, miantsinanana aho, fa tsy any Izy; Ary miankandrefana aho, fa tsy hitako Izy;Select Job 23:8

9Mianavaratra amin’ izay iasany aho, fa tsy tazako Izy; Mivily any atsimo Izy, ka tsy hitako.Select Job 23:9

10Fa mahalala ny lalana falehako Izy; Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena.Select Job 23:10

11Ny tongotro nifikitra tamin’ ny lalany; Eny, ny lalany no nizorako tsara, ka tsy nivily aho.Select Job 23:11

12Ny didin’ ny molony tsy mba nialako; Ny tenin’ ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako.Select Job 23:12

13Nefa tsy miova saina Izy, iza no mahasakana Azy? Fa na inona na inona irin’ ny fanahiny dia ataony.Select Job 23:13

14Eny, manatanteraka izay voatendry ho ahy Izy; Ary zavatra maro toy izany no ao aminy;Select Job 23:14

15Roa Izany no mampangovitra ahy eo anatrehany; Raha misaintsaina izany aho, dia matahotra Azy.Select Job 23:15

16Fa Andriamanitra no mandrerakany foko, ary ny Tsitoha no mampangovitra ahy;Select Job 23:16

17Fa tsy ny fahamaizinana no maharesy ahy, na ny maizim-pito izay manarona ny tavako.Select Job 23:17

Next: Job 24Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Job

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.