Job 30
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy na dia izay tokon-jandriko aza, dia zanak’ ireo izay nolaviko tsy ho isan’ ny amboa miandry ny ondriko akory aza.Select Job 30:1
2Eny, mampaninona ahy ny herin’ ny tànan’ ireo. Izay efa very fahatanjahana?Select Job 30:2
3Manjenjena noho ny tsi-fisian-kanina sy ny mosary izy; Homankomana foana any an-tany karankaina izy, dia eo an-katoky ny loza sy ny fandringanana.Select Job 30:3
4Mitsongo anambodihena eo amin’ ny kirihitrala izy, ary ny fakan’ ny anjavidy no fihinany.Select Job 30:4
5Roahina tsy ho eo amin’ ny olona izy sady akoraina toy ny mpangalatra.Select Job 30:5
6Any an-dohasaha mahatsiravina no tsy maintsy itoerany, dia ao an-dava-tany sy an-dava-bato.Select Job 30:6
7Minananana eny amin’ ny kirihitrala izy ary mitangorona eo ambanin’ ny amiana.Select Job 30:7
8Zanaky ny adala izy sady zanaky ny tsy manan-kaja, ka roahina tsy ho eo amin’ ny tany.Select Job 30:8
9Ary ankehitriny efa ataony an-kira aho. Eny, efa ambentinteniny aho.Select Job 30:9
10Ataony toy ny zava-betaveta aho ka halaviriny, ary tsy menatra handrora ny tavako izy.Select Job 30:10
11Fa noketrahin’ Andriamanitra ny kofehiko, ka nampietreny aho; Ka dia mba nesorin’ iretsy kosa teo anatrehako ny lamboridiny.Select Job 30:11
12Misy androvolahy mitsangana eo ankavanako; Manosika ny tongotro hiala izy ary manandratra tovon-tany hampidirany loza amiko.Select Job 30:12
13Mandrava ny lalako sy manararaotra ny andravana ahy izy, nefa ny tenany tsy manan-kamonjy,Select Job 30:13
14Toy ny fiditra eo amin’ ny banga lehibe no fihaviny, ka avy ao amin’ ny voarava no imaonany.Select Job 30:14
15Voatodika hamely ahy ny fampitahorana: Manenjika ny voninahitro tahaka ny rivotra izy, ka levona tahaka ny rahona ny famonjena ahySelect Job 30:15
16Ary ankehitriny, raraka ato anatiko ny fanahiko. Fenjàn’ ny andro fahoriana aho.Select Job 30:16
17Ny alina mampahalò ny taolako ho afaka amiko, ary tsy mitsahatra ireo manotahota ahy ireo.Select Job 30:17
18Noho ny haben’ ny hery dia tonga tsy antonona ny akanjoko, manenda ahy tahaka ny vozon-dobaka izany.Select Job 30:18
19Eny, nanary ahy teo amin’ ny fotaka Izy, ka efa tahaka ny vovoka sy ny lavenona ahoSelect Job 30:19
20Mitaraina aminao aho, nefa tsy mihaino ahy Hianao; Mijoro eo aho, nefa ierenao foana.Select Job 30:20
21Efa manjary lozabe amiko Hianao; Ny herin’ ny tananao no andrafianao ahy.Select Job 30:21
22Aingainao ho eny amin’ ny rivotra aho ka alefanao handeha, ary levoninao amin’ ny tafio-drivotra mifofofofo ho tsinontsinona aho.Select Job 30:22
23Fa fantatro fa hampodinao any amin’ ny fahafatesana aho, dia any amin’ ny trano fivorian’ ny olombelona rehetra.Select Job 30:23
24Kanefa tsy manainga ny tànany va ny olona, raha ianjeran’ ny rava? Ary tsy mitaraina va izy, raha tratry ny loza?Select Job 30:24
25Tsy nitomany ny ory va aho? Tsy nangorakoraka ny malahelo va ny fanahiko?Select Job 30:25
26Fa niandry ny soa aho, kanjo tonga ny ratsy; Ary nanantena ny mazava aho, kanjo avy ny maizina.Select Job 30:26
27Nandevilevy ny tsinaiko ka tsy nanam-pitsaharana; Nitsena ahy ny andro fahoriana.Select Job 30:27
28Mitsaitsaika mitafy lamba fisaonana aho sady tsy mahita masoandro; Mitsangana aho ka mitaraina eo ampivorian’ ny olona.Select Job 30:28
29Rahalahin’ ny amboadia aho Ary naman’ ny ostritsa.Select Job 30:29
30Efa mainty ny hoditro sady miendakendaka, ary efa karankaina noho ny hafanana ny taolako.Select Job 30:30
31Nanjary fisaonana ny lokangako. Ary feon’ ny mitomany ny sodiko.Select Job 30:31
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain