Skip to content
Church.wiki
Job

Job 31

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Efa nampanekeko ny masoko; Koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy?Select Job 31:1

2Fa raha izany, dia inona no anjara avy amin’ Andriamanitra any ambony. Sy lova avy amin’ ny Tsitoha any amin’ ny avo?Select Job 31:2

3Moa tsy loza va no manjo ny ratsy fanahy? Ary tsy fahoriana va no mahazo ny mpanao ratsy?Select Job 31:3

4Moa tsy Andriamanitra va no mijery ny lalako ka manisa ny diako rehetra?Select Job 31:4

5Raha tàhiny nandeha tamin’ ny fitaka aho na niezaka tamin’ ny fahafetsena.Select Job 31:5

6(Enga anie ka holanjain’ Andriamanitra eo amin’ ny mizanan’ ny fahamarinana aho! Dia ho fantany ny tsi-fananako tsiny);Select Job 31:6

7Raha tàhiny nivily niala tamin’ ny lalana ny diako, na nanaraka ny masoko ny foko, na nisy tsiny niraikitra tamin’ ny tanako:Select Job 31:7

8Dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hihinana, ary aoka ho fongotra izay amboleko.Select Job 31:8

9Raha tahìny adala tamin’ ny vadin’ olona ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran’ ny namako aho,Select Job 31:9

10Dia aoka kosa ny vadiko halain’ ny sasany, ary aoka olon-kafa no handry aminy.Select Job 31:10

11Fa fahavetavetana izany, eny, heloka tokony hotsarain’ ny mpitsara;Select Job 31:11

12Fa afo mandevona hatrany amin’ ny fandringanana izany ka hanongotra ny vokatro rehetra.Select Job 31:12

13Raha tàhiny aho nandà ny rariny izay an’ ny ankizilahiko na ny ankizivaviko, raha nifamaly tamiko izy,Select Job 31:13

14Dia inona no hataoko, raha hitsangana Andriamanitra? Ary ahoana no havaliko Azy, raha handinika Izy?Select Job 31:14

15Fa moa tsy Izay nanao ahy tany an-kibo ihany va no nanao azy koa? Ary tsy Iray ihany va no namorona anay tany am-bohoka?Select Job 31:15

16Raha tàhiny aho nandà Izay nirin’ ny malahelo ka nahapahina ny mason’ ny mpitondratena,Select Job 31:16

17Na nihinana ny sombin-kaniko irery, ka tsy mba nihinanan’ ny kambotySelect Job 31:17

18(Fa tsy izany, fa hatry ny fony mbola tanora aho, dia notezaina teo amiko tahaka ny zanaka ny kamboty, Ary nitondra ny mpitondratena hatrany an-kibon-dreniko aho);Select Job 31:18

19Raha tàhiny aho nahita olona efa ho faty noho ny tsi-fananan-damba. Na malahelo tsy manan-kitafy,Select Job 31:19

20Koa tsy nankasitraka ahy ny tenany, ary tsy nanafàna azy ny volon’ ondriko;Select Job 31:20

21Raha tahìny aho naninjitra ny tanako hampahory ny kamboty, saingy hitako fa nisy niandany tamiko teo am-bavahady:Select Job 31:21

22Dia aoka ny foto-tsandriko hitsoaka hiala amin’ ny rangomainako, eny, aoka ny sandriko ho latsaka hiala amin’ ny taolam-panaviko.Select Job 31:22

23Fa mampahatahotra ahy ny loza avy amin’ Andriamanitra, ka tsy mahavita na inona na inona aho noho ny fahalehibiazany.Select Job 31:23

24Raha tàhiny aho nanao ny volamena ho fanantenako, na nanonona ny volamena tsara hoe: Ry tokiko ô;Select Job 31:24

25Raha tàhiny ho nifaly noho ny haben’ ny fananako sy noho ny nahazoan’ ny tanako harena betsaka;Select Job 31:25

26Raha tàhiny aho nijery ny masoandro, raha namirapiratra izy, na ny volana, raha nandeha tamin’ ny fangarangarany izy,Select Job 31:26

27Ka voafitaka mangingina ny foko, ary nanoroka ny tanako ny vavakoSelect Job 31:27

28(Dia heloka hanamelohan’ ny mpitsara koa izany; Fa ho nihatsaravelatsihy tamin’ Andriamanitra Izay any ambony aho);Select Job 31:28

29Raha tàhiny aho nifaly noho ny loza nanjo izay nankahala ahy, na nibitabitaka, raha nozoim-pahoriana izySelect Job 31:29

30(Tsia, fa tsy navelako hanota akory ny vavako hangataka ozona hanjo azy);Select Job 31:30

31Raha tàhiny ny tao an-daiko tsy nanao hoe: Iza moa no tsy voky tamin’ ny henany?Select Job 31:31

32Ny vahiny aza tsy nandry teny ala-trano; Fa novohako ny varavarako manatrika ny lalana;Select Job 31:32

33Raha tàhiny aho mba nanarona ny fahadisoako tahaka an’ i Adama ka nanafina ny heloko tato an-tratrako,Select Job 31:33

34Satria nampihorohoro ny foko ny vahoaka maro be, ary natahotra aho, fandrao hamavoin’ ny fokon’ olona, ka dia namitsaka, fa tsy sahy nivoaka ny varavaranaSelect Job 31:34

35Enga anie ka hisy hihaino ahy! Indro ny soniako! Enga anie ka hamaly ahy ny Tsitoha! Indro ny taratasy voasoratr’ ilay manana ady amiko!Select Job 31:35

36Hataoko eny an-tsoroko tokoa izany ary hafehiko amiko ho satro-boninahitra.Select Job 31:36

37Ny isan’ ny diako dia hambarako aminy, ary tahaka ny fanakon’ ny zanak’ andriana no hanatonako Azy.Select Job 31:37

38Raha tàhiny mitaraina hiampanga ahy ny taniko, ka miara-mitomany ny vavasako;Select Job 31:38

39Raha tàhiny aho nihinana ny vokatra, nefa tsy nandoa ny vidiny. Na nanao izay hahafaty ny ain’ ny tompony:Select Job 31:39

40Dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny vary tritika. Ary ny ahi-dratsy hisolo ny vary hordea. Tapitra ny tenin’ i Joba.Select Job 31:40

Next: Job 32Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Job

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.