Job 32
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary nitsahatra tsy namaly intsony izy telo lahy ireo, satria nanamarin-tena Joba.Select Job 32:1
2Ary nirehitra kosa ny fahatezeran’ i Eliho, zanak’ i Barakela, Bozita, avy amin’ ny fokon’ i Rama; eny, tamin’ i Joba no nirehetan’ ny fahatezerany, satria nanao ny tenany ho marina noho Andriamanitra izy.Select Job 32:2
3Ary tamin’ ny sakaizany telo lahy koa no nirehetan’ ny fahatezerany, satria tsy nahita teny havaliny izy ireo, kanefa nanameloka an’ i Joba.Select Job 32:3
4Ary Eliho mbola niandry an-dr’ i Joba aloha vao niteny, fa ireo no ela niainana kokoa noho izy.Select Job 32:4
5Ary rehefa hitany fa tsy nanan-kavaly izy telo lahy, dia nirehitra ny fahatezerany;Select Job 32:5
6ka dia niteny Eliho, zanak’ i Barakela, Bozita, ka nanao hoe: Mbola tanora aho, fa ianareo kosa efa fotsy volo, koa dia niaoriandriana aho aloha, fa tsy sahy nanambara aminareo izay fantatro.Select Job 32:6
7Hoy izaho: Aoka ny fahanterana no hiteny, ary aoka ny hamaroan’ ny taona no hampianatra fahendrena.Select Job 32:7
8Kanefa ny fanahy izay ao anatin’ ny zanak’ olombelona sy ny fofonoin’ ny Tsitoha no mahahendry azy.Select Job 32:8
9Tsy dia ny fahalehibiazana no mahahendry, ary tsy dia ny fahanterana no ahalalana ny rariny;Select Job 32:9
10Ary noho izany dia hoy izaho: Aoka samy hihaino ahy; Izaho koa mba hanambara izay fantatro.Select Job 32:10
11Indro, niandry ny teninareo aho, ary nandinika ny teny nalahatrareo, mandra-pihevitrareo izay holazaina;Select Job 32:11
12Eny, nihaino dia nihaino anareo aho, fa he! tsy nisy naharesy lahatra an’ i Joba ianareo, na nahavaly ny teniny akory;Select Job 32:12
13Fandrao ianareo hanao hoe: Hitanay ny fotony: Andriamanitra no maharesy azy, fa tsy olona.Select Job 32:13
14Tsy nandaha-teny hamely ahy anefa izy; Ary tsy araka ny teninareo no havaliko azy.Select Job 32:14
15Very hevitra terỳ izy ireo, ka tsy namaly intsony; Efa nanalavitra azy ny teny.Select Job 32:15
16Hangina va aho, raha tsy miteny izy ireo, fa mijanona foana izy ka tsy mamaly intsony?Select Job 32:16
17Anjarako kosa izao, koa dia hamaly aho; Eny, izaho hanambara izay fantatro;Select Job 32:17
18Fa feno teny ny foko; Manery ahy ny fanahy ato anatiko.Select Job 32:18
19Endrey! ny ato anatiko dia efa tahaka ny divay izay tsy misy hiainana, efa ho triatra tahaka ny siny hoditra vaovao izy.Select Job 32:19
20Hiteny aho mba hisy hiainako tsara; Hiloa-bava aho ka hamaly.Select Job 32:20
21Aoka tsy hizaha tavan’ olona akory aho, ary aoka tsy handrobo olona.Select Job 32:21
22Fa tsy mba mahay mandrobo aho; Raha izany, dia halain’ ny Mpanao ahy faingana aho.Select Job 32:22
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain