Skip to content
Church.wiki
Job

Job 33

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Kanefa, masìna ianao, ry Joba; mihainoa ny alahatro, ary mandrenesa ny teniko rehetra.Select Job 33:1

2Indro, fa efa niloa-bava aho, Miteny ato am-bavako ny lelako.Select Job 33:2

3Ny hitsim-poko no hiseho amin’ ny teniko; Ary ny fahalalan’ ny molotro no holazaina tsy hasiana fitaka.Select Job 33:3

4Ny Fanahin’ Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain’ ny Tsitoha no mamelona ahy.Select Job 33:4

5Raha hainao, valio ary aho, miomàna ianao, ka miatreha tsara.Select Job 33:5

6Indro, izaho koa mba an’ Andriamanitra: tahaka anao ihany; Eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin’ ny tanimanga.Select Job 33:6

7Indro, ny fampahatahorako tsy dia hampahatahotra anao, ary ny vesatra avy amiko tsy dia hitambesatra aminao.Select Job 33:7

8Efa nilaza teo anatrehako mihitsy ianao, ary efa reko ihany ny feon’ ny teninao hoe:Select Job 33:8

9Madio tsy manam-pahadisoana aho, ary tsy manan-tsiny aman-keloka;Select Job 33:9

10He! mitady izay handrafiany ahy Andriamanitra, ary ataony fahavalony aho;Select Job 33:10

11Mampiditra ny tongotro eo amin’ ny boloky hazo Izy ary mitsikilo ny diako rehetra.Select Job 33:11

12He! izany no tsy mahamarina anao, hoy izaho; Fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon’ ny zanak’ olombelona.Select Job 33:12

13Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin’ ny ataony?Select Job 33:13

14Kanefa misy fanao iray itenenan’ Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman’ ny olona izany,Select Job 33:14

15Dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin’ ny alina, raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo am-pandriana,Select Job 33:15

16Dia manokatra ny sofin’ ny olona Izy ka manisy tombo-kase ny fananarany azy,Select Job 33:16

17Mba hampiala ny olona amin’ ny fanaony, sy hampifady azy ny fireharehana.Select Job 33:17

18Miaro ny fanahiny tsy ho any an-davaka Izy, ary ny ainy mba tsy ho voan’ ny fiadiana.Select Job 33:18

19Anarina amin’ ny fanaintainana eo am-pandriany koa izy sy amin’ ny fikotrankotran’ ny taolany lalandava;Select Job 33:19

20Ary ny ainy marikorikon-kanina, eny, na dia ny hanim-py aza tsy tian’ ny fanahiny.Select Job 33:20

21Mihena ny nofony ka tsy hita, ary mitranitrany ny taolany izay tsy hita teo;Select Job 33:21

22Dia manakaiky ny lavaka ny fanahiny, ary ny ainy manatona ny mpaka aina.Select Job 33:22

23Raha misy Anjely ho Mpanalalana ho azy, iray amin’ ny arivo, hanoro izay tokony halehan’ ny olona,Select Job 33:23

24Ary hamindra fo aminy ka nanao hoe: Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra Aho,Select Job 33:24

25Dia ho tsara noho ny an’ ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin’ ny andro nahatanorany izy;Select Job 33:25

26Hivavaka amin’ Andriamanitra izy ka hankasitrahany ary hahita ny havany amin’ ny hafaliana, fa hampodiny amin’ ny zanak’ olombelona ny fahamarinany.Select Job 33:26

27Dia hihira izy hilaza amin’ ny olona hoe: Efa nanota aho, fa nanao ny rariny ho heloka, kanefa tsy novaliana araka ny nataoko;Select Job 33:27

28Fa navotany ny fanahiko mba tsy hivarina any an-davaka, ary mifaly ny aiko amin’ ny fahitana ny mazava.Select Job 33:28

29Indro, izany rehetra izany no ataon’ Andriamanitra indroa amin’ ny olona, eny, intelo aza,Select Job 33:29

30Mba hamerina ny fanahiny tsy ho any an-davaka, mba hihazavany amin’ ny fahazavan’ aina.Select Job 33:30

31Tandremo, ry Joba, ka mihainoa ahy; Mangìna kely aloha ianao, fa izaho mbola hiteny.Select Job 33:31

32Raha manan-kavaly ianao, dia mamalia ahy ihany; Mitenena, fa ta-hanamarina anao aho;Select Job 33:32

33Fa raha tsy manan-kavaly ianao, dia mihainoa ahy kosa; Mangìna tsara, fa hampianariko fahendrena ianao.Select Job 33:33

Next: Job 34Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Job

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.