Job 34
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe:Select Job 34:1
2Mandrenesa ny teniko, ianareo olon-kendry; Ary mihainoa ahy, ianareo manam-pahalalana.Select Job 34:2
3Fa ny sofina no mamantatra teny, Ary ny vava no manandrana hanina.Select Job 34:3
4Koa aoka izay rariny no hodinihintsika, ary aoka hiara-mamantatra izay tsara isika.Select Job 34:4
5Fa Joba efa nanao hoe: Marina aho, saingy nesorin’ Andriamanitra tamiko ny rariny;Select Job 34:5
6Marina ny ahy, nefa ampandaingainy aho; Mahafaty ny zana-tsipìka mitsatoka amiko, na dia tsy manam-pahadisoana aza aho.Select Job 34:6
7Aiza moa no misy lehilahy tahaka an’ i Joba, izay manaram-po amin’ ny famingavingana toy ny fisotro rano.Select Job 34:7
8Ary tonga naman’ ny mpanao ratsy sady miara-mandeha amin’ ny ratsy fanahy?Select Job 34:8
9Fa hoy izy: Tsy mahasoa ny olona ny mihavana amin’ Andriamanitra.Select Job 34:9
10Koa amin’ izany mihainoa ahy, ianareo manam-panahy: Lavitra an’ Andriamanitra ny hanao ratsy! Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka!Select Job 34:10
11Fa ny nataon’ ny olona ihany no ampanodiaviny azy, ka mamaly ny olona rehetra araka ny lalany avy Izy.Select Job 34:11
12Eny tokoa, Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy, ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny rariny.Select Job 34:12
13Iza moa no nanendry Azy ho Mpiadidy ny tany? Ary iza no nanorina izao tontolo izao?Select Job 34:13
14Raha tàhiny ny tenany ihany no heveriny, ka hangoniny ho ao aminy ny fanahiny sy ny fofonainy,Select Job 34:14
15Dia hiala avokoa ny ain’ ny nofo rehetra, ary hiverina amin’ ny vovoka ny olona.Select Job 34:15
16Raha manam-pahalalana ianao, dia mandrenesa izao, ka mihainoa ny tenikoSelect Job 34:16
17Moa mahay mifehy va izay tsy tia rariny? Ary Ilay marina sady mahery va no hohelohinao?Select Job 34:17
18(Mety va ny miteny amin’ ny mpanjaka hoe: Olom-poana ianao! Ary amin’ ny zanak’ andriana: Ry ilay ratsy!),Select Job 34:18
19Dia Ilay tsy mizaha ny tavan’ ny lehibe, ary tsy manaja ny ambony mihoatra noho ny ambany, satria samy asan’ ny tànany avokoa izy rehetra.Select Job 34:19
20Maty amin’ ny indray mipi-maso monja amin’ ny mamatonalina ireny; Eny, ringana ny olona ka tsy ao intsony; Ary ny mahery dia lasa tsy esorin-tanana.Select Job 34:20
21Fa ny mason’ Andriamanitra dia mijery ny alehan’ ny olona, ary mahita ny diany rehetra Izy.Select Job 34:21
22Tsy misy aizina na alim-pito, Izay hieren’ ny mpanao ratsy.Select Job 34:22
23Fa Andriamanitra tsy mba miandry aloha vao mandinika ny olona Izay tonga hotsaraina eo anatrehany.Select Job 34:23
24Manorotoro ny olona mahery Izy, na dia tsy manadina aza, ka manangana olon-kafa hisolo azy.Select Job 34:24
25Koa hita amin’ izany fa fantany ny asan’ ireo, ka dia mamono azy amin’ ny alina ho torotoro Izy.Select Job 34:25
26Tehafiny tanana tahaka ny fanao amin’ ny ratsy fanahy ireo eo imason’ ny vahoaka.Select Job 34:26
27Izao no nialan’ ireo tamin’ Andriamanitra ka tsy nitandremany ny lalany akory,Select Job 34:27
28Dia ny mba hahatonga ny fitarainan’ ny malahelo eo anatrehany ka hampandre Azy ny fitarainan’ ny ory.Select Job 34:28
29Mangìna Izy, ka iza no mahay manameloka? Ary manafin-tava Izy (ka iza no mahajery Azy?), na amin’ ny firenena, na amin’ ny olona tsirairay,Select Job 34:29
30Mba tsy hanjakan’ ny ratsy fanahy, ary tsy ho voafandrika ny vahoaka.Select Job 34:30
31Fa moa mba efa nisy niteny tamin’ Andriamanitra va nanao hoe: Efa nanandra-tena aho ka tsy hanao ratsy intsony;Select Job 34:31
32Izay tsy hitako mba ampianaro ahy; Raha nanao ratsy aho, dia tsy hanao intsony?Select Job 34:32
33Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny ataon’ ny olona, no efa nandà ianao? Fa ianao no mifidy, fa tsy izaho, koa izay fantatrao no ambarao.Select Job 34:33
34Ny olona manam-panahy hilaza amiko, ary ny olon-kendry izay mihaino ahy hanao hoe:Select Job 34:34
35Miteny tsy amim-pahalalana Joba, ary ny teniny tsy amim-pahendrena.Select Job 34:35
36Enga anie ka hizahan-toetra mandrakariva Joba noho ny famaliana ataony araka ny fanaon’ ny ratsy fanahy!Select Job 34:36
37Fa ampiany fihaikana koa ny fahotany; Miteha-tanana eto amintsika izy ka manao teny maro ho enti-miady amin’ Andriamanitra.Select Job 34:37
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain